Hijery ny anatiny

Inona no Atao hoe Faminaniana?

Inona no Atao hoe Faminaniana?

Valiny ara-baiboly

 Izay hafatra tian’Andriamanitra hampitaina no atao hoe faminaniana. Milaza ny Baiboly fa “avy tamin’Andriamanitra” no nitenenan’ny mpaminany, “araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.” (2 Petera 1:20, 21) Izay mahazo hafatra avy amin’Andriamanitra ka mampita an’izany amin’ny olon-kafa àry no atao hoe mpaminany.—Asan’ny Apostoly 3:18.

Ahoana no nataon’Andriamanitra rehefa hampita hafatra amin’ny mpaminany izy?

 Be dia be ny fomba nampiasainy mba hampitana hafatra. Inona avy izany?

  •   Izy mihitsy no nanoratra an’ilay izy. Izany, ohatra, no nataon’Andriamanitra rehefa nanome ny Didy Folo an’i Mosesy izy. Nosoratany ireo didy ireo.—Eksodosy 31:18.

  •   Anjely no nasainy niteny an’ilay izy. Anjely, ohatra, no nampiasain’Andriamanitra, tamin’izy naniraka an’i Mosesy hiresaka tamin’i Farao tany Ejipta. (Eksodosy 3:2-4, 10) Raha ohatra ka tiany ho voafaritra tsara ilay hafatra, dia maniraka anjely izy hiteny an’ilay izy. Hoatr’izany no nataony, tamin’izy niteny tamin’i Mosesy hoe: “Soraty ireo teny ireo, satria araka ireo teny ireo no anaovako fifanekena aminao sy ny Israely.”—Eksodosy 34:27. a

  •   Nataony nahita fahitana ilay mpaminany. Mety hahita fahitana ilay mpaminany, amin’ilay izy mahatsiaro saina tsara iny fa tsy matory. (Isaia 1:1; Habakoka 1:1) Indraindray aza izy mandray anjara amin’ilay fahitana hitany mihitsy, satria hoatran’ny hoe tena izy sady tena mitranga mihitsy ilay zavatra hitany. (Lioka 9:28-36; Apokalypsy 1:10-17) Ny mpaminany sasany indray rehefa amin’ilay izy rendremana iny no mahita fahitana. (Asan’ny Apostoly 10:10, 11; 22:17-21) Indraindray koa ataon’Andriamanitra manonofy ilay mpaminany, dia amin’iny no hitenenan’Andriamanitra an’ilay hafatra.—Daniela 7:1; Asan’ny Apostoly 16:9, 10.

  •   Nataon’Andriamanitra tao an-tsain’ilay mpaminany ilay izy. Ampian’Andriamanitra ilay mpaminany ka tonga dia lasa mahafantatra an’izay hafatra tiany hampitaina. Izany no dikan’ilay lazain’ny Baiboly hoe: ‘Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Soratra Masina iray manontolo.’ (2 Timoty 3:16) Nampiasa ny fanahiny masina Andriamanitra, mba hanampiana an’ilay mpaminaniny hahafantatra an’izay tiany holazaina. Avy amin’Andriamanitra àry ilay hafatra fa ilay mpaminany kosa no mifidy an’izay teny tiany hilazana an’ilay izy.—2 Samoela 23:1, 2.

Tsy maintsy momba ny hoavy foana ve ny faminaniana?

 Tsy voatery. Zavatra mbola ho avy anefa matetika no ampitain’Andriamanitra amin’ny mpaminaniny. Nisy fotoana, ohatra, nasainy nampitandrina ny Israelita ny mpaminaniny, satria nanao ratsy izy ireo. Nolazain’ilay mpaminany tamin’izay hoe raha mankatò ry zareo dia ho sambatra be, fa raha mbola manao ratsy ihany dia hiharan’ny loza. (Jeremia 25:4-6) Arakarak’izay nataon-dry zareo taorian’izay àry no nihatra amin-dry zareo.—Deoteronomia 30:19, 20.

Faminaniana ao amin’ny Baiboly tsy miresaka momba ny hoavy

  •   Nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra ny Israelita indray mandeha. Naniraka mpaminany àry Andriamanitra. Nohazavain’ilay mpaminany fa tsy nanampy an-dry zareo Andriamanitra satria nanao ratsy ry zareo.—Mpitsara 6:6-10.

  •   Nisy fotoana koa i Jesosy niresaka tamin’ny vehivavy samaritanina iray, ary notantarainy ny zavatra nataon’ilay vehivavy taloha. Tsy maintsy hoe Andriamanitra no nampahafantatra an’izany an’i Jesosy. Niaiky ilay vehivavy tamin’izay hoe mpaminany i Jesosy, nefa izy tsy niresaka zavatra hitranga amin’ny hoavy tamin’io.—Jaona 4:17-19.

  •   Rehefa notsaraina indray i Jesosy, dia nosaronan’ny fahavalony tamin’ny zavatra ny tarehiny, ary nokapohin-dry zareo izy sady noteneniny hoe: “Maminania! Iza ilay namely anao teo?” Tsy hoe nasain-dry zareo nilaza ny hoavy akory i Jesosy teo, fa tian’izy ireo ho fantatra raha tena hatoron’Andriamanitra azy hoe iza no namely azy teo.—Lioka 22:63, 64.

a Hoatran’ny hoe Andriamanitra no niresaka nivantana tamin’i Mosesy teo. Milaza anefa ny Baiboly fa naniraka anjely Andriamanitra tamin’io, mba hanomezana an’i Mosesy an’ilay Lalàna—Asan’ny Apostoly 7:53; Galatianina 3:19.