HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA
Aza Avela Hahita Zavatra Mamoafady ny Zanakao
“Hainay tsara mihitsy hoe misy vokany ratsy be ny boky sy sary vetaveta, fa ny tsy tonga tao an-tsainay dia hoe hay mety hahita an’ireny zavatra ireny koa ilay zanakay vavy.”—Nicole.
Ho hitantsika ato hoe:
Ahoana no hiarovanao ny zanakao mba tsy hahita boky sy sary ary video mamoafady izy?
Ahoana raha efa nahita boky sy sary ary video mamoafady ny zanakao?
Tsara ho fantatrao
Mbola kely ny ankizy dia efa mety hahita boky sy sary ary video mamoafady. Hitan’ny mpikaroka hoe vao 11 taona eo ho eo izao ny ankizy sasany dia efa mahita boky sy sary ary video mamoafady.
Mety hahita boky sy sary ary video mamoafady ny ankizy na dia tsy mieritreritra ny hikaroka an’izany aza. Mety hoe tsy mijery na tsy mikaroka zavatra ratsy ny zanakao rehefa mitady zavatra ao amin’ny Internet na rehefa mijery tambazotran-tserasera. Mety hahita tampoka zavatra mamoafady anefa izy, ohatra hoe rehefa manao lalao video ao amin’ny Internet. Dokam-barotra natao hampirisihana olona hijery zavatra mamoafady no mipoitra tampoka indraindray. Isan-karazany ny zavatra mamoafady, fa ny sary sy video vetaveta no tena fahita. Misy koa anefa ny lahatsoratra na boky na raki-peo natao hanaitairana ny faniriana hanao firaisana. Mora kely ny maka azy ireny ao amin’ny Internet. Ao ihany koa ilay olona dia efa afaka mihaino na mamaky an’ilay izy.
Tsara ho fantatry ny ray aman-dreny koa fa andefasan’ny olona hafatra vetaveta ny ankizy indraindray, ohatra hoe amin’ny telefaonina. Nisy fanadihadiana natao tamina ankizy sy tanora 900 mahery, ohatra, indray mandeha, dia hita hoe maharay foana sary na video misy olona miboridana ry zareo. Ny mpiara-mianatra aminy ihany no mandefa an’ilay izy. Efa ho ny antsasaky ny ankizilahy nanontaniana no niteny an’izany. Ny ankizivavy kosa, saika izy rehetra no nilaza hoe efa nandefasan’ny ankizy sary na video misy olona miboridana.
Tsy hoe mamoafady fotsiny ilay izy matetika fa misy herisetra koa. Matetika no misy herisetra ny sary mamoafady be mpitia, nefa tena mora kely ny mahita azy ireny. Vehivavy no tena ampijalina ao amin’ilay izy.
Manimba ny sain’ny ankizy ny zavatra mamoafady. Hita tamin’ny fikarohana hoe mora tratran’ireto olana ireto ny ankizy efa nahita sary na boky na video mamoafady:
lasa ratsy naoty
mitebiteby na kivy be na mieritreritra hoe tsy misy ilana azy
mieritreritra hoe tsy ratsy ny mametaveta olona na manery olona hanao firaisana
Tadidio àry izao: Misy vokany ratsy be amin’ny ankizy ny boky sy sary ary video mamoafady. Ny ray aman-dreny no tena tokony hiaro ny zanany mba tsy hahita an’ireny.
Torolalan’ny Baiboly: “Ataovy ao am-ponao ireto teny andidiako anao anio ireto. Dia alenteho tsikelikely ao an-tsain’ny zanakao izany ary resaho na rehefa mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na hatory, na mifoha.”—Deoteronomia 6:6, 7.
Ahoana no hiarovanao ny zanakao mba tsy hahita boky sy sary ary video mamoafady izy?
Fantaro ny zava-misy. Fantaro hoe aiza dia isaky ny inona ny zanakao no tena mety hahita sary mamoafady. Mahazo mampiasa Internet ve, ohatra, izy rehefa fakan-drivotra any am-pianarana, sady tsy misy manara-maso rehefa manao an’izany?
Fantaro hoe inona avy ny azonao atao amin’ny telefaoniny mba ho voafetra ny zavatra hitany ao. Fantaro koa hoe inona avy ny programa (applications) ampiasainy sy ny kilalao ataony ao amin’ny telefaoniny. Ny programa sasany, ohatra, misy an’ilay safidy hoe vetivety dia voafafa ho azy izay hafatra na sary na video tsy mendrika. Mihabetsaka mantsy amin’izao ny lalao video mampirisika ny olona hijery sary mamoafady. Asaina manao firaisana mihitsy aza ilay olona fa ao anatin’ilay lalao video no manao an’izany.
“Efa nahita olana aho dia mba te hanoro ny ray aman-dreny hoe raha manana telefaonina ny zanakao, dia tokony ho hainao ny mampiasa an’ilay izy. Tokony ho hainao koa hoe sao dia misy programa azon’ny ray aman-dreny ampiasaina ao mba ho voafetra ihany ny zavatra azon’ny zanakao jerena. Tokony hitady fomba hanaraha-maso an’izay ataony ao amin’ilay telefaonina koa ianao.”—David.
Torolalan’ny Baiboly: “Miezaka hahazo fahalalana ny fon’ny mahira-tsaina.”—Ohabolana 18:15.
Ataovy izay tsy hahitan’ny zanakao zavatra mamoafady. Mandraisa fepetra mba tsy hahita imbetsaka loatra an’ireny izy. Azonao ovana, ohatra, ny firafitra (paramètres) ao amin’ny telefaoniny sy ny fitaovana elektronika rehetra ao an-trano mba ho voasakana izay sary na zavatra hafa mamoafady, dia tsy hiseho mihitsy. Ampiasao ilay programa ahafahan’ny ray aman-dreny mametra an’izay ataon’ny ankizy, raha misy an’izany ny fitaovana elektronika ao aminareo. Fantaro daholo koa izay tenimiafina ampiasain’ny zanakao.
“Ireto nisy zavatra hitako hoe tena nety taminay: Nampiasa an’ilay programa ahafahan’ny ray aman-dreny mametra an’izay ataon’ny ankizy, dia nametra hoe inona avy no azon’ilay zanako lahy jerena ao amin’ny tele, dia namantatra an’izay tenimiafina ampiasainy amin’ny telefaoniny.”—Maurizio.
“Rehefa mijery video ny zanako lahy, dia tsy avelanay hidiany mihitsy ny varavarany. Rehefa handeha hatory koa ry zareo, dia tsy avelanay mitondra telefaonina na fitaovana elektronika hafa.”—Gianluca.
Torolalan’ny Baiboly: “Mahatsinjo ny loza ny olona malina ka miafina.”—Ohabolana 22:3.
Ampiomany dieny mbola kely ny zanakao. Hoy ny renim-pianakaviana iray atao hoe Flavia: “Misy ray aman-dreny tsy mety hiresaka amin’ny zanany momba ny sary sy boky ary video mamoafady, satria mieritreritra ry zareo hoe tsy hahita zavatra hoatr’izany mihitsy ilay zanany.” Ny ray aman-dreny sasany indray mieritreritra hoe: ‘Tsy vao mainka ve te hamantapantatra momba an’ilay izy ilay zaza raha iresahana an’izany?’ Diso ianao raha mieritreritra hoatr’izany. Raha tena hendry ny ray aman-dreny, dia tonga dia hiresaka amin’ny zanany momba ny voka-dratsin’ny sary sy boky ary video mamoafady dieny mbola tsy mahita an’ilay izy ilay zaza. Ahoana no hanaovanao an’izany raha manan-janaka ianao?
Mbola kely ny zanakao dia efa ampianaro hoe inona no tokony hataony raha sendra mahita sary vetaveta izy. Ampianaro, ohatra, izy hoe afaka manakimpy ny masony na mamono an’ilay telefaonina na ilay tele. Ampirisiho izy mba hitantara aminao foana an’izay hitany na izay henony. a
“Mbola tena kely ilay zanako lahy dia efa nohazavainay taminy ny voka-dratsin’ny sary vetaveta. Dia tamin’izy 11 taona tany ho any, nisy dokam-barotra momba an’ireny sary ireny tao amin’ny lalao video nataony tao amin’ny telefaoniny. Nampirisika azy handefa ny sariny koa ilay dokam-barotra. Tonga izy dia niresaka tamiko. Efa noresahinay mantsy hoe izay no tokony hataony rehefa mahita zavatra hoatr’izany.”—Maurizio.
Torolalan’ny Baiboly: “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”—Ohabolana 22:6.
Ny zanakao efa lehibebe indray ampianaro hiady mafy mba tsy hijery na hihaino na hamaky zavatra vetaveta. Manaova mihitsy fifanarahana aminy. Ahoana izany? Asaivo soratany amin’ny taratasy hoe inona no hataony raha sendra mahita sary vetaveta izy, dia hoe nahoana izy no te hanao an’izany. Asaivo ampidiriny ao hoe raha manao fanahy iniana mijery an’ireny izy, dia inona avy no ho voka-dratsiny, ohatra hoe lasa hahatsapa hoe tsy misy dikany, tsy hatokisan’ny ray aman-dreny intsony, dia ho simba koa ny fifandraisany amin’Andriamanitra. b
“Rehefa mihalehibe ny zanakao, dia hazavao aminy hoe tsy tokony ho maimaika hijery an’ilay sary fotsiny fa mba saintsainina koa ny ho vokany any aoriana any.”—Lauretta.
“Hahavita kokoa hifehy tena tsy hijery sary mamoafady ny zanatsika raha azony ny vokatr’ilay izy sy ny hevitr’i Jehovah momba an’ilay izy.”—David.
Torolalan’ny Baiboly: ‘Fiarovana ny fahendrena.’—Mpitoriteny 7:12.
Mifampiresaha foana. Tsy hino angamba ianao raha ilazana hoe tena te hiresaka amin’ny ray aman-dreniny momba ny firaisana ny ankizy, anisan’izany ny momba ny sary vetaveta. Izao no tenin’ny Dame Rachel de Souza, avy ao amin’ny Children’s Commissioner for England: “Hitanay hoe na dia mbola tena kely aza ny ankizy dia efa te hiresaka momba ny firaisana sady te hiresaka an’izany matetika. Te hiresaka ry zareo fa zavatra mifanaraka amin’ny taonany no mahaliana azy. Mbola te hiresaka an’izany foana izy na dia rehefa mihalehibebe aza, fa resaka matotra kokoa no tadiaviny.”
“Nisy zavatra sasany tsy noresahin’ny dadanay sy mamanay tamiko mihitsy tamin’izaho mbola kely. Tiako anefa raha mba hoe tsy nifampihafahafa mihitsy izahay tamin’izany fa nifampiresaka tsara. Dia izany izao no iezahako mafy atao amin’ny zanako. Iresahako foana momba ny firaisana ry zareo, fa tsy ataoko mahasadaikatra be fotsiny ilay izy.”—Flavia.
Ahoana raha efa nahita boky sy sary ary video mamoafady ny zanakao?
Aza mikoropaka. Ahoana raha tratranao nijery na nihaino na namaky zavatra vetaveta ny zanakao? Miezaha aloha hifehy tena. Tsy hainao fa mety hoe efa mikorontan-tsaina be izao izy vokatr’ilay izy na efa tena nahatsapa hoe tsy nety ny nataony na koa rikoriko be. Raha tonga dia tezitra aminy ianao, dia vao mainka izy ho sadaikatra sady mety tsy hiresaka aminao zavatra hoatr’izany intsony.
Torolalan’ny Baiboly: “Mahafehy ny vavany ny olona manam-pahalalana, ary ho tony foana ny olona mahay mandinika.”—Ohabolana 17:27.
Fantaro ny tena marina. Aza tonga dia mihevitra hoe hainao izay tena nitranga. Anontanio tsara kosa ny zanakao hoe ahoana no nahatonga azy hahita zavatra vetaveta. Nisy olona nandefa an’ilay izy taminy ve, sa hitany fotsiny tamin’izao ilay izy? Vao indray mandeha ve izy no nahita zavatra hoatran’io sa efa nahita taloha? Efa misy an’ilay sakana tsy ahafahana mahita zavatra vetaveta ve ao amin’ilay telefaoniny, na efa nasiana programa ahafahanao mametra sy manara-maso an’izay ataony ao? Raha efa misy an’ireo ilay izy, dia sao dia nataony izay hialana tamin’ireo? Tadidio foana anefa hoe izay hahatonga ny zanakao tsy hisalasala hiresaka aminao no tanjonao, fa tsy hoe hamotopototra be azy hoatran’ny polisy.
Torolalan’ny Baiboly: “Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa mahay manovo an’izany izay mahay mandinika.”—Ohabolana 20:5.
Aza mijanona amin’izao fa manaova zavatra. Raha sendra nahita an’ilay sary fotsiny, ohatra, ny zanakao fa tsy hoe fanahy iniany ilay izy, dia jereo sao mila amboarina kely fotsiny ilay sakana ao amin’ny telefaoniny na ilay programa ahafahanao mametra an’izay ataony ao.
Ahitsio kosa anefa ny zanakao raha fantatrao hoe nanao fanahy iniana nitady sary vetaveta izy. Tokony ho hentitra ianao rehefa manao an’izany, nefa ataovy tsapany hoe tianao izy. Ampisaintsaino izy mba hahatonga azy tsy ho tia mijery sary vetaveta intsony. Azonao ampiasaina amin’izany, ohatra, ny Joba 31:1 sy ny Salamo 97:10 ary ny Salamo 101:3. c Teneno koa izy hoe hiresaka aminy momba an’ilay olana ianao isan-kerinandro mba hijerena raha efa niova izy sady mba hahitana hoe inona ny zavatra hafa azo atao mba hanampiana azy.
Torolalan’ny Baiboly: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao foana araka izay anatra omen’i Jehovah sy izay atorony izy.”—Efesianina 6:4.
a Te hiresaka amin’ny zanakao momba ny firaisana ve ianao, sady tianao raha mifanaraka tsara amin’ny taonany ilay resaka? Misy soso-kevitra ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Hiresahana Amin’ny Zanaka Momba ny Firaisana?”
b Jereo ilay fampiasana hoe “Inona no Hanampy Ahy Tsy Hijery Sary Vetaveta?”, fa hanampy anareo hahita zavatra hafa azo soratana ao amin’ilay taratasy.
c Azonareo iarahana midinika koa ilay lahatsoratra hoe “Nahoana Aho no Tsy Tokony Hijery Sary Vetaveta?”