Hijery ny anatiny

Bokikely Misy Fanazavana Maneran-tany

 

Iza moa ny Vavolombelon’i Jehovah?

Mombamomba ny Vavolombelon’i Jehovah: Inona no ataon-dry zareo, ary ahoana no andaminana an-dry zareo?

Ny Boky sy Zavatra Hafa Avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Mamoaka zavatra vita pirinty sy lahatsoratra any amin’ny Internet ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao hanampiana ny olona mba hanatona an’Andriamanitra sy hahazo kokoa an’izay ampianarin’ny Baiboly izy ireny, ary mahasoa ny mpamaky sady manatsara ny fiainan-dry zareo.

Ny Vavolombelon’i Jehovah Rehefa eny Amin’ny Fiaraha-monina

Miezaka mitady izay hahasoa ny mpiara-monina aminy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mampianatra Baiboly sy manao asa soa.

Miresaka ny Zavatra Inoany Amin’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah

Anisan’ny zavatra tena lehibe amin’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny miresaka amin’ny olona ny vaovao tsara ao amin’ny Baiboly. Ahoana no anaovany an’izany, ary inona ny vokatr’ilay izy amin’ny mpiara-monina aminy?

Ny Vavolombelon’i Jehovah Rehefa any An-tranony

Miezaka mampihatra ny torolalan’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa ao an-tranony, ka mandray soa daholo na ny raim-pianakaviana na ny renim-pianakaviana na ny zanaka. Mifanaja sy mifankatia erỳ ry zareo vokatr’izany. Heverin’ny ray aman-dreny ho andraikitra ngezabe ny mampianatra Baiboly ny zanany.

Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah

Valin’ny fanontaniana folo fametraky ny olona momba ny Vavolombelon’i Jehovah.

Mikarakara Fahasalamana ny Vavolombelon’i Jehovah

Sarobidy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny aina satria fanomezana avy amin’Andriamanitra. Masina ny aina sy ny ra amin-dry zareo. Mitady ny fitsaboana tsara indrindra àry izy raha misy marary ny fianakaviany. Manaiky hiara-hiasa amin’ny dokotera koa izy mba hahita fitsaboana tsara sy mandaitra ho solon’ny fampidiran-dra.

Tsy Manao Raharaha Miaramila ny Vavolombelon’i Jehovah fa Manaiky Hanao Fanompoana Sivily

Eken’ny lalàna iraisam-pirenena fa manan-jo tsy hanao raharaha miaramila ny olona iray, raha tsy eken’ny feon’ny fieritreretany ilay izy. Faly ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa manaraka ny fitsipika iraisam-pirenena ny fanjakana, ka manisy fanompoana sivily ho solona raharaha miaramila. Tsy fanompoana hanasaziana azy anefa akory no tadiavin’izy ireo, fa fanompoana hahasoa ny fiaraha-monina.

Tsy Manao Politika ny Vavolombelon’i Jehovah

Tsy midikiditra amin’ny politika mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah, satria izany no ampianarin’ny Baiboly. Be dia be ny fitondrana mahita hoe mihavana tsara ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy manao politika. Niaiky koa ry zareo fa mankatò lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah sady miara-miasa tsara amin’ny manam-pahefana.

Ny Fivoriana Fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah

Tena zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny miara-mivory, satria manatanjaka ny finoan’izy ireo. Any amin’ny trano antsoina hoe Efitrano Fanjakana ry zareo no mivory, ary azon’ny rehetra atrehina ilay izy. Mianatra Baiboly no tena atao any.

Inona no Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah Rehefa Misy Loza?

Rehefa misy loza, dia tonga dia manome izay ilain’ny tra-boina sy mampahery azy tsy ho kivy be ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manampy azy hifandray amin’i Jehovah foana. Miezaka be ry zareo sady milamina tsara ny fomba fiasany. Na ny manam-pahefana sy ny fikambanana mpanampy tra-boina aza mahita an’izany.

Ny Fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fiarovana ny Ankizy Raha ny Baiboly no Jerena

Raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho zavatra tena lehibe ny fiarovana ny ankizy. Hazavain’ity taratasy ity izay tena ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ho valin’ny zavatra lazain’ny olona momba azy ireo.