Hijery ny anatiny

BOKIKELY MISY FANAZAVANA MANERAN-TANY

Tsy Manao Raharaha Miaramila ny Vavolombelon’i Jehovah fa Manaiky Hanao Fanompoana Sivily

Tsy Manao Raharaha Miaramila ny Vavolombelon’i Jehovah fa Manaiky Hanao Fanompoana Sivily

Eken’ny lalàna iraisam-pirenena fa manan-jo tsy hanao raharaha miaramila ny olona iray, raha tsy eken’ny feon’ny fieritreretany ilay izy. Faly ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa manaraka ny fitsipika iraisam-pirenena ny fanjakana, ka manisy fanompoana sivily ho solona raharaha miaramila. Tsy fanompoana hanasaziana azy anefa akory no tadiavin’izy ireo, fa fanompoana hahasoa ny fiaraha-monina.