12 JOLAY 2024
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
An-tapitrisany ny Olona Tratran’ilay Rivo-doza Beryl
Namely ny faritra atsimon’ny nosy Martinika any Antilles ilay rivo-doza mahery be antsoina hoe Beryl, tamin’ny 30 Jona 2024. Nihanahery ilay rivo-doza ny ampitson’iny ka nandravarava an’i Îles du Vent, anisan’izany i Barbade sy Grenady ary Saint-Vincent sy Grenadines. Vao mainka nihanahery ilay izy ny ampitson’iny, dia namely an’i Venezoelà. Namely ny morontsiraka atsimon’i Jamaika ilay izy avy eo. Nandravarava tao amin’ny Saikinosin’i Yucatán any Meksika ilay rivo-doza, tamin’ny 5 Jolay, talohan’ny nandalovany tao amin’ny faritra atsimon’i Etazonia.
Nitondra oram-be sy rivo-mahery nahatratra 270 kilaometatra isan’ora ilay rivo-doza, dia nanimba trano sy toeram-piasana ary foto-drafitrasa be dia be. Olona an-tapitrisany mipetraka any amin’ireo toerana nandalovan’ilay izy no tsy manana jiro sy rano ary zavatra ilainy sasany, hatramin’izao. Misy 30 mahery ny olona maty, araka ny tatitra voaray.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Martinika (Antilles)
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra
Mpitory 6 no nafindra toerana
Trano 1 no potika
Trano 1 no simba be
Trano 1 no nisy simba kely
Tsy nisy Efitrano Fanjakana simba
Îles du Vent
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty
Mpitory 7 no naratra
Mpitory 67 no nafindra toerana
Trano 39 no simba be
Trano 31 no nisy simba kely
Efitrano Fanjakana 1 no rava
Efitrano Fanjakana 1 no simba be
Efitrano Fanjakana 4 no nisy simba kely
Venezoelà
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra
Mpitory 30 no nafindra toerana
Trano 12 no simba be
Trano 9 no nisy simba kely
Efitrano Fanjakana 1 no simba be
Jamaika
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra
Mpitory 18 no nafindra toerana
Trano 24 no simba be
Trano 75 no nisy simba kely
Efitrano Fanjakana 19 no nisy simba kely
Meksika
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra
Mpitory 320 no nafindra toerana, fa efa nody anefa ry zareo izao
Trano 11 no nisy simba kely
Tsy nisy Efitrano Fanjakana simba
Etazonia
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty
Mpitory 6 no naratra
Mpitory 242 no nafindra toerana
Trano 4 no potika
Trano 33 no simba be
Trano 471 no simba kely
Tsy nisy Efitrano Fanjakana simba
Fanampiana tra-boina
Nanampy sy nanome fampaherezana ara-baiboly tany amin’ireo toerana tratran’ilay loza ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy. Komitin’ny Vonjy Rano Vaky enina no miandraikitra an’ireo fanampiana.
Mivavaka isika mba hampionona foana an’ireo izay matoky azy mandritra an’izao fotoan-tsarotra izao i Jehovah.—2 Korintianina 1:3, 4.