Hijery ny anatiny

25 APRILY 2024
PARAGOAY

Nanao Fampirantiana ny Tenin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah Nandritra ny Foara Momba ny Boky tany Paragoay

Nanao Fampirantiana ny Tenin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah Nandritra ny Foara Momba ny Boky tany Paragoay

Natao tany Asunción, any Paragoay, ilay foara momba ny boky fanao isan-taona antsoina hoe Libroferia Capel, ny 28 Febroary ka hatramin’ny 10 Martsa 2024. Olona manodidina ny 10 000 no tonga manatrika an’io foara io isan-taona. Nanana tranoheva tao amin’ilay foara isika, dia nasongadina tao ny Tenin’Andriamanitra sy ny boky fianarana Baiboly hita ao amin’ny jw.org. Rahalahy sy anabavy 160 mahery no nifandimby tao amin’ilay izy. Nampirantiana tamin’ny fiteny guarani sy tenin’ny tanana paragoayanina ary espaniola ny boky sy gazetintsika, na amin’ny endriny elektronika izany na vita pirinty.

Nisy lehilahy iray nanatona an’ilay tranoheva rehefa nahita an’ilay famantarana hoe afaka mangataka hianatra Baiboly maimaim-poana. Nohazavain’ireo rahalahintsika taminy hoe ahoana atao rehefa mianatra Baiboly, dia avy eo nasehony azy ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Hoy ilay lehilahy rehefa avy nijery ny tao anatin’ilay boky: “Hay ve ny Baiboly mamaly an’ireo fanontaniana rehetra ireo e!” Tena faly be koa izy nahafantatra hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Natao ny fotoana avy eo mba hitsidihana sy hampianarana Baiboly azy.

Nisy lehilahy iray hafa koa niresaka tamin’ny anabavy iray teo amin’ilay tranoheva, tamin’ny fotoana hafa. Niteny izy hoe tena faly be mahita hoe isan-karazany ny fanazavana hita ao amin’ny tranonkalantsika amin’ny fiteny guarani sy guaraní (Mbyá) ary nivaclé. Noderainy ny Vavolombelon’i Jehovah satria miezaka mandika boky sy gazety ara-baiboly amin’ny tenim-paritra isan-karazany.

Rahalahy sy anabavy sasany nandray anjara tamin’ilay fandaharana natao

Hoy ny Rahalahy Daniele Sarcone, izay nanampy tamin’ny fandaminana an’ilay asa an-tsitrapo: “Tena faly izahay nahita olona be dia be te hianatra bebe kokoa momba ny Baiboly. Nahafinaritra ny resadresaka nifanaovana tamin-dry zareo.” Olona 13 fara fahakeliny no nangataka fanazavana momba ny fianarana Baiboly, nandritra an’ilay foara.

Tena faly isika mahafantatra hoe be dia be ny olona lasa mahafantatra momba an’i Jehovah sy momba ny Baiboly any Paragoay. Ary fantatsika fa mbola betsaka koa no mbola mila mandre ny fahamarinana.​—Salamo 119:160.