20 FEBROARY 2019
PORTO RICO
Vita Ihany Ilay Fanampiana Tra-boina Tany Porto Rico
Vita tamin’ny fomba ofisialy ny fanampiana tra-boina nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Porto Rico, tamin’ny Septambra 2018, izany hoe herintaona taorian’ny nandalovan’ny Rivo-doza Irma sy Maria tany amin’io nosy io. Mpiasa an-tsitrapo an’arivony avy any amin’ny faritany iandraiketan’ny sampan’i Etazonia no nanampy tamin’io tetikasa naharitraritra io.
Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ny biraon’ny sampan’i Etazonia. Mpitory 10000 avy any Porto Rico no nalamin’io komity io mba handray anjara amin’ilay fanampiana tra-boina. Nanolo-tena hanampy koa ny rahalahy sy anabavy 8000 hafa. Avy any lavitra be ny sasany amin’izy ireo, ohatra hoe avy any Alaska na Bahamas na Hawaii.
Efitrano Fanjakana 106 sy Efitrano Fivoriambe 2 simban’ny rivo-doza no namboarin’ireo mpiasa an-tsitrapo ireo. Trano 783 an’ny mpiara-manompo koa simba ka namboarina, ary 73 no rava ka naverina naorina. Betsaka koa ny mpiara-manompo nahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana na ny orinasa fiantohana.
Hoy i Lorne Kowert, ao amin’ny Biraon’ny Vonjy Rano Vaky any amin’ny sampan’i Etazonia: “Vita izay iny asa be iny. Hihamatanjaka foana anefa ny finoan’ny rahalahy sy anabavy tratran’iny loza iny sy ny an’ireo nanampy tamin’ilay asa fanarenana, rehefa mieritreritra ny zavatra natao tamin’ireny izy ireo.”
Miara-paly amin’ny rahalahy sy anabavy any Porto Rico isika satria mampiasa ny mpiara-manompo maneran-tany i Jehovah mba hanehoany ny fitiavany sy ny fikarakarany antsika.—1 Petera 5:7.