20 APRILY 2017
ROSIA
Tsy Nanome Rariny An’ireo Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Tampony any Rosia
NEW YORK—Tapitra izay ny andro fahenina nihainoana ny raharaha momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Naharitra tapa-bolana ilay fitsarana. Nivoaka androany ny didim-pitsaran’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia. Nekeny ny fangatahan’ny Minisiteran’ny Fitsarana hoe hofoanana ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia sy ireo fikambanana ara-pivavahana (LRO) miisa 395 ampiasain’izy ireo any. Mihatra avy hatrany io didy io.
Hoy i Yaroslav Sivulskiy, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia: “Diso fanantenana tanteraka izahay sady manahy be hoe inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ny asa ara-pivavahana ataonay. Hangataka famerenam-pitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah. Manantena izahay fa tsy ho ela dia hohajaina indray ny zonay, ary harovana izahay satria tsy mampidi-doza izany ny fivavahanay!”
Manana 30 andro ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia hangatahana famerenam-pitsarana. Hisy mpitsara telo handinika an’ilay raharaha indray.
Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:
Iraisam-pirenena: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000
Rosia: Yaroslav Sivulskiy, +7-911-087-8009