MIAMBENA FOANA!
Iza no Fidinao ho Mpitondra? Inona no Lazain’ny Baiboly?
Mila mandray fanapahan-kevitra lehibe ny olona hoe iza no hofidiny ho mpitondra.
Inona no lazain’ny Baiboly?
Voafetra ny vitan’ny mpitondra olombelona
Anisan’ny mahatonga an’izany ity resahin’ny Baiboly ity:
“Aza matoky ny olona ambony na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ary miverina amin’ny tany izy; amin’iny andro iny ihany, dia foana ny eritreriny.”—Salamo 146:3, 4.
Na dia ny mpitondra mahay indrindra aza mbola ho faty ihany. Ankoatra izany, dia tsy afaka manome antoka izy ireo hoe hanohy ny asa tsara vitany izay olona handimby azy.—Mpitoriteny 2:18, 19.
Lazain’ny Baiboly fa tsy natao hifampitondra mihitsy ny olombelona.
“Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ... ny olona.”—Jeremia 10:23.
Mba misy olona afaka ny ho mpitondra mahay ve amin’izao?
Mpitondra iray nofidin’Andriamanitra
Hazavain’ny Baiboly fa nanendry mpitondra faran’izay mahay sy azo itokisana Andriamanitra. Tsy iza izany fa i Jesosy Kristy. (Salamo 2:6) I Jesosy no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary avy any an-danitra izy io no hitondra.—Matio 6:10.
Hifidy ny fitondran’i Jesosy ve ianao? Asehon’ny Baiboly fa zava-dehibe ny safidinao:
“Omeo voninahitra ilay zanaka [i Jesosy Kristy] sao ho tezitra Andriamanitra ka ho ringana ianareo, fa vetivety dia mirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.”—Salamo 2:12.
Izao no fotoana tokony handraisanao fanapahan-kevitra. Raha jerena ny faminanian’ny Baiboly dia efa nanomboka nanjaka tamin’ny 1914 i Jesosy, ary tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia hisolo ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra.—Daniela 2:44.
Raha tianao ho fantatra bebe kokoa hoe inona no azonao atao mba hanohanana ny fitondran’i Jesosy, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Miezaha Hanohana ny Fanjakan’Andriamanitra Dieny Izao!”