Mandraisa Soa avy Amin’ny Sorona Nataon’i Jesosy
Indray mandeha isan-taona no miara-mankalaza ny nahafatesan’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany sy ny olona an-tapitrisany nasain’izy ireo. Izany mantsy no didy nomen’i Jesosy. (Lioka 22:19) Manampy ny mpanatrika io fotoan-dehibe io mba hankasitraka hoe zava-dehibe ny zavatra nataon’i Jesosy rehefa nanome ny ainy ho an’ny olombelona izy. Dinihina mandritra an’io fandaharana io koa ny soa raisintsika avy amin’ny sorona nataony, dieny izao sy amin’ny hoavy.—Jaona 3:16.
Ahoana no azonao andraisana soa avy amin’ny sorona nataon’i Jesosy, na afaka nanatrika ny Fahatsiarovana ianao tamin’ity taona ity na tsia? Nampianatra i Jesosy hoe misy zavatra roa lehibe tokony hataontsika.
1. Mianatra momba an’Andriamanitra sy Jesosy. Izao no nolazain’i Jesosy rehefa nivavaka tamin’ilay Rainy any an-danitra izy: “Raha te hahazo fiainana mandrakizay izy ireo, dia mila mianatra mba hahafantatra anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.
2. Mampihatra an’izay ianaranao. Nasongadin’i Jesosy hoe tokony hampiharintsika ny zavatra nampianariny. Nidera an’izay “mihaino ny [teniny] ka mankatò” an’izany, ohatra, izy rehefa namarana an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. (Lioka 6:46-48) Nisy fotoana koa izy niteny hoe: “Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo raha manao an’izany.”—Jaona 13:17.
Te hianatra momba an’Andriamanitra sy Jesosy ve ianao ary te hampihatra an’izay ianaranao? Ireto misy fanazavana afaka manampy anao amin’izany.
Fianarana Baiboly
Betsaka no afaka nandinika ny Baiboly sy nampihatra an’izay nianarany teo amin’ny fiainany rehefa nianatra Baiboly maimaim-poana taminay.
Jereo ilay hoe Fianarana Baiboly Miaraka Amin’ny Mpampianatra ao amin’ny jw.org, raha te hahazo fanazavana momba an’izany ianao.
Jereo ilay video hoe Faly Hiara-mianatra Baiboly Aminao Izahay, raha tianao ho hita hoe hoatran’ny ahoana izany miara-mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izany.
Fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah
Efitrano Fanjakana no iantsoanay Vavolombelon’i Jehovah ny toeram-pivavahanay ary mivory any indroa isan-kerinandro izahay. Mandinika ny Baiboly izahay any ary mijery ny fomba azonay ampiharana an’izay lazain’ny Baiboly eo amin’ny fiainanay.
Afaka manatrika an’ireny fivoriana ireny ianao na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah aza. Natao ho an’ny olona rehetra mantsy izy ireny. Mety ho afaka hanatrika mivantana ianao na amin’ny alalan’ny vidéoconférence, arakaraka ny toe-javatra misy any aminareo.
Jereo ilay video hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana?, raha tianao ho fantatra hoe inona no ho hitanao any.
Jereo ao amin’ilay pejy hoe Fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny jw.org, raha te hijery ny fivoriana misy eny akaikinareo ianao.
Lahatsoratra sy video ao amin’ny jw.org
Misy lahatsoratra sy video be dia be ao hanampy anao hahafantatra bebe kokoa momba ny fampianaran’i Jesosy sy ny hasarobidin’ny sorona nataony.
Vakio, ohatra, ilay hoe “Nahoana no Lazaina fa Mpamonjy i Jesosy?” sy ilay hoe “Nahoana i Jesosy no Nijaly sy Maty?” raha tianao ho azo hoe fa maninona ny fahafatesan’ny olona iray no afaka manavotra olona an-tapitrisany. Azonao jerena koa ilay video hoe Inona no Antony Nahafatesan’i Jesosy?