Tantara Voalohany 8:1-40
8 Ireto avy no naterak’i Benjamina:+ I Bela+ no lahimatoa, Asbela+ no faharoa, Ahara no fahatelo,
2 Noha no fahefatra, ary Rafa no fahadimy.
3 Ny zanakalahin’i Bela dia i Adara, Gera,+ Abihoda,
4 Abisoa, Namàna, Ahoa,
5 Gera, Sefofana, ary Horama.
6 Ireto avy ny zanakalahin’i Ehoda, izay samy lohan’ireo fianakaviamben’ny mponina tao Geba,+ sady natao sesitany tany Manahata:
7 I Namàna sy Ahia ary Gera. I Gera no nitondra azy ireny tany an-tsesitany. Izy no niteraka an’i Oza sy Ahihoda.
8 Niteraka tany amin’ny faritr’i* Moaba i Saharaima rehefa avy nandroaka an’ireny. Ary i Hosima sy Bara no vadiny.*
9 Ilay vadiny atao hoe Hodesy kosa no niterahany an’i Jobaba, Ziba, Mesa, Malkama,
10 Jeoza, Sakia, ary Mirma. Ireo no zanakalahiny, izay samy lohan’ny fianakaviambe.
11 I Hosima indray no niterahany an’i Abitoba sy Elpala.
12 Ary ny zanakalahin’i Elpala dia i Ebera sy Misama ary Samada izay nanorina an’i Ono+ sy Loda+ ary ireo tanàna niankina taminy,*
13 Beria, ary Sema. Lohan’ireo fianakaviamben’ny mponina tao Aialona+ izy ireo, ary nandroaka ny mponina tao Gata.
14 I Ahio, Sasaka, Jeremota,
15 Zebadia, Arada, Edera,
16 Mikaela, Jispa, ary Joha no zanakalahin’i Beria.
17 I Zebadia, Mesolama, Hizky, Hebera,
18 Jismeray, Jizlia, ary Jobaba no zanakalahin’i Elpala.
19 I Jakima, Zikry, Zabdy,
20 Elienay, Ziletahy, Eliela,
21 Adaia, Beraia, ary Simrata no zanakalahin’i Simey.
22 I Jispana, Ebera, Eliela,
23 Abdona, Zikry, Hanana,
24 Hanania, Elama, Antotia,
25 Jifdia, ary Penoela no zanakalahin’i Sasaka.
26 I Samseray, Seharia, Atalia,
27 Jaresia, Elia, ary Zikry no zanakalahin’i Jerohama.
28 Lohan’ny fianakaviambe izy ireo, araka ny voasoratra tao amin’ny tetirazana. Nipetraka tao Jerosalema izy ireo.
29 Nipetraka tao Gibeona+ i Jeiela rain’i Gibeona, ary Maka no anaran’ny vadiny.+
30 I Abdona no zanany lahimatoa, ary nanarakaraka azy i Zora, Kisy, Bala, Nadaba,
31 Gedora, Ahio, ary Zakera.
32 I Miklota niteraka an’i Simea. Nipetraka teny akaikin’ny rahalahiny tao Jerosalema daholo izy ireo, niaraka tamin’ny rahalahiny hafa.
33 I Nera+ niteraka an’i Kisy, ary Kisy niteraka an’i Saoly.+ I Saoly indray niteraka an’i Jonatana,+ Malkisoa,+ Abinadaba,+ ary Esbala.*+
34 Ny zanakalahin’i Jonatana dia i Meri-bala,*+ ary i Meri-bala niteraka an’i Mika.+
35 Ny zanakalahin’i Mika dia i Pitona, Meleka, Tarea, ary Ahaza.
36 I Ahaza niteraka an’i Joada, ary Joada niteraka an’i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry. I Zimry niteraka an’i Moza,
37 Moza niteraka an’i Binea, Binea niteraka an’i Rafa, Rafa niteraka an’i Elasa, ary Elasa niteraka an’i Azela.
38 Nanan-janakalahy enina i Azela ka ireto avy ny anarany: Azrikama, Bokero, Ismaela, Searia, Obadia, ary Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Azela.
39 Ireto avy ny zanakalahin’i Eseka rahalahiny: I Olama no lahimatoa, Jeosy no faharoa, ary Elifeleta no fahatelo.
40 Miaramila matanjaka ny zanakalahin’i Olama sady nahay nampiasa* tsipìka. Nanana zanaka aman-jafy be dia be izy ireo, ka 150 ny isany. Ireo rehetra ireo no taranak’i Benjamina.
Fanamarihana
^ Abt: “tany ambanivohitr’i.”
^ Na mety hoe “rehefa avy nandroaka an’i Hosima sy Bara vadiny izy.”
^ Na: “nanodidina azy.”
^ Antsoina koa hoe Isboseta.
^ Antsoina koa hoe Mefiboseta.
^ Abt: “sady nanitsaka.”