Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bokin’i Daniela

Toko

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12

Topy Maso

  • 1

    • Nataon’ny Babylonianina fahirano i Jerosalema (1, 2)

    • Nampiofanina manokana ny tanora babo taranaky ny mpanjaka (3-5)

    • Notsapaina ny Hebreo efa-dahy (6-21)

  • 2

    • Nanonofy i Nebokadnezara dia nitebiteby be (1-4)

    • Tsy nisy olon-kendry nahay an’ilay nofy (5-13)

    • Nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra i Daniela (14-18)

    • Nidera an’Andriamanitra izy fa nampahafantariny azy ilay zava-miafina (19-23)

    • Nolazain’i Daniela tamin’ny mpanjaka ilay nofy (24-35)

    • Ny dikan’ilay nofy (36-45)

      • Hanorotoro an’ilay sarivongana ilay vato na ilay Fanjakana (44, 45)

    • Nomen’ny mpanjaka voninahitra i Daniela (46-49)

  • 3

    • Sarivongana volamena nataon’i Nebokadnezara Mpanjaka (1-7)

      • Baiko hoe tsy maintsy mivavaka amin’ilay sarivongana (4-6)

    • Nampangaina hoe tsy nankatò ireo Hebreo telo lahy (8-18)

      • “Tsy hanompo an’ireo andriamanitrao izahay” (18)

    • Natsipy tao anatin’ilay lafaoro misy afo mivaivay (19-23)

    • Novonjena avy tao anaty afo (24-27)

    • Nidera an’ilay Andriamanitry ny Hebreo ny mpanjaka (28-30)

  • 4

    • Niaiky i Nebokadnezara Mpanjaka hoe an’Andriamanitra ny fanjakana (1-3)

    • Nanonofy nahita hazo avo be ilay mpanjaka (4-18)

      • Holanina aminy ny fe-potoana fito (16)

      • Andriamanitra no Mpitondra eo amin’ny olombelona (17)

    • Nohazavain’i Daniela ny dikan’ilay nofy (19-27)

    • Tanteraka voalohany tamin’ilay mpanjaka (28-36)

      • Lasa adala nandritra ny fe-potoana fito ilay mpanjaka (32, 33)

    • Nanandratra an’ilay Andriamanitry ny lanitra ilay mpanjaka (37)

  • 5

    • Fanasambe nataon’i Belsazara Mpanjaka (1-4)

    • Ilay sora-tanana teo amin’ny rindrina (5-12)

    • Nasaina nilaza ny dikan’ilay soratra i Daniela (13-25)

    • Dikan’ilay soratra: Hifarana ny fanjakan’i Babylona (26-31)

  • 6

    • Niray tetika hiampanga an’i Daniela ny manam-pahefana persianina (1-9)

    • Mbola nivavaka ihany i Daniela (10-15)

    • Natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela (16-24)

    • Nanome voninahitra an’ilay Andriamanitr’i Daniela i Dariosy Mpanjaka (25-28)

  • 7

    • Fahitana momba ny biby ngezabe efatra (1-8)

      • Nisy tandroka kely iray nipoitra (8)

    • Nipetraka hitsara Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be (9-14)

      • Zanak’olona natao mpanjaka (13, 14)

    • Nohazavaina tamin’i Daniela ny dikan’ilay fahitana (15-28)

      • Mpanjaka efatra ireo biby ngezabe efatra ireo (17)

      • Hahazo ny fanjakana ny olona masina (18)

      • Ny tandroka folo dia mpanjaka folo hipoitra (24)

  • 8

    • Fahitana momba ny ondrilahy iray sy osilahy iray (1-14)

      • Tandroka kely iray nanambony tena (9-12)

      • Mandra-pahatapitry ny 2 300 andro (14)

    • Nohazavain’i Gabriela ny dikan’ilay fahitana (15-27)

      • Iza ilay ondrilahy sy ilay osilahy? (20, 21)

      • Hitsangana ny mpanjaka iray masiaka endrika (23-25)

  • 9

    • Niaiky ny fahotan’ny Israely tao amin’ny vavaka i Daniela (1-19)

      • Haharitra 70 taona ny faharavan’ilay tanàna (2)

    • Nankeo amin’i Daniela i Gabriela (20-23)

    • Fitopolo herinandro (24-27)

      • Ho tonga ny Mesia rehefa afaka 69 herinandro (25)

      • Hovonoina ny Mesia (26)

      • Horavana ilay tanàna sy ny toerana masina (26)

  • 10

    • Nisy anjely nirahin’Andriamanitra hankany amin’i Daniela (1-21)

      • Nampian’i Mikaela ilay anjely (13)

  • 11

    • Mpanjakan’i Persa sy Gresy (1-4)

    • Mpanjakan’ny atsimo sy mpanjakan’ny avaratra (5-45)

      • Hisy mpitaky hetra (20)

      • Hovonoina ilay Mpitarika ny fifanekena (22)

      • Homena voninahitra ilay andriamanitry ny manda fiarovana (38)

      • Hifanosika ny mpanjakan’ny atsimo sy ny mpanjakan’ny avaratra (40)

      • Tatitra hampikorontan-tsaina avy any atsinanana sy avy any avaratra (44)

  • 12

    • Ny “fotoanan’ny farany” sy ny aorianan’izay (1-13)

      • Hitsangana i Mikaela (1)

      • Hamirapiratra be ny olona lalin-tsaina (3)

      • Hitombo be ny tena fahalalana (4)

      • Hitsangana i Daniela mba hahazo ny anjarany (13)