Deoteronomia 8:1-20

  • Tsarovy ny nitahian’i Jehovah anareo (1-9)

    • “Tsy ny mofo ihany no mahavelona ny olona” (3)

  • Aza hadinoina i Jehovah (10-20)

8  “Ankatoavy izay didy rehetra omeko anao anio, mba ho velona foana ianao,+ ka hihamaro be ary hiditra ao amin’ilay tany nianianan’i Jehovah tamin’ny razambenao, dia haka an’ilay izy ho anao.+ 2  Tsarovy ilay lalana lavitra be nitondran’i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-tany efitra nandritra an’izay 40 taona izay.+ Nentiny tany amin’ilay lalana ianao, satria tiany hampianarina hanetry tena sy tiany hotsapaina,+ mba hahafantarana an’izay ao am-ponao+ na hanaraka ny didiny ianao na tsia. 3  Koa nataony izay hahatonga anao hanetry tena, ka navelany ho noana ianao,+ ary nomeny mana ho sakafonao,+ dia mana tsy fantatrao sady tsy fantatry ny razambenao. Tiany hampahafantarina anao mantsy fa tsy ny mofo ihany no mahavelona ny olona, fa ny teny rehetra lazain’i* Jehovah koa.+ 4  Tsy lasa tonta ny akanjo nanaovanao, ary tsy nivonto ny tongotrao nandritra an’izay 40 taona izay.+ 5  Fantatrao tsara fa nanitsy anao i Jehovah Andriamanitrao, hoatran’ny olona manitsy ny zanany.+ 6  “Araho àry ny didin’i Jehovah Andriamanitrao, ka mandehana amin’ny lalana atorony ary matahora azy. 7  Fa efa hampiditra anao ao amin’ilay tany tsara i Jehovah Andriamanitrao.+ Tany be renirano* izy io, sady misy loharano sy rano lalina mikoriana eny amin’ny tany lemaka sy ny faritra be tendrombohitra. 8  Tany misy varimbazaha koa izy io, sady misy vary orza, voaloboka, aviavy, ampongabendanitra,+ menak’oliva, ary tantely.+ 9  Tsy ho ory sakafo ianao ao amin’izany tany izany, sady tsy ho ory na inona na inona. Misy vy ny vato ao, ary ao amin’ny tendrombohitra ao ianao no hitrandraka varahina. 10  “Rehefa mihinana ianao ka voky, dia derao i Jehovah Andriamanitrao noho ilay tany tsara nomeny anao.+ 11  Tandremo sao hadinoinao i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy ankatoavinao ny didiny sy ny didim-pitsarany ary ny lalàny, izay andidiako anao anio. 12  Rehefa mihinana ianao ka voky ary manorina trano tsara ka mipetraka ao,+ 13  sady lasa be dia be ny omby sy ny ondry aman’osinao, ny volafotsinao, ny volamenanao, ary ny fanananao rehetra, 14  dia aza avela hiavonavona* ny fonao+ ka hahatonga anao hanadino an’i Jehovah Andriamanitrao. Izy mantsy no nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny toerana nanandevozana anao.+ 15  Izy koa no nitarika anao hamakivaky an’ilay tany efitra lehibe sy mampahatahotra,+ izay misy bibilava misy poizina sy maingoka, sady tany karakaina tsy misy rano. Izy koa no namoaka rano avy tamin’ny vatolampy,+ 16  sy nanome anao mana ho sakafonao+ tany an-tany efitra, dia mana tsy fantatry ny razambenao. Tiany hampianarina hanetry tena mantsy ianao+ sady tiany hotsapaina, mba handray soa any aoriana any.+ 17  Raha mieritreritra ianao hoe: ‘Ny tanjako sy ny herin-tsandriko no nahazoako an’izao harena izao’,+ 18  dia tadidio fa i Jehovah Andriamanitrao no manome hery anao mba hahazoana harena.+ Tiany hotanterahina mantsy ilay fifanekena nianianany tamin’ny razambenao, hoatran’izao androany izao.+ 19  “Fa raha sanatria manadino an’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, ka manaraka andriamani-kafa sy manompo an’ireny sady miankohoka eo anatrehany, dia mampitandrina anareo aho anio fa ho ripaka tokoa ianareo.+ 20  Ho ripaka tahaka an’ireo firenena haringan’i Jehovah eo alohanareo ianareo, satria tsy nety nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrareo.+

Fanamarihana

Na: “ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i.”
Na: “lalan-driaka feno rano.”
Na: “hirehareha.”