Ezekiela 4:1-17
4 “Ary ianao, ry zanak’olona, makà biriky dia apetraho eo anoloanao ilay izy. Asio sarin’ny tanànan’i Jerosalema eo an-tampony.
2 Dia ataovy fahirano izy io,+ ka manangàna manda+ sy dongon-tany* manodidina azy mba hanaovana fahirano azy.+ Manorena koa toby hanafihana azy, ary asio lohondry vy* manodidina azy.+
3 Makà lasitra vy fanaova-mofo, ka atsangano toy ny manda vy eo anelanelanao sy ilay tanàna ilay izy. Dia ataovy manatrika an’ilay tanàna ny tarehinao. Fa hatao fahirano izy io, ka ianao no hanao fahirano azy. Ho famantarana ho an’ny taranak’Israely izany.+
4 “Dia matoria mihorirana miankavia, fa eo amin’io ilany havia io no hametrahanao ny fahadisoan’ny taranak’Israely.+ Ny isan’ny andro hatorianao mihorirana miankavia no hitondranao ny fahadisoany.
5 Hasaiko manao an’izany mandritra ny 390 andro ianao, satria izany no isan’ny taona naharetan’ny fahadisoany.+ Dia hitondra ny fahadisoan’ny taranak’Israely ianao.
6 Vitao hatramin’ny farany ireo andro ireo.
“Matoria mihorirana miankavanana indray avy eo. Dia hitondra ny fahadisoan’ny taranak’i Joda+ mandritra ny 40 andro ianao, ka andro iray hosoloana taona iray. Andro iray soloana taona iray mantsy no ampihariko aminao.
7 Ary atodiho any amin’i Jerosalema+ atao fahirano ny tarehinao, ka asehoy ny sandrinao, dia maminania hoe hisy loza hanjo an’ilay tanàna.
8 “Hofatorako amin’ny tady ianao mba tsy ho afaka hivadi-mandry, raha tsy rehefa vitanao ny andro hanaovanao fahirano azy.
9 “Makà varimbazaha, vary orza, tsaramaso be, lantihy, ampemby, ary vary spelta, dia afangaroy ao anaty vilany iray ka anaovy mofo ho anao. Mandritra ireo andro hatorianao amin’ny ilanao, izany hoe mandritra ny 390 andro, ianao no hihinana an’ilay izy.+
10 Holanjainao ilay izy, ka 20 sekely* ny lanjan’ny sakafo hohaninao isan’andro. Aza ovaovana ny fotoana hihinananao azy.
11 “Rano afatra koa no hosotroinao, dia ampahenin’ny hina.* Aza ovaovana koa ny fotoana hisotroanao azy.
12 “Hohaninao hoatran’ny mihinana mofo boribory vita tamin’ny vary orza ilay izy. Handrahoinao eo imason’izy ireo ilay izy, ka dikin’olona* efa maina no hataonao kitay.”
13 Hoy koa i Jehovah: “Hoatr’izany no hihinanan’ny Israelita mofo maloto any amin’ireo firenena hanaparitahako azy.”+
14 Dia hoy aho: “Aza atao an’izany kosa re, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Mbola tsy voaloto aho hatramin’izaho mbola kely ka hatramin’izao, satria mbola tsy nihinana biby maty ho azy na noviravirain’ny bibidia.+ Mbola tsy nisy hena maloto* koa niditra tao am-bavako.”+
15 Ary hoy izy tamiko: “Eny àry fa havelako hampiasa tain’omby ianao fa tsy dikin’olona.* Dia izay no ataovy kitay handrahoanao ny mofonao.”
16 Hoy indray izy tamiko: “Ry zanak’olona, hataoko tsy misy sakafo tafiditra intsony* ao Jerosalema.+ Hitebiteby be izy ireo rehefa mihinana mofo efa voalanja,+ sady hihorohoro rehefa misotro rano efa voafatra.+
17 Hitranga izany ka hifampijery izy ireo sady ho gaga fa tsy manana mofo sy rano intsony. Ary ho lasa taolana mifono hoditra sisa izy ireo, noho ny fahadisoany.
Fanamarihana
^ Na: “tovon-tany.”
^ Fitaovana fandravana manda.
^ Na: “tain’olona.”
^ Na: “masiso.”
^ Na: “tain’olona.”
^ Abt: “hotapahiko ny hazon’ny mofo.” Mety ho hazo fanantonana ny mofo notehirizina.