Genesisy 9:1-29
9 Nitso-drano an’i Noa sy ny zanany Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: “Miteraha maro, dia mihabetsaha ka mamenoa ny tany.+
2 Mbola hatahotra anareo foana ny bibidia rehetra eny ambonin’ny tany, sy ny biby manidina rehetra eny amin’ny lanitra, sy izay rehetra mifamezivezy eny ambonin’ny tany, ary ny trondro rehetra any an-dranomasina. Dia hanjaka amin’ireny ianareo.*+
3 Azonareo atao sakafo ny biby velona mihetsiketsika rehetra.+ Omeko anareo daholo izy rehetra, toy ny nanomezako anareo ny zava-maitso.+
4 Fa izao ihany no tsy azonareo hanina:+ Ny nofo misy aina, izany hoe mbola misy ra.+
5 Ankoatra izany, dia hataoko ampamoaka* izay mandatsaka ny ranareo na ny ainareo. Hataoko ampamoaka ny zavamananaina rehetra mandatsaka ny ranareo. Ary hataoko ampamoaka izay olona mandatsaka ny ain’ny rahalahiny.+
6 Izay mandatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany,+ satria nataon’Andriamanitra mitovy endrika aminy ny olona.+
7 Fa ianareo indray, miteraha maro dia mihabetsaha, ary aoka ho maro be eny ambonin’ny tany ianareo sady ho lasa be dia be.”+
8 Hoy Andriamanitra avy eo tamin’i Noa sy ny zanany lahy:
9 “Hanao fifanekena aminareo+ sy ny taranakareo handimby anareo aho,
10 sy amin’ny zavamananaina rehetra eo aminareo, ny vorona sy ny biby ary ny bibidia rehetra eny ambonin’ny tany, izany hoe izay rehetra nivoaka avy tao anatin’ny sambofiara—ny zavamananaina rehetra eny ambonin’ny tany.+
11 Izao àry no fifanekena ataoko aminareo: Tsy ho ripaky ny safodrano intsony ny zavamananaina* rehetra, ary tsy hisy safodrano hanimba ny tany intsony.”+
12 Hoy koa Andriamanitra: “Izao no famantarana an’ilay fifanekena ataoko aminareo sy ny zavamananaina rehetra eo aminareo, ho an’ny taranaka rehetra mbola ho avy:
13 Asiako avana* eny amin’ny rahona, ka izy io no ho famantarana an’ilay fifanekena ataoko amin’izay rehetra velona eny ambonin’ny tany.
14 Koa isaky ny manisy rahona eny ambonin’ny tany aho, dia tsy maintsy hiseho eny amin’ny rahona ny avana.
15 Dia hotsaroako ilay fifanekena nataoko taminareo sy tamin’ny zavamananaina rehetra isan-karazany. Ary tsy ho lasa safodrano handringana ny zavamananaina* rehetra intsony ny rano.+
16 Hiseho eny amin’ny rahona ny avana. Rehefa hitako ilay izy, dia hotsaroako ilay fifanekena mandrakizay nataon’Andriamanitra tamin’ny zavamananaina rehetra isan-karazany eny ambonin’ny tany.”
17 Ary hoy indray Andriamanitra tamin’i Noa: “Izany no famantarana an’ilay fifanekena ataoko amin’ny zavamananaina* rehetra eny ambonin’ny tany.”+
18 Ireto avy ny zanakalahin’i Noa nivoaka avy tao anatin’ny sambofiara: Sema sy Hama ary Jafeta.+ Ary i Hama no lasa rain’i Kanana.+
19 Izy telo ireo no zanakalahin’i Noa, ary ireo no niavian’ny mponina rehetra niparitaka eran-tany.+
20 Ary lasa mpamboly i Noa ka namboly voaloboka.
21 Rehefa nisotro divay izy dia mamo ka nanary lamba, tamin’izy tao anatin’ny tranolainy.
22 Dia nahita ny fitanjahan’ny rainy i Hama, rain’i Kanana, ka notantarainy tamin’izy roa lahy rahalahiny teo ivelany izany.
23 Naka lamba àry i Sema sy Jafeta. Nataony teo an-tsoroka ilay izy, ka nanao dia nihemotra izy roa lahy dia nandrakotra ny fitanjahan’ny rainy. Nitodi-damosina izy ireo tamin’izay, ka tsy nahita ny fitanjahan’ny rainy.
24 Ary nifoha i Noa rehefa nisava ny hamamoany, ka lasa fantany ny zavatra efa nataon’ny faralahiny taminy.
25 Dia hoy izy:
“Ho voaozona anie i Kanana!+
Ho lasa ambany indrindra amin’ny andevon’ny rahalahiny anie izy!”+
26 Hoy koa izy:
“Hoderaina anie i Jehovah, Andriamanitr’i Sema!Ary ho lasa andevon’i Sema anie i Kanana!+
27 Enga anie homen’Andriamanitra toerana midadasika i Jafeta!Dia hipetraka ao an-tranolain’i Sema anie izy!
Fa i Kanana kosa anie ho andevon’i Jafeta!”
28 Mbola velona 350 taona i Noa, taorian’ny Safodrano.+
29 Ary nahatratra 950 taona ny andro rehetra niainan’i Noa, dia maty izy.
Fanamarihana
^ Abt: “Natolotro teo am-pelatananareo ireny.”
^ Na: “tsy hataoko afa-maina.”
^ Abt: “nofo.”
^ Na: “antsibenandriamanitra.”
^ Abt: “nofo.”
^ Abt: “nofo.”