Hebreo 2:1-18
2 Noho izany, dia vao mainka isika mila mitandrina kokoa mba hankatò an’izay efa henontsika,+ dia amin’izay isika tsy hiala amin’ny finoana mihitsy.+
2 Fa raha azo itokisana ny teny nolazain’ny anjely,+ ary nosazina ara-drariny+ izay nandika lalàna sy tsy nankatò,
3 dia tsy ho voasazy ve isika raha tsy miraharaha an’izao famonjena lehibe izao?+ Ny Tompontsika+ mantsy no voalohany nilaza an’io famonjena io. Ary izay naheno azy io dia nanamafy tamintsika hoe marina izy io.
4 Efa nanome porofo momba azy io koa Andriamanitra ka nanao famantarana sy fahagagana* ary zavatra miavaka isan-karazany,+ sady nizara fanahy masina araka izay sitrapony.+
5 Fa tsy anjely no nasain’Andriamanitra heken’ilay tontolo* ho avy+ izay resahinay.
6 Ao amin’ny andininy iray anefa nisy vavolombelona niteny hoe: “Dia inona moa izay olombelona no tsaroanao? Ary inona moa izay zanak’olombelona no karakarainao?+
7 Nataonao ambany kely noho ny anjely izy, ary nosatrohanao haja amam-boninahitra, sady notendrenao hiandraikitra ny asan’ny tananao.
8 Nasainao nanaiky azy ny zava-drehetra ka nataonao eo ambany tongony.”+ Rehefa nasain’Andriamanitra nanaiky azy ny zava-drehetra,+ dia tsy nisy navelany tsy hanaiky azy na iray aza.+ Mbola tsy hitantsika anefa aloha izao hoe manaiky azy ny zava-drehetra,+
9 fa ny hitantsika kosa dia i Jesosy, izay efa natao ambany kely noho ny anjely.+ Hitantsika nosatrohana haja amam-boninahitra izy izao satria efa nijalijaly talohan’ny nahafatesany,+ mba ho faty ho an’ny rehetra izy+ noho ny hatsaram-panahy miavaka* asehon’Andriamanitra.
10 Ho voninahitr’Andriamanitra+ no antony isian’ny zava-drehetra, ary amin’ny alalany no isian’izy rehetra. Nitondra zanaka maro mba homem-boninahitra izy, ka mety raha navelany hijaly+ mba ho lasa lavorary ilay Mpitarika Lehibe Indrindra, izay mitondra famonjena ho an’ireny.+
11 Fa iray ihany no niavian’izy roa tonta,+ na ilay manamasina na ireo hamasinina.+ Noho izany, dia tsy menatra izy miantso azy ireo hoe rahalahy.+
12 Fa hoy izy: “Hanambara ny anaranao amin’ny rahalahiko aho. Eo anivon’ny fiangonana aho no hidera anao an-kira.”+
13 Hoy koa izy: “Hatoky azy aho”,+ sy hoe: “Ireto izaho sy ireo zaza nomen’i Jehovah* ahy!”+
14 Satria nofo aman-dra ny “zaza”, dia lasa nofo aman-dra koa izy,+ mba ho ny fahafatesany no hanafoanany an’ilay manan-kery hahatonga fahafatesana,+ dia ny Devoly,+
15 ary mba hanafahany an’izay rehetra nandevozina nandritra ny androm-piainany, noho izy ireo natahotra ny ho faty.+
16 Fa tsy ny anjely no ampiany, raha ny marina, fa ny taranak’i Abrahama.+
17 Tsy maintsy lasa hoatran’ireo “rahalahiny” tamin’ny lafiny rehetra+ àry izy, mba ho lasa mpisoronabe mamindra fo sy mendri-pitokisana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Amin’izay izy dia ho afaka hanolotra sorona fampihavanana,*+ dia sorona noho ny fahotan’ny olona.+
18 Efa nijaly izy rehefa notsapaina,+ ka afaka manampy an’izay miaritra fitsapana.+
Fanamarihana
^ Na: “fambara.”
^ Na: “tany misy mponina.”
^ Na: “hanolotra sorona fandrakofam-pahotana; hanao fandrakofam-pahotana.”