Nosoratan’i Matio 8:1-34

  • Boka iray nositranina (1-4)

  • Manamboninahitra nanam-pinoana (5-13)

  • Nanasitrana marary be dia be tao Kapernaomy i Jesosy (14-17)

  • Ny tokony hataon’izay te hanaraka an’i Jesosy (18-22)

  • Nampitony rivo-mahery i Jesosy (23-27)

  • Nalefan’i Jesosy tao amin’ny andian-kisoa ny demonia (28-34)

8  Rehefa nidina avy teo amin’ilay tendrombohitra izy, dia nisy vahoaka be nanaraka azy. 2  Ary iny nisy lehilahy boka nanatona azy ka niankohoka teo anatrehany, sady niteny hoe: “Tompo ô, raha mba tianao mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.”+ 3  Koa nanatsotra ny tanany i Jesosy ka nikasika azy, sady niteny hoe: “Tiako izany ka! Madiova ianao.”+ Tonga dia sitrana ny habokany ka nadio izy.+ 4  Hoy i Jesosy avy eo: “Tandremo sao miteniteny amin’olona.+ Fa mandehana miseho any amin’ny mpisorona,+ dia atolory ny fanomezana nasain’i Mosesy nomena,+ mba ho hitan’izy ireo fa sitrana ianao.” 5  Rehefa niditra tao Kapernaomy i Jesosy, dia nisy manamboninahitra nanatona azy ka niangavy+ 6  hoe: “Azafady, tompoko! Mandamaka ao an-trano ao ny mpanompoko fa malemy. Mijaly be mihitsy izy.” 7  Dia hoy izy taminy: “Hositraniko izy rehefa tonga any aho.” 8  Hoy anefa ilay manamboninahitra: “Tsy mendrika ny handray anao ao an-tranoko aho, tompoko, fa mitenena fotsiny dia ho sitrana ny mpanompoko. 9  Izaho koa mantsy eo ambany fahefan’olona, sady manana miaramila eo ambany fahefako. Dia raha miteny amin’ny miaramila anankiray aho hoe: ‘Mandehana!’, dia lasa izy, ary amin’ny anankiray kosa hoe: ‘Avia!’, dia tonga izy, ary amin’ny mpanompoko hoe: ‘Ataovy ity!’, dia ataony izany.” 10  Ary gaga i Jesosy rehefa naheno an’izany, ka niteny tamin’ireo olona nanaraka azy hoe: “Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nahita olona nanana finoana lehibe hoatr’izany aho teo amin’ny Israely.+ 11  Lazaiko aminareo fa be dia be ny olona avy any atsinanana sy ny avy any andrefana no ho tonga haka toerana* eo amin’ny latabatra miaraka amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra.+ 12  Fa ny zanak’ilay Fanjakana kosa hatsipy any amin’ny haizina any ivelany. Any izy ireo no hitomany sy hihidy vazana.”*+ 13  Dia hoy i Jesosy tamin’ilay manamboninahitra: “Mandehana àry! Enga anie ho tanteraka izay nangatahinao, satria manam-pinoana ianao!”+ Dia sitrana tamin’izay ora izay ilay mpanompo.+ 14  Rehefa niditra tao an-tranon’i Petera i Jesosy, dia hitany nandamaka teo am-pandriana ny rafozambavin’i Petera+ fa nanavy.+ 15  Nokasihin’i Jesosy àry ny tanan’ilay ramatoa,+ dia afaka ny fanaviany. Dia niarina izy ka nikarakara sakafo ho an’i Jesosy. 16  Rehefa hariva ny andro, dia be dia be ny olona nisy demonia nentina teo amin’i Jesosy. Niteny fotsiny izy dia nivoaka ny fanahy ratsy. Nositraniny daholo koa izay rehetra narary. 17  Tanteraka àry izay nasaina nolazain’i Isaia mpaminany hoe: “Naka ny aretinay izy ary nitondra ny fanaintainanay.”+ 18  Rehefa hitan’i Jesosy fa nisy vahoaka nanodidina azy, dia nasainy nankeny ampita+ ny mpianany. 19  Ary nisy mpanora-dalàna nanatona ka niteny taminy hoe: “Mpampianatra ô, hanaraka anao aho na aiza na aiza halehanao.”+ 20  Hoy anefa i Jesosy: “Manan-davaka hisitrihana ny amboadia, ary manana akany ny voro-manidina, fa ny Zanak’olona kosa tsy mba manana an’izay hametrahany ny lohany.”+ 21  Nisy mpianatra hafa koa niteny taminy hoe: “Tompo ô, avelao aho aloha handeha handevina ny dadako.”+ 22  Hoy i Jesosy taminy: “Manaraha ahy foana, fa avelao ny maty handevina ny maty.”+ 23  Dia niakatra tao an-tsambokely i Jesosy, ary nanaraka azy ny mpianany.+ 24  Ary lasa nisy rivo-mahery teo amin’ilay ranomasina, ka saron’ny onja tsikelikely ilay sambokely. Natory anefa i Jesosy tamin’izay.+ 25  Nankeo aminy àry izy ireo ka namoha azy, sady niteny hoe: “Tompo ô, vonjeo fa ho faty isika!” 26  Hoy anefa izy tamin’izy ireo: “Nahoana ianareo no saro-tahotra,* ry kely finoana?”+ Dia nitsangana izy, ary noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, ka lasa tony be ny andro.+ 27  Koa gaga izy ireo ka niteny hoe: “Iza marina àry izy ity e? Fa na ny rivotra sy ny ranomasina aza mankatò azy.” 28  Rehefa tonga teny ampita tao amin’ny faritra nisy ny Gadareanina izy, dia nifanena tamin’ny lehilahy roa nisy demonia. Nivoaka avy teny am-pasana izy roa lahy ireo,+ ary faran’izay nahery setra ka tsy nisy sahy nandalo tamin’izany lalana izany. 29  Dia niantsoantso mafy izy ireo hoe: “Fa inona koa no anelingelenanao anay atỳ,* ry Zanak’Andriamanitra?+ Tonga atỳ ve ianao mba hampijaly anay+ alohan’ny fotoana?”+ 30  Ary nisy kisoa be dia be nandrasana, teny lavidavitra teny.+ 31  Niangavy azy àry ireo demonia hoe: “Raha avoakanao izahay, dia mba alefaso ho ao amin’irỳ andian-kisoa irỳ.”+ 32  Ary hoy izy tamin’ireo: “Mandehana!” Nivoaka àry izy ireo ka lasa niditra tao amin’ireo kisoa ireo. Dia ireny fa nirifatra nankeny amin’ny hantsana* ilay andiany manontolo, dia nivarina tany an-dranomasina ka maty an-drano. 33  Nandositra nankany an-tanàna kosa ireo mpiandry kisoa ka notantarainy daholo izay nitranga, anisan’izany ny momba an’ireo lehilahy nisy demonia. 34  Dia nivoaka hitsena an’i Jesosy daholo ny iray tanàna. Rehefa hitan’izy ireo i Jesosy, dia niangaviany hiala tao amin’ilay faritra.+

Fanamarihana

Na: “handry ilika.”
Izany hoe hihidy vazana satria ho tezitra sy hamoy fo.
Na: “mitebiteby.”
Na: “Fa misy zavatra iombonanay aminao angaha moa.”
Na: “tevana.”