Ohabolana 28:1-28
28 Mandositra ny ratsy fanahy na dia tsy misy manenjika aza,Fa feno toky hoatran’ny liona* kosa ny olo-marina.+
2 Misolosolo foana ny mpitondra, rehefa misy mandika lalàna* eo amin’ilay tany,+Fa raha ampian’ny olona mahay mandinika sy manam-pahalalana kosa ny mpitondra,* dia haharitra ny fitondrany.+
3 Izay lehilahy mahantra nefa manambaka ny madinika,+Dia toy ny ranonorana mifaoka ny vokatra rehetra.
4 Midera ny ratsy fanahy ny olona mandika lalàna,Fa tezitra amin’ireny kosa izay mankatò lalàna.+
5 Tsy mahalala ny dikan’ny hoe rariny ny ratsy fanahy,Fa mahalala ny zava-drehetra kosa izay mitady an’i Jehovah.+
6 Aleo mahantra nefa tsy mivadika,Toy izay mpanankarena nefa fetsy ratsy.+
7 Mankatò lalàna ny zanaka mahira-tsaina,Fa manala baraka ny rainy kosa izay minamana amin’ny tendan-kanina.+
8 Izay maka zanabola sy tombony+ tafahoatra mba hampitomboana ny harenany,Dia manangona an’izany ho an’izay miantra ny mahantra.+
9 Izay tsy mety mihaino ny lalàna,Na ny vavaka ataony aza maharikoriko.+
10 Izay mamitaka olo-marina mba hitaomana azy hanao ratsy, dia ho latsaka ao amin’ny lavaka nataony ihany.+Fa ny tsy misy tsiny kosa handova zava-tsoa.+
11 Mihevi-tena ho hendry ny mpanankarena.+Mahalala ny tena marina momba azy anefa ny mahantra mahay mandinika.+
12 Rehefa mandresy ny olo-marina, dia voninahitra lehibe izany,Fa rehefa mahazo fahefana kosa ny ratsy fanahy, dia misitrika ny vahoaka.+
13 Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby,+Fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.+
14 Sambatra izay olona miambina foana,*Fa izay manamafy fo kosa hahita loza.+
15 Ny mpitondra ratsy fanahy, izay manjaka amin’ny vahoaka tsy misy mpiaro,Dia hoatran’ny liona mierona sy orsa mihazakazaka hanafika.+
16 Manampatra fahefana ny mpitarika tsy mahay mandinika,+Fa ho ela velona kosa izay tsy tia tombony azo amin’ny tsy marina.+
17 Handositra hatrany am-pasana* izay mivesatra trosan-dra fa namono olona.+
Aza misy manampy azy.
18 Hovonjena izay mandeha tsy misy tsiny,+Fa ho lavo tampoka kosa izay fetsifetsy.+
19 Hahazo sakafo be dia be izay miasa ny taniny,Fa hahantra fadiranovana kosa izay mikatsaka zava-poana.+
20 Hahazo fitahiana be dia be ny olona mendri-pitokisana,+Fa hanan-tsiny kosa izay te hanan-karena haingana.+
21 Tsy tsara ny miangatra,+Nefa mety hanaonao foana ny olona iray mba hahazoana sombi-mofo.
22 Maimay te hanan-karena ny olona mitsiriritra,*Nefa tsy fantany fa hahantra izy amin’ny farany.
23 Izay mananatra+ no ho tian’ny olona kokoa+Noho izay mandokadoka.
24 Izay mandroba ny rainy sy ny reniny nefa miteny hoe: “Tsy maninona izany!”,+
Dia naman’ny mpangalatra ihany.+
25 Mampisy ady ny olona tsy mety afa-po,*Nefa hilamina tsara ny fiainan’izay* miantehitra amin’i Jehovah.+
26 Tsisy saina izay matoky ny fony,+Fa ho voaro kosa izay manao zavatra amim-pahendrena.+
27 Tsy hisy hahory an’izay manome ho an’ny mahantra,+Fa ho voaozona imbetsaka kosa izay manakimpy ny masony tsy hijery an’ireny.
28 Miafina ny olona rehefa mahazo fahefana ny ratsy fanahy,Fa mihabetsaka kosa ny olo-marina rehefa ringana ireny.+
Fanamarihana
^ Na: “liona tanora.”
^ Na: “mikomy.”
^ Abt: “izy.”
^ Na: “izay matahotra foana.”
^ Na: “an-davaka.”
^ Na: “tsy mety afa-po.”
^ Na mety hoe “manambony tena.”
^ Abt: “hohatavezina izay.”