Titosy 2:1-15
2 Fa ianao kosa, miresaha foana zavatra mifanaraka amin’ny fampianarana mahasoa.*+
2 Ampirisiho ny lehilahy zokiolona hahay handanjalanja eo amin’izay zavatra fanaony, ho mato-tsaina, hisaina tsara, hanana finoana matanjaka, ho be fitiavana, ary hiaritra.
3 Ampirisiho koa ny vehivavy zokiolona hanana fitondran-tena mendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy handevozin’ny divay be, fa ho mpampianatra zavatra tsara,
4 mba hahafahany hanoro hevitra* ny vehivavy tanora* ho tia vady aman-janaka,
5 hisaina tsara, hadio fitondran-tena, hazoto hikarakara tokantrano, hanao izay tsara, hanaiky ny vadiny,+ mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra.
6 Ampirisiho foana koa ny lehilahy tanora hisaina tsara,+
7 ary asehoy hoe modely amin’ny asa tsara ianao amin’ny lafiny rehetra. Zavatra madio ampianarina* ka miezaha ho mato-tsaina rehefa manao an’izany,+
8 ary mampiasà teny mahasoa* izay tsy azo kianina.+ Amin’izay dia ho afa-baraka ny mpanohitra, ka tsy hahita zavatra hanaratsiana antsika.+
9 Ampirisiho ny mpanompo hanaiky ny tompony amin’ny zava-drehetra+ ka hiezaka hanao izay mahafaly azy, tsy hamalivaly,
10 tsy hangalatra,+ fa ho mendri-pitokisana tanteraka kosa. Amin’izay izy dia toy ny hoe mandravaka ny fampianaran’Andriamanitra Mpamonjy antsika, amin’ny lafiny rehetra.+
11 Efa nasehon’Andriamanitra mantsy ny hatsaram-panahiny miavaka, ka afaka ny ho voavonjy ny karazan’olona rehetra.+
12 Mampiofana antsika izany hatsaram-panahy izany mba handa an’izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanirian’izao tontolo izao.+ Mampiofana antsika koa izany mba hampiseho eo amin’ny fiainantsika hoe misaina tsara sy manao izay mahitsy isika ary mahafoy tena ho an’Andriamanitra, eto amin’izao tontolo izao.*+
13 Miandry an’ilay zavatra mahafaly antenaintsika koa isika,+ sady miandry ny fisehoana be voninahitr’ilay Andriamanitra tena miavaka sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika.
14 Nanolotra ny tenany ho antsika izy+ mba hanafahana* antsika+ amin’ny karazana fandikan-dalàna rehetra sy mba hanadiovana firenena iray ho fananany manokana, dia firenena mazoto manao asa tsara.+
15 Miresaha foana momba an’ireo zavatra ireo, ka aza mitsahatra mandrisika* sy mananatra, satria ianao efa nomena fahefana feno hanao an’izany.+ Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
Fanamarihana
^ Na: “marina; tsara.”
^ Na: “hampiofana.”
^ Na: “hahafahany hanampy ny vehivavy tanora hahatsapa tena ka.”
^ Na mety hoe “Mampianara amim-pahatsorana.”
^ Na: “marina; tsara.”
^ Abt: “ho vidim-panavotana ho; hanavotra.”
^ Na: “mampahery.”