Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Andaminako Fotoana?

Ahoana no Andaminako Fotoana?

Toko 21

Ahoana no Andaminako Fotoana?

Tianao hiampy adiny firy ny andro tsirairay? ․․․․․

Hanaovanao inona ilay izy?

□ Hiarahana amin’ny namana

□ Hatoriana

□ Hianarana

□ Hafa ․․․․․

HAHAFINARITRA anao ny mitaingin-tsoavaly raha hainao ny mibaiko azy. Toy izany koa fa handray soa ianao raha hainao ny mandamina ny fotoananao. Tsy dia hiferinaina ianao, hatoky anao kokoa ny ray aman-dreninao, ary hahazo naoty tsara kokoa ianao. Mety hilaza anefa ianao hoe: “Sarotra ange ilay mandamina fotoana e!” Marina tokoa izany, saingy misy ny vahaolana. Ireto misy vitsivitsy:

1. Soraty izay tokony hataonao isan’andro

Sarotra aminao ve izany? Kivy angamba ianao vao mieritreritra hoe tsy maintsy soratana mialoha izay hataonao! Aleonao ny fiainanao mandeha amin’izao fotsiny.

Nahoana anefa ilay izy no tokony hatao? Be atao i Solomona, satria mpanjaka izy sady nanambady aman-janaka. Nitombo ny andraikiny tatỳ aoriana. Hitany àry hoe “ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha.” (Ohabolana 21:5) Be atao koa angamba ianao. Vao mainka hiampy anefa izany any aoriana any. Mahaiza àry mandamina fotoana dieny izao!

Ny hevitry ny tanora toa anao. “Alamiko mialoha foana izay tokony hataoko, efa enim-bolana eo ho eo izao. Dia lasa nandeha tsara ny fiainako!”—Jao.

‘Rehefa betsaka noho ny isan’andro ny zavatra mila ataoko, dia ataonay sy mamanay lisitra ilay izy. Mifanampy izahay avy eo, amin’izay mba vita daholo izy rehetra.’—Mialy.

Inona no hanampy anao? Andeha hatao hoe hanao dia lavitra ianao. Tsy ho antonona ny valizy raha asisikao ao fotsiny ny entanao. Ny entana lehibe aloha no tokony hampidirinao. Ho hitanao avy eo ny hasiana an’izay kely kokoa.

Toy izany koa fa tsy hanam-potoana hanaovana izay zava-dehibe ianao, raha lany fotoana amin-javatra madinika. Izay zava-dehibe aloha atao, dia hanam-potoana hanaovana zavatra hafa ianao!—Filipianina 1:10.

Inona avy ny zavatra tena tokony hataonao?

․․․․․

Asio 1 eo amin’izay tokony hataonao voalohany. Asio 2 eo amin’izay hataonao aorian’izay, ary toy izany hatrany. Vitao izy rehetra avy eo, dia ho hitanao tokoa fa mbola hanam-potoana hanaovana zavatra hafa ianao.

Andramo izao: Makà taratasy ary manaova tabilao misy andro sy ora, dia soraty eo izay zavatra lehibe tokony hataonao isan’andro. Azonao ampiasaina koa ireto:

□ Karine

□ Kalandrie

□ Finday

□ Ordinatera

2. Ataovy izay nosoratanao

Sarotra aminao ve izany? Vizana avy nianatra angamba ianao, dia nijery tele. Saika hijery vetivety ianao, nefa tavela teo. Na koa nisy nanasa anao hijery filma, nefa ianao tokony hiana-desona satria fanadinana ny ampitso. Mieritreritra ianao hoe: ‘Filma vao nivoaka io fa aleo hararaotina, dia amin’ny alina aho mianatra. Sady izaho tsy mifantoka raha tsy efa akaiky kely ny fanadinana!’

Nahoana anefa ilay izy no tokony hatao? Mety ho ratsy ny naotinao, raha efa reraka be ianao vao miana-desona. Sady tsy efa be dia be ve ny zavatra enjehinao e? Koa nahoana no mbola hiari-tory indray, nefa fanadinana ny ampitso? Dia hanao ahoana ianao ny maraina? Mety hiferinaina be ianao, na hikoropaka na ho tara mihitsy satria natory maraina.—Ohabolana 6:10, 11.

Ny hevitry ny tanora toa anao. ‘Tia mijery tele aho, mitendry gitara, na miaraka amin’ny ankizy. Ny mahasosotra fotsiny... lasa hadinoko ny zavatra tsy maintsy ataoko, dia manenjikenjika be aho avy eo.’—Misa.

Inona no hanampy anao? Samy soraty na ny zavatra tokony hataonao na ny zavatra mahafinaritra anao. Hoy i Misa: “Mazoto mamita an’izay tokony hataoko aho, rehefa fantatro hoe hanao zavatra mahafinaritra aho avy eo.” Tsara koa ny manana tanjona lehibe iray, ary mitady tanjona kely kokoa, mba hanatratrarana an’ilay izy.

Andramo izao: Mitadiava tanjona iray na roa mety ho tratranao afaka enim-bolana, dia soraty eto.

․․․․․

Inona kosa no tanjona mety ho tratranao afaka roa taona, ary inona no efa azonao atao mba ho tratranao ilay izy? *

․․․․․

3. Miezaha ho madio sy milamina

Sarotra aminao ve izany? Hoy angamba ianao: ‘Tsy hitako izay ifandraisan’ny fotoana amin’ny hoe madio sy milamina! Sady mandreraka ilay mampirin-trano. Azo atao rahampitso izany! Tsy olana koa ange na avela eo fotsiny aza ilay izy e!’

Nahoana anefa ilay izy no tokony hatao? Raha milamina ny entanao, dia tsy ho lany fotoana hitady zavatra ianao, sady hilamina ny sainao.—1 Korintianina 14:40.

Ny hevitry ny tanora toa anao. “Miparitadritaka eny ny akanjoko indraindray, dia lasa tsy hitako izay tadiaviko.”—Meva.

“Efa tsy hita herinandro ny fitoeram-bolako. Sorena be aho tamin’izay. Nandamina ny entako aho vao hitako ilay izy.”—Faly.

Inona no hanampy anao? Aza avela hikorontana be ny entanao! Avereno amin’ny toerany foana ny zavatra avy nampiasaina.

Andramo izao: Diovy sy ampirimo tsara foana ny entanao, dia hahafinaritra kokoa ny fiainanao.

Mitovy ihany ny fotoana anananao sy ny namanao ary ny ray aman-dreninao, isan’andro. Handray soa ianao raha mahay mandamina fotoana. Ho voa mafy kosa ianao raha mandanilany azy io. Miankina aminao ihany àry ilay izy!

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Mipetraka any an-tany hafa ve ianareo ka miferinaina ianao, na any am-pianarana na ao an-trano?

[Fanamarihana ambany pejy]

ANDININ-TENY MAHASOA

‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.

SOSO-KEVITRA

Ampiharo tsikelikely ny torohevitra ato amin’ity toko ity. Iray fotsiny aloha andramana, ato anatin’ny iray volana. Rehefa vitanao tsara ilay izy, dia manandrama iray hafa.

FANTATRAO VE... ?

Hiferinaina ianao raha be loatra ny zavatra tianao hovitaina ao anatin’ny iray andro. Jereo àry izay tokony hatao sy izay azo ajanona.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Tsy handany fotoana be amin’ny intsony aho. ․․․․․

Hanam-potoana kokoa aho amin’izay, ka ho afaka ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Inona no soa horaisinao rehefa lehibe, raha mianatra mandamina ny fotoananao ianao dieny izao?

● Mahay mandamina fotoana ve ny ray aman-dreninao? Inona avy, ohatra, no ataony ka azonao ianarana?

● Raha efa nandamina ny fotoananao ianao taloha, inona no mila amboarina mba ho arakao tsara ilay izy?

[Teny notsongaina, pejy 154]

‘‘Nisy olona henoko nivazivazy hoe: ‘Raha te hanao fotoana amin’i Rado amin’ny efatra ianao, dia asaivo tonga amin’ny telo izy.’ Teo aho vao tonga saina hoe mila alamiko tsara ny fotoanako!’’—Rado

[Efajoro, pejy 155]

lanilany fotsiny ve ny fotoanako?

Ora lanin’ny tanora (8-18 taona) isan-kerinandro

17

hiarahana amin’ny ray aman-dreny:

30

any am-pianarana:

44

hijerena tele, hanaovana lalao video, handefasana hafatra, ary hihainoana hira:

Atambaro ny ora laninao isan-kerinandro amin’ny

tele ․․․․․

lalao video ․․․․․

Internet ․․․․․

hira ․․․․․

Tontaliny ․․․․․

Adiny firy amin’io no azonao ampiasaina hanaovana zavatra lehibe kokoa? ․․․․․

[Sary, pejy 153]

Azo oharina amin’ny soavaly ny fotoana. Mila hainao ny mifehy azy