Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA FANAMPINY

Inona no Atao hoe Sheola sy Hadesy?

Inona no Atao hoe Sheola sy Hadesy?

TAMIN’NY fiteny nanoratana ny Baiboly voalohany, dia hita tao im-70 mahery ilay teny hebreo hoe sheôl, sy ilay teny grika hoe haides izay mitovy hevitra aminy. Samy mifandray amin’ny fahafatesana ireo teny ireo. Adika hoe “fiainan-tsi-hita” na “fasana” izy ireo, ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany. Hijery andinin-teny vitsivitsy isika, mba hahitantsika izany.

Hoy ny Mpitoriteny 9:10: “Tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana [“sheôl, fanamarihana ambany pejy], izay toerana halehanao.” Midika ve izany fa fasana anankiray nandevenana ny havantsika ilay hoe sheôl? Tsia, satria teny hebreo sy grika hafa no ilazana an’ireny toerana fandevenana ireny ao amin’ny Baiboly, fa tsy sheôl na haides. (Genesisy 23:7-9; Matio 28:1) Tsy mampiasa an’ilay teny hoe sheôl koa ny Baiboly rehefa milaza ny fasana ilevenan’ny olona maromaro na fasan-drazana.—Genesisy 49:30, 31.

Inona àry ny dikan’ny hoe sheôl? Misy heviny lalina kokoa ilay hoe sheôl, na haides, ao amin’ny Baiboly, fa tsy fasana ilevenan’ny olona maromaro. Milaza, ohatra, ny Isaia 5:14 fa “nohalalahin’ny Fasana [sheôl na haides] ny toerany, ary nataony mitanatana izaitsizy ny vavany.” Hoatran’ny tsy mety voky mihitsy ny Fasana na sheôl, na dia efa be dia be aza ny maty nateliny. (Ohabolana 30:15, 16) Voafetra ny isan’ny maty azo alevina ao amin’ny toeram-pandevenana anankiray, fa ‘tsy mety voky kosa ny Fasana [sheôl].’ (Ohabolana 27:20) Tsy mety feno àry izy io, ary tsy misy fetrany. Tsy toerana ara-bakiteny àry ny sheôl na haides, fa toerana an’ohatra misy ny ankamaroan’ny olona matory ao amin’ny fahafatesana.

Vao mainka ho azontsika ny dikan’ny hoe sheôl sy haides, rehefa mandinika an’izay lazain’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty isika. Asehon’ny Baiboly fa mbola hatsangana amin’ny maty ny olona ao amin’ny sheôl sy haides. * (Joba 14:13; Asan’ny Apostoly 2:31; Apokalypsy 20:13) Hita ao koa fa tsy izay nanompo an’i Jehovah ihany no ao amin’ny sheôl, na haides, fa ny olona maro tsy nanompo azy koa. (Genesisy 37:35; Salamo 55:15) Milaza ny Baiboly fa “hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—Asan’ny Apostoly 24:15.

^ feh. 4 “Any amin’ny Gehena” kosa no misy an’ireo maty izay tsy hatsangana, fa tsy ao amin’ny sheôl, na haides. (Matio 5:30; 10:28; 23:33) Toy ny sheôl sy haides, dia tsy toerana ara-bakiteny ny Gehena.