Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanokanan-tena

Fanokanan-tena

Inona ny antony tsara mahatonga antsika hanokan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra?

Raha te hanompo an’Andriamanitra isika, dia ahoana no tokony hiheverantsika ny Baiboly?

Inona no nataon’Andriamanitra mba hanafahana antsika amin’ny ota? Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny handray soa avy amin’izany?

Inona no dikan’ny hoe mibebaka noho ny zavatra ratsy nataontsika taloha?

As 3:19; 26:20

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Lk 19:1-10​—Nanambaka olona i Zakaiosy, lehiben’ny mpamory hetra, nefa nibebaka ka namerina ny vola nalainy an-keriny

    • 1Ti 1:12-16​—Nohazavain’ny apostoly Paoly hoe mpanota be izy taloha, fa nialany izany dia voavela ny helony satria namindra fo taminy Andriamanitra sy Kristy

Tsy ampy ny hoe tsy manao ratsy intsony, fa inona koa no mbola tokony hatao?

Inona avy ny fitsipika momba ny fitondran-tena tokony harahintsika raha tiantsika hankasitrahan’Andriamanitra ny fanompoantsika?

1Ko 6:9-11; Kl 3:5-9; 1Pe 1:14, 15; 4:3, 4

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Ko 5:1-13​—Nasain’ny apostoly Paoly noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana tany Korinto ny lehilahy iray tena naloto fitondran-tena

    • 2Ti 2:16-19​—Nampitandreman’ny apostoly Paoly i Timoty mba tsy hihaino ny tenin’ny mpivadi-pinoana, izay nitatra hoatran’ny fery mandoaka

Nahoana isika no tsy tokony hanohana ny fitondran’olombelona?

Is 2:3, 4; Jn 15:19

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Jn 6:10-15​—Rehefa avy nanao fahagagana i Jesosy ka nanome sakafo olona be dia be, dia nitady hanao azy ho mpanjaka ry zareo. Niala teo anefa i Jesosy

    • Jn 18:33-36​—Nohazavain’i Jesosy fa tsy midikiditra amin’ny raharaha politikan’izao tontolo izao ny Fanjakany

Ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra?

Jn 16:13; Ga 5:22, 23

Jereo koa ny As 20:28; Ef 5:18

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • As 15:28, 29​—Nitarika ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany ny fanahy masina rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe momba ny famorana ry zareo

Inona no tokony hataontsika raha te hanahaka ny fomba nanompoan’i Jesosy an’Andriamanitra isika?

Nahoana no mila atao batisa ny Kristianina efa nanokan-tena?

Mt 28:19, 20; As 2:40, 41; 8:12; 1Pe 3:21

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 3:13-17​—Tonga mba hanao ny sitrapon’ny Rainy i Jesosy, dia nasehony izany rehefa natao batisa izy

    • As 8:26-39​—Vonona hatao batisa ny manamboninahitra etiopianina iray, izay efa nanaraka ny Fivavahana Jiosy rehefa nahafantatra ny marina momba an’i Jesosy