FANONTANIANA 2
Maninona àry Aho no Miasa Saina Amin’ny Bikako?
AHOANA NO HATAONAO?
Hoy foana i Julia isaky ny mijery fitaratra: “Tena mila mihena aho fa matavy loatra.” Ny ray aman-dreniny sy ny namany anefa efa miteny foana hoe “mahia kely hoatran’ny tahon-kifafa” izy.
Nieritreritra mihitsy aza i Julia hoe: ‘Maninona moa aho raha tsy misakafo kely aloha ato ho ato e? Sitrany ahay mba mihena, na dia roa kilao fotsiny aza!’
Inona no ho nataonao raha ianao no Julia?
MIERITRERETA TSARA ALOHA!
Tsy diso ianao raha mba te ho tsara bika. Na ny Baiboly aza mitantara fa nisy lehilahy sy vehivavy tsara tarehy, taloha, ohatra hoe i Saraha, Rahely, Abigaila, Josefa, ary Davida. Lazainy ao koa fa “faran’izay tsara tarehy” ilay vehivavy atao hoe Abisaga.—1 Mpanjaka 1:4.
Be dia be anefa ny tanora miasa saina be loatra amin’ny bikany. Inona no maharatsy an’izany?
-
Hita tamin’ny fanadihadiana iray fa ny 58 isan-jaton’ny ankizivavy no milaza hoe matavy, nefa ny 17 isan-jaton’izy ireo ihany no tena matavy.
-
Hita tamin’ny fanadihadiana hafa koa fa ny 45 isan-jaton’ny vehivavy mahia kely, no mihevitra hoe matavy loatra!
-
Te hihena mafy ny tanora sasany, ka aleony tsy misakafo na zara raha mihinana. Lasa aretina anefa ilay izy amin’ny farany, satria lasa malain-komana lava izy. Mety hahafaty azy mihitsy izany!
NY BIKA VE NO TENA ZAVA-DEHIBE?
Arakaraka ny toetranao no itiavan’ny olona anao na tsia. Diniho, ohatra, i Absaloma zanak’i Davida Mpanjaka. Hoy ny Baiboly:
‘Tsy nisy lehilahy tsara tarehy tahaka an’i Absaloma, eny, tsy nisy lehilahy nodokafana fatratra toa azy. Tsy nisy tsininy izy.’—2 Samoela 14:25.
Tsy mahafinaritra mihitsy anefa ny zavatra tantarain’ny Baiboly momba an’io tovolahy io, na dia tsara bika aza izy. Hita ao hoe nanambony tena sy namitapitaka olona izy sady te halaza. Ratsy fanahy be sy tsy mena-mivadika koa izy ary mpamono olona.
Tsy mahagaga raha miteny ny Baiboly hoe:
“Tafio ny toetra vaovao.”—Kolosianina 3:10.
‘Aoka ny haingonareo tsy ho zavatra ivelany, fa aoka kosa ho ilay toetra miafina ao am-po.’—1 Petera 3:3, 4.
Tsy ratsy ny te ho tsara bika. Ny toetranao anefa no tena zava-dehibe noho ny bikanao. Raha tsara toetra mantsy ianao vao tena ho tian’ny olona, fa tsy hoe rehefa bôgôsy na tsara bika. Hoy ilay ankizivavy atao hoe Phylicia: “Mety hoe taitra kely ny olona rehefa mahita hoe manja ianao. Ny toetra tsaranao anefa no tena ho tadidiny aminao.”
DINIHO ANGE NY BIKANAO E!
Kivy ve ianao matetika, rehefa mijery ny bikanao na ny tarehinao?
Misy ankizy zara raha misakafo na mampiasa fitaovana lafo be mba hanatsarana ny bikany na ny tarehiny. Efa nieritreritra ny hanao an’izany koa ve ianao?
Inona amin’ireto no hovanao, raha azonao atao? (Asio boribory izay izy.)
-
HALAVANA
-
LANJA
-
VOLO
-
BIKA
-
TAREHY
-
VOLON-KODITRA
Namaly hoe eny ve ianao tamin’ireo fanontaniana roa voalohany, ary telo na mihoatra no nasianao boribory tamin’ilay fanontaniana farany? Aza kivy raha izany. Mety ho tsy dia ratsy araka ny eritreretinao mantsy no fahitan’ny olona anao, fa ianao fotsiny no manahy be loatra.—1 Samoela 16:7.