Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

14-20 Aprily

OHABOLANA 9

14-20 Aprily

Hira 56 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Miezaha ho Hendry fa Tsy ho Mpanesoeso

(10 min.)

Tsy manaiky ny torohevitra omena azy ny mpanesoeso, fa tezitra amin’ilay olona manoro hevitra azy am-pitiavana (Oh 9:7, 8a; w22.02 9 § 4)

Mankasitraka ny torohevitra azony sy ilay nanome an’izany ny hendry (Oh 9:8b, 9; w22.02 12 § 12-14; w01 15/5 30 § 1-2)

Handray soa ny hendry, fa hijaly kosa ny mpanesoeso (Oh 9:12; w01 15/5 30 § 5)

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Oh 9:17: Inona ilay “rano nangalarina”, ary nahoana ilay izy no “mamy”? (w06 15/9 17 § 5)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

(4 min.) Oh 9:1-18 (th lesona 5)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) ISAN-TRANO. Nanatrika Fahatsiarovana ilay olona. (lmd lesona 8, hevitra 3)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) AMPAHIBEMASO. Nanampy an’ilay olona hahita ny toerana hankalazana ny Fahatsiarovana akaiky azy ianao. Tafaresaka indray ianareo izao. (lmd lesona 7, hevitra 4)

6. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Nanampy ny havanao anankiray hahita ny toerana hankalazana ny Fahatsiarovana akaiky azy ianao. Tafaresaka indray ianareo izao. (lmd lesona 8, hevitra 4)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 84

7. Ambony Noho ny Hafa ve Ianao Matoa Mahazo Tombontsoam-panompoana?

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Alefaso ilay VIDEO, dia iaraho midinika ireto avy eo:

  • Inona no atao hoe “tombontsoam-panompoana”?

  • Raha manana tombontsoam-panompoana ny olona iray ao amin’ny fiangonana, dia ahoana no tokony ho fahitany ny tenany?

  • Nahoana ny tombontsoa manompo ny hafa no zava-dehibe noho ny andraikitra eo anivon’ny fiangonana?

8. Fianarana Baiboly

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 20 sy Vavaka