17-23 Martsa
OHABOLANA 5
Hira 122 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Halaviro ny Fitondran-tena Ratsy
(10 min.)
Hoatran’ny hoe manintona ny fitondran-tena ratsy (Oh 5:3; w00 15/7 29 § 1)
Misy vokany mangidy ny fitondran-tena ratsy (Oh 5:4, 5; w00 15/7 29 § 2)
Halaviro ny fitondran-tena ratsy (Oh 5:8; w00 15/7 29 § 5)
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
-
Oh 5:9: Nahoana no hoe “homenao olona ny hajanao” raha ratsy fitondran-tena ianao? (w00 15/7 29 § 7)
-
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Baiboly
(4 min.) Oh 5:1-23 (th lesona 5)
4. Miresadresaha Aloha
(3 min.) AMPAHIBEMASO. Asao hanatrika Fahatsiarovana ny olona iray tsy Kristianina, dia ampiasao ny jw.org mba hanoroana azy ny toerana hanaovana an’izany akaiky azy indrindra. (lmd lesona 6, hevitra 4)
5. Rehefa Miverina Mitsidika
(4 min.) ISAN-TRANO. Liana ilay olona tamin’ny nitoriana farany, dia nandray fanasana Fahatsiarovana. (lmd lesona 9, hevitra 5)
6. Rehefa Mampianatra
(5 min.) lff lesona 16, famintinana sy famerenana ary tanjona. Manontany ilay mpianatra hoe nanambady ve i Jesosy, dia asehoy azy ny fomba fikarohana ny valin’izany. (lmd lesona 11, hevitra 4)
Hira 121
7. Mitandrema mba Tsy ho Ratsy Fitondran-tena Mihitsy Rehefa Mampiaraka
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Amin’ny ankapobeny, dia atao hoe mampiaraka ‘ny olon-droa raha mifampiresaka na miara-manao zavatra na inona izany na inona, mba hampisehoana hoe manana fihetseham-po amin’ny andaniny ny ankilany.’ Mampiaraka no iantsoana an’izany, na irery ry zareo na miaraka amin’olon-kafa, na misy mahafantatra ilay fiarahana na tsia, na mivantana na amin’ny telefaonina na ao amin’ny tambazotran-tserasera. Tsy kilalao ny mampiaraka. Ny olona efa mieritreritra ny hanambady kosa no manao an’izany. Inona àry no mila tandreman’izay mampiaraka, na tanora izy na olon-dehibe, mba tsy ho ratsy fitondran-tena mihitsy ry zareo?—Oh 22:3.
Alefaso ilay VIDEO hoe Fiomanana ho Amin’ny Fanambadiana: Fizarana 1: Vonona ny Hampiaraka ve Aho?: Ampahany. Iaraho midinika ireto avy eo:
-
Nahoana ny olona iray no tsy tokony hanomboka hampiaraka raha tsy efa vonona ho amin’ny fanambadiana? (Oh 13:12; Lk 14:28-30)
-
Inona no tianao tamin’ny fomba nanampian’ilay ray aman-dreny ny zanany vavy?
Vakio ny Ohabolana 28:26. Iaraho midinika ireto avy eo:
-
Ahoana no azon’ny olon-droa mampiaraka iomanana mialoha mba tsy ho irery ry zareo ka hatahorana ho resin’ny fakam-panahy?
-
Nahoana no hendry ny mpifankatia raha miresaka mazava tsara mialoha hoe inona no hataon-dry zareo sy tsy hataony rehefa mifaneho fitiavana, ohatra hoe mifampitantana sy mifanoroka?
Vakio ny Efesianina 5:3, 4. Iaraho midinika ity avy eo:
-
Inona no tokony hotadidin’ny mpifankatia rehefa mifampiresaka amin’ny telefaonina na tambazotran-tserasera?