Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mamonjy Aina Tokoa iny Video Iny!”

“Mamonjy Aina Tokoa iny Video Iny!”

“Mamonjy Aina Tokoa iny Video Iny!”

NAMOAKA ilay video hoe Manontany ny TanoraAhoana no Hahazoako Tena Namana? ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1999. Natao indrindra ho an’ny tanora ilay izy, ary efa voadika amin’ny fiteny 30 mahery izao. Hoy ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana iray any Ukraine: “Nisy heriny teo aminay rehetra iny video iny! Nisy nijery azy iny indimy, ny sasany aza impito mihitsy! Tian’ny tanora maro ny niresaka ireo hevitra misongadina ao amin’ilay video. Maromaro mihitsy no latsa-dranomaso. Tsapanay rehetra fa tia sy tena miahy ny tanora i Jehovah. Takatro kokoa izao ny zavatra ilain’ny tanora, ary te hanampy azy ireo bebe kokoa aho. Te hinamana kokoa amin’izy ireo aho.”

Nampihetsi-po tanora maro eran-tany ilay video. Nilaza toy izao, ohatra, i Leticia, ankizivavy 17 taona avy any Orogoay (sary eo ankavia): “Tsy ilay fanazavana fotsiny no nampihetsi-po ahy, fa ny fahatsapako hoe miahy anay tanora i Jehovah sy ny fandaminany. Tsy hitako izay teny hilazana ny fankasitrahako an’iny video tsara dia tsara iny. Raha tsorina dia hoe: Misaotra betsaka!”

Namerimberina nijery an’ilay video ny Vavolombelona iray efa lehibe, any Etazonia. Nampiasainy izy io mba hanampiana tovovavy iray mody hendry, nefa naditra ambadika. Hoy izy: “Nisotro toaka sy niaraka tamin’ny naman-dratsy i Annette. * Efa nanandrana nifoka rongony mihitsy aza izy. Nisy heriny lehibe taminy anefa ilay video. Vetivety izy dia tsy niaraka tamin’ireo naman-dratsiny intsony, ary niala tamin’ireo fanao ratsy. Natao batisa izy enim-bolana tatỳ aoriana. Tena mamonjy aina tokoa iny video iny!”

▪ Namoaka video hafa ho an’ny tanora ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2004. Izao no lohatenin’izy io: Manontany ny Tanora—Inona no Hataoko eo Amin’ny Fiainana? (anglisy) Manantena izahay fa handrisika tanora maro io video (DVD) io, mba hanao ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra ho loha laharana eo amin’ny fiainany.—Matio 6:33.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Novana ny anarana.