Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nianatra Nitoky Tamin’Andriamanitra Aho

Nianatra Nitoky Tamin’Andriamanitra Aho

Nianatra Nitoky Tamin’Andriamanitra Aho

NOTANTARAIN’I ELLA TOOM

NIPETRAKA tany akaikin’ny tanàna kelin’i Otepää, any amin’ny faritra atsimon’i Estonia, ny fianakavianay. Tokotokony ho 60 kilaometatra avy eo amin’ny sisin-tany mampisaraka an’i Estonia sy Rosia izy io. Volana Oktobra 1944 tamin’izay, ary vao nahavita fianarana teny amin’ny lise aho. Nadiva hifarana koa ny Ady Lehibe II, ary namakivaky an’i Estonia ny tafika rosianina nandroaka ny Alemà. Niafina tany an’ala niaraka tamin’ny biby fiompinay àry izahay sy ny mpiray tanàna taminay, ary 20 teo ho eo izahay.

Nisy zera baomba foana teny akaikinay nandritra ny roa volana, ka toy ny tany an’ady mihitsy izahay. Matetika izahay no niara-nipetrapetraka, ary namaky Baiboly aho tamin’izay. Sambany aho no namaky Baiboly, ary ny Fitomaniana no tena novakiko. Nankeny an-tampon-kavoana aho indray andro, ary nandohalika ka nivavaka sy nivoady tamin’Andriamanitra hoe: “Hiangona isak’alahady aho, rehefa mifarana ny ady.”

Tsy ela dia nikisaka niankandrefana ilay ady. Nifarana tany Eoropa ny Ady Lehibe II rehefa nitolo-batana i Alemaina, tamin’ny Mey 1945. Nefaiko àry ilay voadiko, ka niangona isan-kerinandro aho. Vaviantitra vitsivitsy monja anefa no mba mpiangona, ka menatra olona aho. Rehefa nisy vahiny tonga tampoka aza tao an-tranonay, dia nafeniko tany ambany latabatra ny Baiboliko.

Lasa mpampianatra tao amin’ny sekoly iray teto an-toerana aho, taoriana kelin’izay. Ny Kominista no nitondra tamin’izany, ka maro ny olona tsy nino an’Andriamanitra. Tsy nety niditra tamin’ny Antoko Kominista anefa aho. Revo tamin’ny raharaha maro teo amin’ny fiaraha-monina kosa aho, anisan’izany ny fampianarana vako-drazana ny ankizy.

Ny nihaonako tamin’ny Vavolombelona

Nila akanjo hanaovana fampisehoana ireo ankizy, ka nankany amin’i Emilie Sannamees, mpanjaitra mahay, aho, tamin’ny Aprily 1945. Tsy fantatro fa Vavolombelon’i Jehovah izy. Nanontany izy hoe: “Ahoana no fahitanao ny zava-misy eo amin’izao tontolo izao?” Nisy kaonferansa momba ny fandriampahalemana natao tany San Francisco, any Etazonia tamin’izay, ka namaly aho hoe: “Hiongana tsy ho ela io governemanta io, ary inoako fa ny hahatanteraka izany no anton’io kaonferansa io.”

Nilaza i Emilie fa tsy hitondra soa maharitra ilay kaonferansa, ary nikasa hampiseho tamiko ny anton’izany avy ao amin’ny Baiboly izy. Tsara fanahy tokoa io ramatoa efa zokinjokiny io, nefa mbola tsy te hihaino azy aho tamin’izay. Nanontaniany àry aho talohan’ny handehanako hoe: “Fantatrao ve hoe taiza no tian’Andriamanitra hipetrahan’i Adama sy Eva?” Tsy voavaliko ilay izy, ka nilaza fotsiny izy hoe: “Anontanio ny dadanao.”

Nanontany an’i Dada aho rehefa tafody. Tsy nahay koa anefa izy, ary nilaza fa tsy tokony hiasa saina amin’ny fianarana Baiboly isika, fa mila mino fotsiny. Rehefa niverina naka an’ireo akanjo tany amin’i Emilie aho, dia nilaza taminy fa tsy hain’i Dada ny valin’ilay fanontaniany. Naka Baiboly àry izy sy ny rahavaviny, ary novakiny tamiko ny didin’Andriamanitra ho an’i Adama sy Eva. Voalaza tao fa nasain’Andriamanitra nikarakara an’ilay zaridaina nonenany izy ireo, sady niriny ho sambatra sy hiaina mandrakizay tao. Nasehony ahy tao amin’ny Baiboly koa fa nirin’Andriamanitra hiteraka izy mivady, ary hanova ny tany manontolo ho Paradisa. Tena nahaliana ahy ireo porofo avy ao amin’ny Soratra Masina ireo!—Genesisy 1:28; 2:8, 9, 15; Salamo 37:29; Isaia 45:18; Apokalypsy 21:3, 4.

Ny fivoriana voalohany natrehiko

Nankany Tartu nandritra ny telo volana aho mba hanatrika fiofanana ho an’ny mpampianatra. Nomen’i Emilie adiresina Vavolombelona tany aho, sady nomeny ny boky Famoronana. Voazavan’izy io tsara ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly, ary niaiky volana aho ka nandeha nitady an’ilay adiresy, tamin’ny 4 Aogositra 1945.

Nandondòna tao amin’ilay trano aho fa tsy nisy namaly. Nandondòna mafy indray aho ka olona teo akaiky no nivoaka, ary nanome ahy adiresy hafa: 56 Salme Street. Nahita vehivavy namaofy ovy aho rehefa tonga tao amin’io trano io. Nanontaniako izy hoe: “Misy fotoam-pivavahana ve ato?” Tezitra izy ka nandroaka ahy, sady nilaza fa tsy mahazo miditra aho. Nisisika hiditra ihany anefa aho, ka navelany hiakatra tao ambony rihana, ary afaka nanatrika fianarana Baiboly niaraka tamin’ireo olona maromaro tao. Niomana hisakafo antoandro izy ireo taoriana kelin’izay, ka saika handeha aho, nefa nisy nanasa hijanona.

Nijerijery ny rehetra aho nandritra ilay fiatoana, ka nahita tovolahy roa nahia kely sady hatsatra, nipetraka teo akaikin’ny varavarankely. Nilazana aho tatỳ aoriana, fa niafina herintaona mahery tany amin’ny toerana samihafa izy ireo nandritra ny ady, mba tsy ho voasambotra. * Reko nanonona ny teny hoe “Hara-magedona” i Friedrich Altpere, tamin’ny lahateny iray nataony ny tolakandron’iny. Vaovao tamiko io teny io, ka nanontany azy momba izany aho taorian’ilay lahateny, ary nasehony ahy tao amin’ny Baiboly ilay izy. (Apokalypsy 16:16) Gaga aho tamin’izay, nefa izy aza no tena gaga, rehefa fantany fa sambany aho vao nahare io teny io.

Izay Vavolombelona efa fantatra tsara sy azo nitokisana ihany mantsy no nahazo nanatrika ilay fivoriana. Fantatro tatỳ aoriana fa io no fivoriana voalohany nataon’izy ireo taorian’ny ady! Takatro tsara nanomboka teo, fa ilaina ny mitoky amin’Andriamanitra. (Ohabolana 3:5, 6) Natao batisa aho herintaona taorian’izay, ho porofon’ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Tamin’ny Aogositra 1946 izany, ary 20 taona aho tamin’izay.

Nanohitra ny fianakaviako

Nasain’ny fitondram-panjakana nampianarina tsy hino an’Andriamanitra ny ankizy tany an-tsekoly. Tsy neken’ny feon’ny fieritreretako voaofan’ny Baiboly anefa izany, ka te hiova asa aho. Romotra i Neny rehefa nilazako izany, ka nodarohany aho ary nongotany ny voloko. Nanapa-kevitra àry aho fa hiala tao an-trano. Nampirisika ahy handefitra anefa i Dada, ary nilaza fa hanampy ahy.

Nanohitra ahy koa i Ants anadahiko. Nangataka boky ara-baiboly tamiko anefa izy indray mandeha. Novakiny ireo ary tena tiany. Vao mainka tezitra i Neny. Efa nanomboka niresaka momba an’Andriamanitra mihitsy aza i Ants tany am-pianarana, saingy tsy nifanerasera tamin’ny Vavolombelona intsony izy rehefa nisy nanenjika. Taoriana kelin’izay, dia naratra be ny lohany tamin’izy nitsoraka hilomano. Lasa nalemy izy, nefa mbola niasa tsara ny sainy. Hoy izy teo ambony filanjana marary: “Hamela ny heloko ve i Jehovah?” “Eny”, hoy aho. Maty i Ants andro vitsivitsy taorian’izay, nefa vao 17 taona monja.

Niala tsy ho mpampianatra aho, tamin’ny Septambra 1947. Mbola nanohitra be ihany i Neny. Natsipiny teny an-tokotany ny akanjoko rehetra indray andro, ka niala tao an-trano aho, ary lasa nipetraka tany amin-dry Sannamees. Nampahery ahy ny fampahatsiahivan’izy ireo hoe tsy hahafoy ny mpanompony mihitsy i Jehovah.

Fitsapana teto Estonia taorian’ny ady

Nanjaitra ho an’ny fianakaviana mpamboly ry Sannamees, ary navelany hiara-miasa taminy aho. Matetika izahay no afaka niresaka ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ireny fianakaviana ireny. Tena nahafinaritra ahy izany, satria sady lasa nahay nanjaitra aho no nanjary za-draharaha kokoa tamin’ny fanompoana. Ankoatra ny fanjairana dia nampianatra matematika koa aho. Nanomboka nisambotra ny Vavolombelona anefa ny manam-pahefana, tamin’ny 1948.

Tonga hisambotra ahy tao amin-dry Sannamees izy ireo, ny volana Oktobra 1949. Sendra tsy tao anefa aho, fa niasa tany amin’ny toeram-pambolena iray. Nandeha nandositra tany amin’ny toeram-pambolen’ny Anadahy Hugo Susi aho, rehefa nahafantatra fa nisy nitady hisambotra ahy. Efa voasambotra anefa izy rehefa tonga tany aho. Nanasa ahy hipetraka tao aminy àry ny ramatoa iray efa nampanjaitra akanjo tany amiko. Nitety toeram-pambolena aho tatỳ aoriana, ka sady nanjaitra no nanohy ny fitoriana.

Nisy tovovavy Vavolombelona be zotom-po atao hoe Linda Mettig tany Tartu, ary zokiko kely foana izy. Tao aminy aho no tratran’ny KGB (Komitin’ny Fiarovam-panjakana Sovietika), tamin’ny fiandohan’ny ririnina. Nosamborin’izy ireo aho ary nalainy am-bavany. Noterena hiboridana aho, ary tany amiko daholo ny mason’ireo polisy tanora, ka nahatsiaro ho afa-baraka aho. Nivavaka tamin’i Jehovah anefa aho, ka nilamin-tsaina ary tony kokoa ny foko.

Natao tao amin’ny efitra tery kely aho avy eo, ka tsy afa-nitsotra akory. Rehefa nalaina am-bavany ihany aho vao afaka nivoaka tao. Hoy ireo polisy: “Tsy mangataka anao handa ny fisian’Andriamanitra izahay, fa ajanòny fotsiny io fitorianao tsy misy dikany io! Afaka ny hanana hoavy tsara ange ianao e!” Nandrahona ahy izy ireo hoe: “Mbola te ho velona? Sa te ho faty any Siberia miaraka amin’ny Andriamanitrao?”

Naharitra telo andro ilay fakana am-bavany, ary tsy navela hatory mihitsy aho tamin’izay. Nanampy ahy hiaritra izany ny fisaintsainana ny toro lalan’ny Baiboly. Tamin’ny farany aho, dia nasain’ny mpanadinadina iray hanao sonia taratasy milaza fa tsy hitory intsony. Namaly aho hoe: “Efa nieritreritra lalina momba izany aho. Aleoko anefa mijanona atỳ am-ponja ary mifandray tsara amin’Andriamanitra, toy izay afahana nefa tsy hahazo sitraka aminy intsony.” Nivazavaza izy hoe: “Vehivavy tsisy saina! Ho voasambotra daholo ianareo, ary any Siberia no hiafaranareo!”

Nafahana tampoka

Gaga be aho fa nasaina nangorona entana sy nandeha, taloha kelin’ny misasakalina. Fantatro fa hanaraka ahy ry zareo, ka tsy nankany an-tranon’ny mpiara-manompo aho, mba tsy ho tratra izy ireo. Inona tokoa fa nisy telo lahy nanaraka ahy teny an-dalana. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba homeny tari-dalana, ka nivily tamin’ny lalana maizimaizina, ary nihazakazaka namonjy zaridaina iray. Nitsotra tamin’ny tany aho, ary norakofako ravinkazo ny tenako. Reko nikasaosaoka ny kiraron’izy telo lahy, ary hitako ny taratry ny jirony.

Ora maromaro no nijanonako tao, ka ngolin’ny hatsiaka aho. Nitsaitsaika nankeny amin’ny arabe aho avy eo, ary novimbiniko ny kiraroko mba tsy hipoapoaka tamin’ilay rarivato. Nivoaka ny tanàna aho, ary nandeha tao anaty tatatra teny an-tsisin’ny arabe. Nitsotra tamin’ny tany aho raha vao nisy fiara nanatona. Tonga tao an-tranon’i Jüri sy Meeta Toomel, teo akaikin’i Tartu, aho tamin’ny dimy maraina.

Nomanin’i Meeta avy hatrany ny efitra fanafanana amin’ny enton-drano, mba hanafanana ahy. Nankany Tartu izy ny ampitso, ary nitady an’i Linda Mettig. Nitaona ahy i Linda hoe: “Andao isika hanomboka hitory izao dia izao, ary hampiely ny vaovao tsara manerana an’i Estonia.” Novana aloha ny paoziko, ka namboarina ny voloko sady nanao makiazy kely sy solomaso aho, ary dia lasa izahay nitory. Nandeha bisikileta izahay ka tonga lavitra be, nandritra ireo volana nanaraka. Nampaherezinay ireo mpiray finoana nipetraka tany amin’ny toeram-pambolena nandalovanay.

Nikasa hanao fivoriambe ny Vavolombelona ny 24 Jolay 1950, ary saika hanao izany tao amin’ny fitoera-mololo lehibe an’ny mpianatra ny Baiboly iray, teo akaikin’i Otepää, izy ireo. Renay anefa fa fantatry ny KGB izany, ka lasa izahay nampitandrina ny ankamaroan’ny Vavolombelona, izay efa teny an-dalana. Natao tany an-toeran-kafa ilay fivoriambe ny ampitson’iny, ary 115 teo ho eo ny mpanatrika. Faly ny rehetra rehefa nody, ary vao mainka tapa-kevitra ny tsy hivadika na teo aza ny fitsapana. *

Nanohy ny fitoriana izahay sy Linda avy eo, ary nampahery an’ireo Kristianina namanay. Tonga ny fotoana fihadiana ovy tamin’ny faramparan’ny taona, ka niara-nihady ovy tamin’ny olona izahay, sady niresaka momba ilay Fanjakana tamin’izy ireo. Nijanona mihitsy ny tompon’ny toeram-pambolena iray, ary nihaino anay nandritra ny adiny iray. Nilaza izy hoe: “Tsy isan’andro aho no handre vaovao tsara toy izany!”

Niverina tany Tartu izahay sy Linda, ary renay fa nihamaro ny Vavolombelona nosamborina, anisan’izany ny maman’i Linda. Voasambotra koa ny ankamaroan’ny namanay, anisan’izany ry Sannamees. Renay fa nitady anay ny KGB, ka lasa nandeha bisikileta nankany ivelan’i Tartu izahay, ary tany no nanohy ny fitoriana. Tratran’ny KGB ihany anefa aho indray alina, tao an-tranon’i Alma Vardja, Vavolombelona vao vita batisa. Nijery ny pasipaoroko ny iray taminy, ka nihiaka hoe: “Ella marina! Taiza no tsy efa nitadiavanay anao?” Tamin’ny 27 Desambra 1950 izany!

Nogadraina ary nalefa tany Siberia

Tony dia tony izahay sy Alma nanangona entana vitsivitsy, ary nipetraka mba hisakafo avy eo. Gaga ny polisin’ny KGB, ka niteny hoe: “Tsy mitomany akory ve ianareo, fa dia mipetraka mba hihinan-kanina fotsiny?” Namaly izahay hoe: “Ho any amin’ny faritany vaovao anendrena anay izahay, ary tsy fantatray hoe rahoviana indray vao hisakafo.” Nitondra bodofotsy aho, ary nanamboarako ban-tongotra sy gàn-tanana ilay izy, tatỳ aoriana. Nigadra amam-bolana aho, ary avy eo nalefa sesitany niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa avy eto Estonia, tamin’ny Aogositra 1951. *

Nandeha lamasinina izahay nankany Leningrad (Saint-Pétersbourg), any Rosia. Nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona nalaza ratsy, tany Vorkouta (Komi), indray izahay, avy eo. Telo izahay no Vavolombelon’i Jehovah. Efa nahay teny rosianina tsara aho tamin’izay, satria nianatra teny rosianina tany am-pianarana, ary afaka nampiasa izany taorian’ny nisamborana ahy.

Nihaona tamin’ny tovovavy ukrainien iray izahay tany Vorkouta. Tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia, tany Polonina, izy no lasa Vavolombelona. Nalefan’ny Alemà tamin’ny sambo iray nokasainy halentika tany amin’ny Ranomasina Baltika izy sy ny Vavolombelona 14 hafa, tamin’ny 1945. Tody soa aman-tsara tany Danemark anefa ilay sambo. Tafaverina tany Rosia ilay tovovavy, nefa nosamborina sy nalefa tany amin’ny tobin’i Vorkouta indray, satria nitory. Tena nampahery anay izy tao.

Nisy vehivavy roa niteny ukrainien koa nanontany hoe: “Iza no Vavolombelon’i Jehovah eto?” Fantatray avy hatrany fa rahavavinay kristianina izy ireo! Nampahery sy nikarakara anay ry zareo. Nilaza ny mpigadra sasany fa toy ny efa nisy fianakaviana niandry ny hahatongavanay, tao amin’ny toby.

Nafindra tany amin’ny tobin’i Mordovie

Nahitana aretina tao amin’ny tendako, tamin’ny Desambra 1951, ka nafindra tany amin’ilay toby lehibe tany Mordovie aho. Any amin’ny 1 500 kilaometatra any atsimoandrefan’i Vorkouta izy io, ary 400 kilaometatra eo ho eo any atsimoatsinanan’i Moscou. Nigadra tany amin’ny tobin’ny vehivavy nandritra ny taona maromaro aho, ary nihaona tamin’ny Vavolombelona alemà, hongroà, poloney, ary ukrainien. Nihaona tamin’i Maimu koa aho. Gadra politika avy eto Estonia izy.

Tao amin’ny fonja teto Estonia izy no niteraka ny zanany vavy. Nisy mpiambina tsara fanahy nandefa ilay zaza tany amin’ny renin’i Maimu. Nampianarinay Baiboly i Maimu, tany amin’ny tobin’i Mordovie, ary nanaiky izay nianarany. Nanoratra ho an-dreniny izy, ary nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly koa izy io, ka nampianatra izany an’i Karin, zanak’i Maimu. Nafahana i Maimu enin-taona tatỳ aoriana, ary nihaona tamin-janany indray. Nanambady Vavolombelon’i Jehovah i Karin rehefa lehibe, ary efa 11 taona izao no nanompoan’izy mivady tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Tallinn, eto Estonia.

Nisy toby kely iray nambenana tsara tao anatin’ilay toby lehibe tany Mordovie. Natokan-toerana tao izahay sy ny Vavolombelona enina noho izahay nitory. Mbola nahavita nandika Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny taratasy kely ihany anefa izahay tao, ary nampiditra izany an-tsokosoko tany amin’ny toby teo akaikinay. Noloahanay ny savony, nasisikay tao anatiny ilay taratasy, ary notampenanay ilay izy avy eo.

Nanampy olona folo mahery ho tonga mpanompon’Andriamanitra aho, tao amin’ny tobin’i Mordovie. Farany, nilazana aho tamin’ny 4 Mey 1956 hoe: “Mahazo mandeha ianao, ary afaka mino an’i Jehovah Andriamanitrao.” Tafody teto Estonia aho tamin’io volana io.

Efa ho 50 taona izay no nodiako

Tsy nisy nananako na asa na vola na trano. Nihaona tamin’ny vehivavy iray liana tamin’ny Baiboly anefa aho, andro vitsivitsy taorian’ny nahatongavako. Navelany hiara-mipetraka kelikely tamin’izy mivady, tao amin’ilay efitra iray nisy azy ireo, aho. Nindram-bola hividianana ba hanamboarako akanjo ba aho, ary namidiko teny an-tsena izany. Nanao asa isan-karazany tao amin’ny Hopitaly Mitsabo Kansera tao Tartu aho, nandritra ny fito taona nanaraka. Efa tafaverina avy tany an-tsesitany tany Siberia koa i Lembit Toom tamin’izay, ary nivady izahay tamin’ny Novambra 1957.

Mbola voarara ny fitorianay, ka nanara-maso sy nanelingelina anay foana ny KGB. Nanohy ny fanompoanay araka izay azonay natao anefa izahay. Nitantara ny zavatra niainanay tamin’izany i Lembit, ao amin’ny Mifohaza! 8 Martsa 1999. Nody tsikelikely ireo Vavolombelona tany an-tsesitany, tamin’ny faramparan’ny taona 1950 ka hatramin’ireo taona 1970. Nisy 700 mahery ny Vavolombelona teto Estonia, tamin’ny faramparan’ny taona 1980. Nekena ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1991, ary nitombo foana ny isanay nanomboka teo, ka tafakatra ho 4 100 mahery!

Efa 60 taona mahery izay no nanatrehako an’ilay fivoriana niafina voalohany, nataon’ny Vavolombelona teto Estonia, taorian’ny Ady Lehibe II. Tapa-kevitra aho nanomboka teo, fa hanaraka ilay teny ao amin’ny Baiboly hoe: “Matokia an’i Jehovah hianao, ka manaova soa.” Tsapako fa nahazo ‘izay nirin’ny foko’ tokoa aho, rehefa nanao izany.—Salamo 37:3, 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 I Lembit Toom ny iray tamin’izy ireo. Ao amin’ny Mifohaza! 8 Martsa 1999 ny tantaram-piainany.

^ feh. 30 Misy tsipiriany momba io fivoriambe io ao amin’ny Mifohaza! 8 Martsa 1999, pejy 12-13.

^ feh. 34 Tany am-piandohan’ny Aprily 1951 anefa no nalefa sesitany ny ankamaroan’ny Vavolombelona tany Estonia. Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 22 Aprily 2001, pejy 6-8, sy ny video hoe Tsy Nivadika tao Anatin’ny Fitsapana—Vavolombelon’i Jehovah Tany Amin’ny Firaisana Sovietika (frantsay).

[Teny notsongaina, pejy 23]

“Andao isika hanomboka hitory izao dia izao, ary hampiely ny vaovao tsara manerana an’i Estonia.” —Linda Mettig

[Sary, pejy 24]

Miaraka amin’ny Vavolombelona sivy hafa, tao amin’ny tobin’i Mordovie

[Sary, pejy 24]

Izaho sy Lembit vadiko, ankehitriny