Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanomezana Iray Tena Nankasitrahana

Fanomezana Iray Tena Nankasitrahana

Fanomezana Iray Tena Nankasitrahana

Samy faly na ny olona manolotra fanomezana na ny olona omena, rehefa zavatra tena ilaina no natolotra sady tena nankasitrahana. Nahazo ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe ny mpiasam-panjakana ambony iray any Meksika. Tsy ela izay dia nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, mba hanehoana ny fankasitrahany. Izao no voalaza tao amin’ilay taratasy:

“Tena mahasoa ny fanazavana raketin’ilay boky. Marina fa boky faran’izay tranainy no iorenan’ilay fanazavana. Tsy lany andro anefa ireny fanazavana ireny, sady azo ampiharina amin’ny fiainantsika andavanandro.”

“Renim-pianakaviana aho, ka tsapako fa tokony hampianarintsika fitsipi-pitondran-tena ny zanatsika, mba hahafantarany izay tokony hataony. Izany no hanampy azy ireo ho tonga olon-dehibe matotra sy manaja olona ary manao ny marina. Tsy fahita firy ireo toetra ireo ankehitriny. Ambonin’ny zavatra rehetra dia tokony hampiantsika ireo zanatsika mba hino fa misy ny [Andriamanitra] Avo Indrindra, izay be fitiavana sy tsara fanahy. Matokia ianareo fa tena ilaiko ilay boky nomenareo ahy. Ilaiko izy io na eo amin’ny asako, na eo amin’ny andraikitra nankinin’ny Mpamorona amintsika ray aman-dreny, dia ny hanampy ny zanatsika hitombo ka ho lasa olon-dehibe tia ny mpiara-monina aminy.”

Niaiky io mpiasam-panjakana io fa sarobidy ireo lesona avy amin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy sy ny modely nomeny, izay hita ao amin’ilay boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Afaka mahazo iray amin’io boky misy pejy 256 io ianao. Ahitana sary tsara tarehy ao anatiny, ary mitovy habe amin’ity gazety ity. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ny tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.