Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Porofon’ny Fitiavan’Andriamanitra

Porofon’ny Fitiavan’Andriamanitra

Porofon’ny Fitiavan’Andriamanitra

TENA nanaitra ny olona ny zavakanto fito naorina taloha ela be, ka nantsoina hoe zava-mahatalanjona fito eran-tany. Efa rava anefa izy ireny, afa-tsy ireo piramidan’i Ejipta. Mbola misy hatramin’izao kosa ny Baiboly, na dia olon-tsotra aza no nanoratra azy, ary fitaovana mora simba no nanaovana azy. Izay nosoratan’izy ireo ihany no mbola hitantsika ankehitriny. Azontsika itokisana tanteraka io boky tsy manan-tsahala io.—Isaia 40:8; 2 Timoty 3:16, 17.

Nasain’i Jehovah Andriamanitra nosoratana ny teniny, satria mora manadino ny olona ka mety hiova ny heviny raha nampitaina am-bava fotsiny. Fomba fiteny tsotra koa no nampiasain’ireo mpanoratra Baiboly, ka mora azon’ny olona, na dia ireo tsy nianatra firy aza. (Asan’ny Apostoly 4:13) Tsy mahagaga izany satria ny Mpamorona no nampanoratra azy io. Manaporofo koa izany fa tena tian’Andriamanitra ny olona, na aiza na aiza misy azy, ary na inona na inona fiteniny. (1 Jaona 4:19) Manana Baiboly ny ankamaroan’ny olona eran-tany, nefa tsy mampihen-danja azy io izany, fa vao mainka mampiavaka azy!

Misy porofo maro hafa ao amin’ny Baiboly, ahitana fa tia antsika Andriamanitra. Hitantsika tamin’ny lahatsoratra teo aloha fa hazavain’izy io hoe ahoana no nampisy antsika, nahoana no fohy sy feno fahoriana ny fiainana, ary inona no vahaolana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nandinika torohevitra tena tsara koa isika, mba hananana fiainana mahasambatra sy mahafa-po dieny izao. (Salamo 19:7-11; Isaia 48:17, 18) Ambonin’izany rehetra izany, dia nianarantsika fa hanamasina ny anarany ny Mpamorona, satria nampiely lainga mba hanalana baraka azy i Satana.—Matio 6:9.

Boky tsy manan-tsahala tokoa ny Baiboly! Tena mahasoa sy azo ampiharina izy io, ary manome fanantenana maro ho an’ny olona mijaly. Tsy toa an’ireo zava-mahatalanjona fito eran-tany mihitsy izy io. Natao hanomezam-boninahitra andriamani-diso sy olo-malaza mantsy ny ankamaroan’izy ireny. Ny Baiboly kosa porofon’ny fitiavan’i Jehovah ny olombelona. Marina fa efa ela be izy io, nefa mbola misy hatramin’izao.

Raha mbola tsy mianatra ny Soratra Masina àry ianao, nahoana raha miezaka mandinika azy io? Olona enina tapitrisa mahery eran-tany no mianatra Baiboly maimaim-poana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Faly izy ireo manampy ny olona tso-po mba hahalala fa tena Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ary azo itokisana tanteraka.—1 Tesalonianina 2:13.