Tandindomin-doza ve ny Tany?
Tandindomin-doza ve ny Tany?
NY FIAKARAN’NY MARI-PANA no voalaza fa loza lehibe indrindra mandrahona ny olona. Milaza ny gazety Siansa (anglisy), fa ny mampanahy ny mpikaroka dia hoe “mety ho efa nanomboka nampisy fiovana miseho miandalana isika, nefa tsy ho voasakana intsony izany.” Misy anefa tsy mino izany. Maro no manaiky fa mihamafana ny tany, nefa tsy azony antoka ny antony sy ny mety ho vokany. Ekeny fa mety ho mahatonga an’ilay izy ny ataon’ny olona. Tsy voatery ho izay anefa, hono, no tena fototry ny olana. Inona no anton’io fomba fihevitra io?
Ny toetrandro mihitsy aloha no efa vokatry ny fisehoan-javatra maro mifampiankina, izay mbola tsy fantatry ny olona tsara. Samy hafa koa ny hevitry ny fikambanana mpiaro ny tontolo iainana momba ireo fanazavana ara-tsiansa. Anisan’izany ny tsipiriany mampiseho ny antony mampiakatra ny mari-pana.
Miakatra tokoa ve ny mari-pana?
“Tsy azo lavina” ny fiakaran’ny mari-pana, ary “azo inoana mihitsy” fa ny olona no tena fototr’ilay izy. Izany no tatitra vao haingana avy tamin’ny GIEC, fikambanana iraisam-pirenena mikaroka momba ny fiovan’ny toetrandro. Tsy miombon-kevitra amin’izany ny olona sasany, ary ny tena tsy ekeny dia ny filazana fa ny olona no tena tompon’andraikitra. Ekeny ihany fa miakatra ny mari-pana any an-tanàn-dehibe, noho ny fitaran’izy ireny. Maka ny hafanan’ny masoandro koa ny zavatra vita amin’ny simenitra sy vy, ary elaela vao mihamangatsiaka rehefa alina. Ny hafa indray milaza fa tsy toy ny any ambanivohitra ny mari-pana any an-tanàn-dehibe. Diso àry, hoy izy ireo, raha ny mari-pana alaina any an-tanàn-dehibe no lazaina fa mampiseho ny zava-misy eran-tany.
Tena miharihary anefa ny fiovana, araka ny tenin’i Clifford, zokiolona mipetraka any ambanivohitra, ao amin’ny nosy akaikin’i Alaska. Efa fanaon’ny mponina any ny mihaza serfa any Alaska. Miampita eo ambony ranomasina rakotra ranomandry izy rehefa mankany. Tsy afaka manao izany intsony izy ireo izao, noho ny fiakaran’ny mari-pana. Hoy i Clifford: “Miova na ny fikorianan’ny rano, na ny toetoetry ny ranomandry, na ny fotoana mampivaingana ny Ranomasina Tchoukotka.” Nilaza izy fa isaky ny faran’ny Oktobra ny ranomasina no nivaingana, nefa tsy mivaingana izy izao raha tsy efa hifarana ny Desambra.
Manaporofo ny fiakaran’ny mari-pana koa ny zava-nitranga tamin’ny 2007. Sambany tamin’izay vao afaka nanaraka ny morontsiraka avaratr’i Amerika Avaratra ny sambo, ka namakivaky ny ranomasina mampitohy ny Ranomasina Pasifika sy Atlantika. Tsy nisy nahavita tanteraka an’io dia io taloha, satria feno ranomandry ilay toerana. “Hita amin’ny zava-nitranga [tamin’ny 2007] fa lasa mihalava ny fotoana mampitsonika ny ranomandry.” Izany no nolazain’ny manam-pahaizana iray miasa ho an’ny Foibem-pikarohana Momba ny Lanezy sy Ranomandry, any Etazonia.
Mila mihazona hafanana ny tany
Mila hafanana ny zavamananaina eto an-tany mba hahavelomany. Rehefa tonga etỳ an-tany ny hafanan’ny masoandro, dia ny androatokony mahery no voatazona, ka manafana ny rivotra sy ny
tany ary ny ranomasina. Hangatsiaka be ny tany, raha tsy izany, ka hahatratra 18 degre ambanin’ny zerô. Mivadika ho taratra tsy hita maso ilay hafanana voarain’ny tany avy eo, ary averiny any amin’ny habakabaka, ivelan’ny atmosfera. Izany no mahatonga ny tany tsy hahamay loatra. Rehefa misy loto anefa ao amin’ny atmosfera, dia lasa kely kokoa ny hafanana tafavoaka. Mety hampiakatra ny mari-pana izany. Misy milaza fa izany no anton’ireo fiovana voaresaka etsy aloha.Anisan’ny manampy ny tany hihazona hafanana ny gazy karbônika, ny ôksidana azôty, ny metanina, ary ny etona. Tena nihabetsaka ireo gazy ireo tato anatin’ny 250 taona, izany hoe rehefa nanomboka niroborobo ny orinasa mpanodina akora, ary nampiasa arintany sy solika bebe kokoa ny olona. Izao koa angamba no mahatonga ny tany hitana hafanana bebe kokoa: Mihabetsaka ny biby any amin’ny toeram-piompiana, izay mamoaka metanina sy ôksidana azôty rehefa mandevon-kanina. Milaza kosa ny mpikaroka sasany fa efa nisy zavatra nampiakatra ny mari-pana taloha, fony mbola tsy nampiova ny toetrandro ny zavatra ataon’ny olona.
Fiovana voajanahary fotsiny ve ilay izy?
Misy milaza fa efa nisy fiovaovana be ihany teo amin’ny mari-pana taloha, fa tsy avy amin’ny olona ilay izy. Lazaina mantsy fa rakotra ranomandry ny ankabeazan’ny tany taloha ela be, ary nangatsiaka kokoa ny andro tamin’izany. Voajanahary koa, hono, ny fiovan’ny mari-pana, satria nisy zavamaniry fahita any amin’ny tany mafana tany amin’ny faritra mangatsiaka toa an’i Groenlandy taloha. Tsy mahazo antoka anefa ny manam-pahaizana hoe nanao ahoana marina ny toetrandro taloha ela be tany.
Raha tsy ny ataon’ny olona àry no nampiova be ny mari-pana, inona no mety ho antony? Misy fiovana isan-karazany eny amin’ny masoandro, ka miovaova araka izany ny habetsahan’ny hafanana avoakany. Miova isaky ny fe-potoana maharitra an’arivony taona koa ny lalana falehan’ny tany manodidina ny masoandro, ary manova ny elanelany amin’ny masoandro izany. Ankoatra izany, dia misy vokany eo amin’ny mari-pana ny vovoka avy amin’ny volkano sy ny fiovan’ny fikorianan’ny rano ao amin’ny ranomasina.
Fomba amantarana ny toetrandro
Mety ho antony iray na maromaro àry no mampiakatra ny mari-pana. Na ahoana na ahoana anefa, inona no mety ho vokany eo amintsika sy ny tontolo iainana? Sarotra ny hilaza izay tena hitranga. Efa manana ordinatera matanjaka be anefa izao ny mpahay siansa, mba hanaovana andrana hamantarana ny toetrandro. Efa ampidiriny ao ny lalàna fizika, sy ny fanazavana voangona momba ny toetrandro, ary ny fisehoan-javatra voajanahary mampiova azy io.
Afaka manovaova ny toetrandro ny mpahay siansa amin’ireo andrana ataony. Tsy tena misy ilay fiovana, fa ao amin’ny ordinatera ihany. Azony ovana ao, ohatra, ny hafanana avoakan’ny masoandro, mba hahitana ny vokany eo amin’ny ranomandry eny amin’ny tendrontany, ny mari-pana eny amin’ny rivotra sy ny ranomasina, ny habetsahan’ny etona, ny tsindrin’ny rivotra, ny fiforonan’ny rahona, ny fitsokan’ny rivotra, ary ny rotsakorana. Afaka mamorona volkano mipoaka koa izy ireo, ary mandinika ny vokatry ny vovoka volkano eo amin’ny toetrandro. Azony dinihina ao amin’ilay ordinatera koa ny vokatry ny fitomboan’ny mponina, ny fandripahana ala, ny fampiasana ny tany, ary ny fihabetsahan’ny gazy manimba, sy ny sisa. Manantena ny mpahay siansa fa rehefa mandeha ny fotoana, dia hifanakaiky kokoa amin’ny tena izy ny vokatry ny andrana ataony, ka ho azo ianteherana kokoa.
Milaza ny tena zava-misy anefa ve ireny andrana ireny ankehitriny? Izany dia miankina betsaka amin’ny fahamarinan’ny fanazavana ampidirina ao amin’ny ordinatera, sy ny habetsahan’ilay izy. Miovaova àry ny vokatr’ilay andrana, ka mety hilaza fiovana kely eo amin’ny toetrandro, na fiovana tena ratsy. Na marina aza anefa ilay vinavina, dia milaza ny gazety Siansa fa “mety hisy ihany ny zavatra tsy ampoizina avy amin’ny toetrandro [ilay tena izy fa tsy ilay ao amin’ny ordinatera].” Efa nitranga tokoa izany. Miempo haingana be, ohatra, ny ranomandry any amin’ny Tendrontany Avaratra, ary tsy nanampo an’izany ny maro amin’ireo manam-pahaizana. Ekena àry fa tsy mahalala afa-tsy ambangovangony amin’ny vokatry ny ataon’ny olona, na tsy ataony, ny manam-pahefana. Na izay fotsiny aza anefa dia efa ampy handraisany fepetra, izay mety hampihena ny olana hitranga amin’ny hoavy.
Izany no nahatonga ny GIEC handinika ny vokatry ny andrana enina natao. Novaovana ny habetsahan’ireo gazy manimba: Tsy noferana mihitsy ilay izy tamin’ny voalohany, avy eo nampitovina amin’izay misy ankehitriny, ary noferana ho faran’izay kely tamin’ny farany. Nasehon’ny ordinatera fa misy vokany samy hafa eo amin’ny toetrandro sy ny tontolo iainana ireo. Ireto àry ny fepetra sasany asain’ny mpikaroka raisina: mamoaka lalàna mametra ny fampiasana solika, manasazy an’izay mandika azy ireny, mamokatra hery niokleary betsaka kokoa, ary mampiasa bebe kokoa ny teknolojia tsy manimba ny tontolo iainana.
Azo itokisana ve izy ireny?
Milaza ny mpanakiana fa “efa tsy takatsika amin’ny fomba feno ireo lafiny samihafa amin’ny toetrandro, nefa mbola tsotsorina be koa izy ireny” ao amin’ireo fomba famantarana toetrandro ampiasaina ankehitriny. Misy “lafin-javatra sasany [aza lazainy fa] tsy voadinika.” Tsy mitovy koa, hono, ny vokatry ny andrana atao amin’ny ordinatera. *
Hoy ny mpahay siansa iray nandray anjara tamin’ny fivorian’ny GIEC: “Sarotra ny manao kajikajy momba ny toetrandro sy ny mahazo tsara ny lafiny samihafa amin’izy io. Noho izany, dia misy amintsika mahatsapa ho tsy ampy fahaizana, ka lasa misalasala raha ho takatsika ireo zava-miseho eo amin’ny toetrandro sy ny anton’izy ireny.”Tsy mitsinjo ny hoavy anefa isika, hoy ny olona sasany, raha toa ka tsy mandray fepetra, satria fotsiny hoe tsy azo antoka ny tena anton’ilay olana. Milaza izy ireo fa tokony hoeritreretintsika hoe: “Raha misy tokoa ny loza any aoriana, ho haintsika ve ny hanazava amin’ny zanatsika hoe nahoana isika no tsy nanao na inona na inona?” Na marina ny vokatr’ireny andrana ireny na tsia, dia tena tandindomin-doza ny tany. Simba mantsy ny tontolo iainana, noho ny antony maro tsy azo lavina. Anisan’izany ny fandotoana, ny fandripahana ala, ny fitaran’ny tanàn-dehibe, ary ny fisian’ny biby sy zavamaniry lany tamingana.
Rehefa jerena àry ny zava-misy, azo antenaina ve fa hanova ny fomba fiainany ny olona rehetra, mba hiarovana an’ity fonenana kanto misy antsika ity sy ny taranak’olombelona? Ary raha ny ataon’ny olona tokoa no mampiakatra ny mari-pana, dia mety tsy hanana afa-tsy taona vitsivitsy isika, fa tsy taonjato, mba hanovana izay tokony hovana. Na ahoana na ahoana anefa, dia mila vahana haingana hatrany am-potony ny olana. Tsy inona no fototr’izy io fa ny fitiavan-karena, ny fitiavan-tena, ny tsy fahalalana, ny fitondrana tsy mahomby, ary ny tsy firaikana. Ho vita ve izany, sa nofinofy fotsiny? Ary raha tsy ho tanteraka izany, tsy misy intsony ve ny fanantenana? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 20 Tenin’i John Christy, mpitantana ny Foiben’ny Siansa Momba ny Tany ao amin’ny Oniversiten’i Alabama, Etazonia, tao amin’ny Gazetin’i Wall Street (anglisy), 1 Novambra 2007.
[Efajoro/Sary, pejy 5]
AHOANA NO HAHAFANTARANA NY MARI-PANAN’NY TANY?
Mba hahitanao ny maha sarotra an’ilay izy, dia eritrereto hoe te hahalala ny mari-pana ao amin’ny efitra lehibe iray ianao. Aiza no hametrahanao ny fitaovana fitsapana hafanana? Mankany amin’ny toerana ambony ny hafanana, ka mafana kokoa noho ny eny amin’ny gorodona ny rivotra eny akaikin’ny valindrihana. Ho hafa ny mari-pana, raha atao eo akaikin’ny varavarankely ilay fitaovana, na eo amin’ny toerana tarafin’ny masoandro, na eo amin’ny maloka. Mety hampiova ny mari-pana koa ny loko, satria mitana hafanana kokoa ny zavatra miloko matroka.
Tsy ampy àry raha indray mandeha fotsiny ianao no mitsapa ny hafanana ao amin’ilay efitra. Mila mijery ny hafanana ao amin’ny toerana samihafa ao amin’izy io ianao, ary avy eo mitady ny salanisany. Mety hiova isan’andro sy arakaraka ny fizaran-taona koa ny hafanana. Koa mba hahazoanao salanisa marina, dia mila jerenao imbetsaka ny hafanana, ao anatin’ny fotoana maharitraritra. Raha izany aza efa sarotra, mainka fa ny hamantatra ny mari-panan’ny tany sy ny atmosfera ary ny ranomasina! Tena ilaina anefa izany mba hamaritana hoe inona marina no fiovana mety hitranga eo amin’ny toetrandro.
[Saray nahazoan-dalana]
NASA photo
[Efajoro, pejy 6]
NY HERY NIOKLEARY VE NO VAHAOLANA?
Mitombo be ny fampiasana angovo eran-tany. Ahazoana angovo ny solika sy ny arintany. Ny fandoroana an’ireo anefa dia mampitombo ny gazy, izay mahatonga ny tany hihazona hafanana. Mihevitra àry ny fitondrana sasany fa mety ho azo atao solon’ireo ny hery niokleary, izay madio kokoa. Miteraka olana koa anefa izy io.
Anisan’ny tena mpampiasa hery niokleary, ohatra, i Frantsa. Milaza ny gazety iraisam-pirenena iray, fa rano 19 000 tapitrisa metatra toratelo no ilaina isan-taona, mba hampangatsiahana ny fitaovana mpamokatra hery niokleary ampiasaina any. Mandefa rano mahamay any anaty renirano ireo fitaovana ireo. Saika nampidi-doza an’ireo biby sy zavamaniry tao anefa izany, rehefa nampian’ny hainandro nigaingaina tamin’ny 2003. Voatery nakatona àry ny toby sasany mpamokatra hery niokleary. Mety hiharatsy kokoa ny toe-javatra, raha mbola miakatra ny mari-pana.
“Tsy maintsy vahantsika aloha ny olana vokatry ny fiovan’ny toetrandro, raha te hampiasa hery niokleary isika”, hoy i David Lochbaum, injeniera ao amin’ny Fikambanan’ny Mpahay Siansa Velom-panahiana.
[Efajoro/Sarintany, pejy 7]
LOZA VOKATRY NY TOETRANDRO TAMIN’NY 2007
Tamin’ny 2007 no betsaka indrindra ny loza vokatry ny toetrandro. Nandefa antso 14 mba hangatahana fanampiana ny sampan-draharaha iray an’ny Firenena Mikambana. Nihoatra 4 izany raha oharina amin’ny tamin’ny 2005, izay taona nahitana loza be indrindra talohan’izay. Tanisaina eto ambany ny loza sasany nitranga tamin’ny 2007. Raha nisy loza nitranga anefa tao amin’ny tany iray, dia tsy voatery hidika izany hoe hisy loza indray any aoriana.
▪ Grande-Bretagne: Nisy fiantraikany teo amin’ny olona 350 000 mahery ny tondra-drano iray. Io no tondra-drano ratsy indrindra hatramin’ny 60 taona mahery. Ny volana Mey ka hatramin’ny Jolay 2007 no be orana indrindra tany Angletera sy Pays de Galles, rehefa jerena ny fandraisana an-tsoratra momba ny rotsakorana amin’ireo volana ireo, izay niantomboka tamin’ny 1766.
▪ Afrika Andrefana: Nisy fiantraikany teo amin’ny olona 800 000 ny tondra-drano, tao amin’ny firenena 14.
▪ Lesotho: Nanimba ny voly ny hafanam-be sy ny hain-tany. Olona 553 000 angamba no mila fanampiana ara-tsakafo.
▪ Soudan: Olona 150 000 no lasa tsy nanan-kialofana vokatry ny oram-be. Olona 500 000, fara fahakeliny, no nahazo fanampiana.
▪ Madagasikara: Namely ny nosy ny rivo-doza sy ny oram-be, ka olona 33 000 no voatery nifindra monina. Simba koa ny volin’ny olona 260 000.
▪ Korea Avaratra: Nitera-pahavoazana lehibe ho an’ny olona 960 000 eo ho eo ny tondra-drano sy ny tany nihotsaka ary ny fotaka.
▪ Bangladesy: Nisy fiantraikany teo amin’ny olona 8 500 000 ny tondra-drano, ary nahafaty olona 3 000 mahery sy biby fiompy 1 250 000. Efa ho 1 500 000 ny trano simba na rava.
▪ Inde: Nisy fiantraikany teo amin’ny olona 30 tapitrisa ny tondra-drano.
▪ Pakistan: Olona 377 000 no voatery nifindra monina noho ny orana vokatry ny rivo-doza. An-jatony koa no maty.
▪ Bolivia: Nisy fiantraikany teo amin’ny olona 350 000 mahery ny tondra-drano, ary 25 000 no voatery nifindra monina.
▪ Meksika: Olona 500 000, fara fahakeliny, no lasa tsy nanan-kialofana vokatry ny tondra-drano. Nisy fiantraikany teo amin’ny olona iray tapitrisa mahery koa ilay izy.
▪ Repoblika Dominikanina: Nahatonga tondra-drano sy nampihotsaka ny tany ny oram-be tsy nijanona. Olona 65 000 no voatery nifindra monina.
▪ Etazonia: Lasa maina be ny faritra sasany tany atsimon’i Kalifornia, ka lasa mora nirehitra. Nisy afo nidedadeda vokatr’izany, ka olona 500 000 no voatery nifindra monina.
[Sary nahazoan-dalana]
Based on NASA/Visible Earth imagery