Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hisy Indray ny Paradisa!

Hisy Indray ny Paradisa!

 Hisy Indray ny Paradisa!

NINO i Jesosy fa ho velona indray ny maty. Niteny tamin’ny mpianany izy fa tena hisy izany. Hoy izy: ‘Handova fiainana mandrakizay ianareo amin’ny fotoanan’ny fanavaozana.’ Inona ilay hoe “amin’ny fotoanan’ny fanavaozana”?—Matio 19:25-29.

Miresaka an’io fotoana io koa ny bokin’i Lioka. Nilaza i Jesosy ao fa hahazo “fiainana mandrakizay” ny mpianany, “ao amin’ilay tontolo ho avy.” (Lioka 18:28-30) Mitovy ihany àry ny hoe “fotoanan’ny fanavaozana” sy ‘ilay tontolo ho avy.’ Fa nahoana?

Te hanamafy amintsika i Jehovah Andriamanitra fa tsy maintsy hotanterahiny ny fikasany tany am-boalohany. Inona izany? Ny hiainan’ny olona mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Ho lavorary izy ireo, toa an’i Adama sy Eva tamin’ny mbola tsy nanota. Hisy “fanavaozana” àry “ao amin’ilay tontolo ho avy”, satria haverina ilay Paradisa tany Edena.

Ahoana no hamerenana ny paradisa?

Inona no hataon’Andriamanitra mba hamerenana ny paradisa? Nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka momba izany i Jesosy, tamin’izy teto an-tany. Toy izao ilay vavaka: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:10) Nanendry ny Zanany ho Mpanjakan’io Fanjakana io Andriamanitra. Hanatanteraka ny fikasany ilay Zanany, ka ny tany manontolo mihitsy no hovany ho paradisa.

Hoy ny Baiboly momba Ilay Mpanjaka voatendry: ‘Misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no homena antsika, ary ho eo an-tsorony ny fahefan’andriana. Ny anarany dia hatao hoe Andrianan’ny Fiadanana. Tsy hanam-pahataperana izany fahefana lehibe ananany izany ary tsy hisy farany koa ny fiadanana.’ (Isaia 9:6, 7) Hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra io ‘Andriana’ io, amin’ny alalan’ilay Fanjakana. Ahoana no hanaovany an’izany?

Hoy ny Baiboly: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, dia hanorina fanjakana [fahefan’andriana] tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—Daniela 2:44.

Hanao ahoana ny fiainana “amin’ny fotoanan’ny fanavaozana”, izany hoe rehefa ho paradisa indray ny tany? Hampihatra ny ‘fahefany’ mantsy amin’izay ilay ‘Andriana’ ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

 Hanao Ahoana ny Fiainana ao Amin’ny Paradisa?

Hatsangana ny maty

“Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.”—Jaona 5:28, 29.

“Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” —Asan’ny Apostoly 24:15.

Tsy hisy intsony ny olona marary, antitra, na maty

“Amin’izany fotoana izany, dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hatao mandre ny sofin’ny marenina. Amin’izany fotoana izany koa dia hahavita hianika tendrombohitra toy ny serfa ny malemy tongotra, ary hihoby ny lelan’ny moana.”—Isaia 35:5, 6.

“Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:3, 4.

 Ho be dia be ny sakafo

“Hahavokatra tokoa ny tany. Hitahy antsika Andriamanitra, eny, ilay Andriamanitsika.” —Salamo 67:6.

“Hahavokatra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.”—Salamo 72:16.

Hanana trano tsara sy asa mahafinaritra ny rehetra

“Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa.”—Isaia 65:21, 22.

Tsy hisy intsony ny heloka bevava, herisetra, na ady

“Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany.”—Ohabolana 2:22.

“Hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Tsy hanainga sabatra hifamely ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony.”—Isaia 2:4.

Tsy hatahotra intsony ny olona, ary hisy filaminana eran-tany

“Honina tsy amin’ahiahy izy ireo ary tsy hisy hampangovitra azy.”—Ezekiela 34:28.

“Tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy ireo, satria ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany, toy ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” —Isaia 11:9.

 Hahafinaritra tokoa ny fiainana rehefa ho tanteraka eran-tany ireo zavatra ireo! Ho tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy ny olona! (Matio 22:37-39) Afaka matoky ianao fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra. Hoy izy: ‘Efa nolazaiko izany ka hataoko.’—Isaia 46:11.

Mbola maro angamba anefa ny zavatra mila ianaranao momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny tontolo vaovao nampanantenainy. Ohatra hoe: Inona no porofo fa ho avy tsy ho ela io tontolo vaovao io? Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra mba hanesorana ny fanjakana rehetra eto an-tany? Ary inona no hitranga alohan’izay? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hahita ny valin’ireo. Jereo ny pejy 32 raha mila fanazavana fanampiny.

Efa ela ny olona no niandrandra tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. Ho avy tsy ho ela izy io. Hatsangana indray ny ankamaroan’ny olona efa maty, satria izay no sitrapon’Andriamanitra! Tena mbola ho velona tokoa àry ny maty! Izany ilay “tena fiainana”, dia ilay fiainana “ho avy.”—1 Timoty 4:8; 6:19.

[Sary, pejy 7]

Tsy nisy intsony ny paradisa satria tsy nankatò ny mpivady voalohany. Mbola hisy indray anefa izy io