Mangalatra Mihinana Fanafody
Mangalatra Mihinana Fanafody
HOY i Lila: * “Nieritreritra aho tamin’izaho 14 taona hoe natavy sady ratsy bika, ka nasain’ny dokoteranay nihinana pilina mampihena. Tamin’izay aho no nanomboka zatra nihinam-panafody. Rehefa nisy ankizilahy nijerijery ahy anefa vao mba nahatsapa aho hoe nihatsara bika. Lasa nampiasa zava-mahadomelina mahery vaika aho tatỳ aoriana, ary nanjary nanao zava-dratsy maro. Isaky ny nampiasa zava-mahadomelina aho dia tsy nijanona mihitsy raha tsy nahatsapa hoe ‘sambatsambatra.’ ”
Narary andoha lava koa i Mirana, ka nasain’ny dokoterany nihinana fanafody andoha. Nampitomboiny hatrany anefa ny pilina nohaniny. Tsy noho ilay aretin’andoha fotsiny no nanaovany izany, fa noho izy lasa nandevozin’ny fanafody. Nohaniny hatramin’ny fanafodin’ny olon-kafa tao an-trano koa aza.
Asehon’ny tatitra fa mihamaro hatrany ny tanora za-dratsy mampiasa fanafody mba hahatonga azy ho tony, tsy hitebiteby firy, hifantoka tsara, hihena, na ho “sambatsambatra.” Maro be koa ny olon-dehibe manao izany. Ny fanafody tehirizin’ny olona ao an-trano no tena be mpampiasa. Anisan’izany ny fanafody manala fanaintainana, mampitony, ary manaitaitra. * Misy koa za-dratsy mampiasa fanafody tsy ilana taratasin’ny dokotera, toy ny fampatoriana, fanalana tsentsina amin’ny orona, ary antibiotika.
Mihamaro hatrany maneran-tany ny olona za-dratsy mampiasa fanafody. Mbola maro noho ny olona mampiasa zava-mahadomelina izy ireo any amin’ny faritra sasany any Afrika sy Eoropa ary Azia Atsimo. Ihoaran’izy ireo koa ny isan’ny mpampiasa zava-mahadomelina ankoatra ny rongony, any Etazonia. Voalazan’ny gazety iray vao haingana, fa maro kokoa ny tanora 12 ka hatramin’ny 17 taona “za-dratsy amin’ny fanafody, raha oharina amin’ireo mampiasa kôkainina sy herôinina ary anfetaminina.” Be loatra ny mpitady fanafody ka manjary misy mpamokatra fanafody sandoka.
Ahoana no hiarovanao ny tenanao sy ny zanakao tsy ho za-dratsy amin’ny fanafody na zava-mahadomelina? Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Novana ny anarana ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.
^ Maro amin’ny toro lalana resahina ato koa no mihatra amin’ny fampiasana zava-mahadomelina sy toaka.
[Efajoro, pejy 3]
“Andevozin’ny fanafody ny olona iray raha tsy mety mihitsy raha tsy mampiasa fanafody na marary na tsia, ary mampiasa foana na dia efa hitany aza fa misy vokany ratsy na mety hisy vokany ratsy ilay izy”, hoy ny boky iray fampiasan’ny dokotera. Tsy mahafehy tena intsony ilay olona ary tsy manan-tsaina afa-tsy fanafody.
Efa miankin-doha amin’ny fanafody ny marary raha tsy mahazo aina rehefa miala amin’ny fanafody fihinany, anisan’izany ny fanafody sasany mahadomelina. Mpitranga izany, nefa tsy midika hoe efa andevozin’ny fanafody izy.
Efa zatra fanafody loatra ny olona iray rehefa tsy ampy azy intsony ny fatram-panafodiny, ka mila misimisy kokoa izy vao mihena ny fanaintainany.