Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Izay vao misy fisaraham-panambadiana tsaraina ara-drariny any Italia. Manatona mpikarakara fanambadiana ny vahiny mba hitady vady, manatona mpikarakara dia rehefa hanao vakansy, ary manatona mpikarakara fisaraham-panambadiana rehefa hitady mpahay lalàna, mpitana kaonty, psikology, ary mpanelanelana.—CORRIERE DELLA SERA, ITALIA.

“Tsy atokisana” ny Eglizy Katolika satria “tsy voalaminy ny olana vokatry ny fametavetana ataon’ny mpitondra fivavahany.” Lasa “misy olana eo amin’ny fomba fiasany. Io angamba no olana lehibe indrindra teo anivon’ny eglizy.”—NATIONAL CATHOLIC REPORTER, ETAZONIA.

Nalahatry ny mpahay siansa ny ADN-n’ny volon’ny olona iray any Groenlandy izay maty, 4 000 taona lasa izay, ary tao anaty ranomandry. “Toa avy any Siberia” ilay olona, hoy izy ireo.—MASOIVOHOM-BAOVAO REUTERS, ETAZONIA.

Mihena ny Fatokisana ny Eglizy

Izao no lohateny be tao amin’ny gazety The Irish Times: “Tsy matoky ny Eglizy [Katolika] intsony ny ankamaroan’ny olona.” Mitanisa an’ireo fikambanana lasa tsy atokisan’ny ankamaroan’ny Irlandey ilay gazety, ary ampiarahiny amin’ny fitondrana sy ny banky ny Eglizy Katolika. Tena natoky ny eglizy ny Irlandey hatramin’izay. Nisy fitsapan-kevitra natao anefa tany vao haingana, ka ny antsasa-manilan’ireo nanontaniana no tsy matoky ny eglizy “mihitsy” (32 isan-jato) na “tsy tena” matoky azy io (21 isan-jato). Ireo zava-nitranga nanala baraka vao haingana teo anivon’ny eglizy no hita fa nahatonga izany “fihenana” izany.

Manana Diplaoma Nefa Tsy An’asa

Tsy voatery hahita asa izay mianatra eny amin’ny oniversite, araka ny gazety Manila Bulletin. Manonona ny tenin’i Herbert Bautista, ben’ny tanànan’i Quezon City, ilay gazety. Hoy izy: “Tsy an’asa ireo an-tapitrisany mahazo diplaoma eny amin’ny oniversite isan-taona, satria tsy mifanaraka amin’ny zavatra nianarany ny asa misy.” Maro no lasa mpitondra fivavahana na mpiasan’ny hotely fisakafoana. Ampirisihin’ny fitondrana hianatra asa ireo mahazo diplaoma eny amin’ny lise. Vetivety izany dia vita sady mora ahitana asa.

Tetezana Simban’ny Rora

Atahorana ho simba noho ny roran’ny mpandeha an-tongotra ny Tetezan’i Howrah, any Calcutta, Inde, izay mirefy 457 metatra. Nahoana? Mitsako gutkha ireo olona mandrora eo. Fangarona ravina betela sy voana palmie ary vovoka sokay izy io, ka tena manimba an’ilay tetezana. Milaza ny gazety The Telegraph any Calcutta fa “noho ireo roran’olona, dia lasa telo milimetatra ny hatevin’ny vy amin’ny andrin’ilay tetezana, raha enina milimetatra izany tamin’ny 2007.” Olona 500 000 eo ho eo sy fiara 100 000 eo ho eo no mandalo an’io tetezana io, isan’andro.