Manontany ny Tanora Hoe...
Inona no Hataoko Raha Tiako ho Tsara avy Hatrany ny Fiheveran’ny Olona Ahy?
“Mandeha tsara kosa izany resakay izany. Tokony ho hitan’ity mpampiasa ity hoe tsy mihafahafa aho, satria hatramin’ny nidirako teto dia nantsoiko tamin’ny fanampin’anarany izy. Tsy maintsy ho voaray hiasa ato aho.”
“Ity ve ilay tovolahy nanoratra ny mombamomba azy, ilay nampiaiky volana ahy? Koa raha tsy inona aho koa hampiditra an’io hiasa ato! Mbola tsy tafiditra aza izy dia jereo ity ataony, mainka fa raha tafiditra, tsy ho loza?”
Jereo ilay sary, ary vakio ireo soratra eo ambony. Hitanao ve ireo zavatra telo mahatonga an’ilay tovolahy tsy ho tian’ilay mpampiasa?
-
․․․․․
-
․․․․․
-
․․․․․
Eo ambany ny valiny
1. Baranahiny loatra ny fiakanjon’ilay tovolahy. 2. Tsy mitandrina an’izay lazainy izy (miantso an’ilay mpampiasa amin’ny fanampin’anarany). 3. Hita amin’ny fihetsiny koa fa tsy manaja mihitsy izy.
ERITRERETO hoe misy sakafo iray tianao handramana. Mila fotoana lava be ve ianao vao hahalala raha ho tianao ilay izy na tsia? Mety ho indraim-bava fotsiny dia efa hitanao raha mbola hihinana ianao na tsia.
Izany koa no mitranga rehefa mihaona voalohany amin’ny olona iray ianao. Vetivety dia hanana ny hevitrao momba an’ilay olona ianao. Izao anefa: Vetivety koa izy dia hanana ny heviny momba anao.
Mitady asa ve ianao, sa mitady namana na mitady vady? Mety hiankina amin’ny fiheveran’ilay olona anao amin’izy vao mahita anao no hahombiazanao. Andeha isika handinika hevitra telo hanampy anao hanatsara ny fifandraisanao amin’ny hafa, mba ho tsara ny fiheverany anao.
1. Ny paozinao
Mitsara anao arakaraka ny paozinao ny olona, na tsy rariny aza izany, satria izay no hitany voalohany. Tsy dia mivaky loha amin’ny paoziny anefa ny olona matetika. Hoy ny tovovavy iray atao hoe Clarissa: * “Rehefa handeha hisakafo any amin’ny hotely ianao izao, dia tsy hay intsony na hiakanjo mihaja be ny olona ho any na hanao akanjomandry!”
Mazava ho azy fa tokony hifanaraka amin’ny toe-javatra ny akanjo anaovanao. Samy hafa, ohatra, ny akanjo anaovanao rehefa mitady asa sy rehefa handeha hilomano. Ahoana anefa raha tsy hainao izay tokony hanaovana? Mila mahay mifidy tsara ianao mba tsy hanaovana zavatra tafahoatra. Aleo miakanjo tsotra raha misy mampisalasala.
TADIDIO IZAO: Mampiharihary ny maha ianao anao ny akanjonao sy ny taovolonao.
“Raha misy olona manao akanjo sampontsampona any amin’ny fiaraha-mikorana iray, dia tonga dia hialako. Tsy tiako ny paoziny nefa izay ihany no fantatro momba azy.”—Dina.
Ampirisihin’ny Baiboly hanao “akanjo milamina tsara” isika mba ho hita fa ‘maotina sy hendry.’—1 Timoty 2:9.
Mieritrereta hoe: ‘Milamina tsara ve ny akanjoko sa misavoritaka? Mihevitra ahy ho tsy ampy “fahendrena” ve izay mety ho namako na ho vadiko na ho mpampiasa ahy, rehefa mahita ny fiakanjoko?’
Soso-kevitra: Mangataha torohevitra any amin’ny olona iray hitanao hoe mahay mifidy akanjo.
2. Ny teninao
Ho hita amin’ny teninao raha manetry tena ianao na mieboebo, na raha falifaly na kivy lava. Tadidio tsara izany raha tianao ho tsara ny fiheveran’ny tovolahy iray na tovovavy iray anao, raha vao mihaona voalohany ianareo. Hoy i Tiana: “Tsy tiako maizina ny ankizilahy tsy miresaka afa-tsy ny momba azy, rehefa miresaka amiko. Misy ankizilahy koa tonga dia manontanintany ny zava-drehetra momba anao. Mandreraka be izany sady mampitsoaka!”
TADIDIO IZAO: Toy ny varavarankely ahitana ny tena maha ianao anao ny teninao. Ataovy mahafinaritra àry ny teninao.
“Mahafinaritra ahy ny ankizilahy tsy manamboamboatra fihetsika. Zava-dehibe amiko izay fiheverako azy amin’ny voalohany. Raha mila eritreretiny be izay holazainy, dia aleo izy tsy miteny.”—Selena.
Hoy ny Baiboly: “Ny teny maro tsy ilaozan’ota, fa malina kosa ny olona mahafehy ny vavany.”—Ohabolana 10:19.
Mieritrereta hoe: ‘Inona no hanampy ahy tsy ho be resaka nefa koa tsy ho zara raha miteny? Mety hanafintohina na hampahatezitra olona ve ny fomba fiteniko?’
Soso-kevitra: Jereo tsara ny olona mahay miresaka. Ahoana no ataony mba hitohizan’ilay resaka foana? Afaka manao toy izany koa ve ianao?
3. Ny ataonao
Misy heriny kokoa ny atao noho ny teny. Raha mahalala fomba, ohatra, ianao, dia ho hita fa miahy ny hafa. Tadidio koa izany raha efa vonona ny hitady vady ianao. Hoy i Mino: “Hita hoe manaja ny ankizilahy rehefa manao zavatra madinika, ohatra hoe manokatra ny varavarana ho anao. Tsara raha mba mahalala fomba ny ankizilahy.”
TADIDIO IZAO: Hita amin’izay ataonao hoe olona manao ahoana ianao. (Ohabolana 20:11) Inona no hitan’ny olona rehefa mijery ny ataonao izy ireo?
“Hitako hoe tena ilaina ny mihaino. Mahalala fomba koa ianao raha tsy manapa-dresaka, raha tsy hoe tena ilaina izany.”—Koly.
Hoy ny Baiboly: “Izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.”—Lioka 6:31.
Mieritrereta hoe: ‘Moa ve aho mahalala fomba, tena miahy ny hafa, azo itokisana, ary marim-potoana?’
Soso-kevitra: Miezaha ho tonga folo minitra mialoha, fara fahakeliny, rehefa manao fotoana amin’ny olona. Tsy ho tara ianao amin’izay na misy sampona aza. Aza atao izay hiheveran’ny olona anao hoe tara lava.
Fampitandremana: Tsy hoe tokony hanafin-toetra ianao satria te ho hita hoe tsara toetra. Toy ny mamitaka izany. (Salamo 26:4) Fantaro kosa izay toetra tsara tianao hahafantarana anao ary miezaha hanana azy ireo. (Kolosianina 3:9, 10) Tadidio fa izay ataonao ihany no hahafantaran’ny olona anao. Avy hatrany ny olona dia hieritreritra zavatra tsara momba anao, raha tandremanao ny paozinao sy ny teninao ary ny ataonao. Izany foana koa no hotsaroana momba anao.
^ feh. 15 Novana ny anarana sasany.