Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Manorata ho An’i Anton!”

“Manorata ho An’i Anton!”

“Manorata ho An’i Anton!”

● Ankizilahy Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tanàna kelin’i Schelkan, any Rosia, i Anton. Hita hoe voan’ny aretin-kozatra tsy misy fanafany izy tamin’izy mbola kely. Mampahalemy haingana ny hozatra io aretina io ary matetika no maty alohan’ny faha-20 taonany izay voany. Efa tsy afaka nandeha sy nitsangana intsony i Anton tamin’izy sivy taona.

Nihaona tamin’i Anton i Yevgeny sy Diana vadiny rehefa nitsidika fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy i Diana: “Tena nalemy i Anton nefa natanjaka ny finoany. Fantany fa kely sisa ny fotoana hahavelomany, satria 19 taona ny zokiny lahy dia efa matin’ilay aretina. Falifaly sy be fanantenana anefa izy.”

Nampirisihin’i Diana sy ny vadiny hitory bebe kokoa i Anton, ka nasain’izy ireo nanoratra taratasy ho an’ny olona any amin’ny tanàna kely hafa. Nandefa taratasy 500 teo ho eo izy tamin’ny 2005. Nalahelo anefa izy fa tsy nahazo valiny mihitsy. Nanoratra foana izy, na izany aza. Nivavaka mafy koa izy mba hahita fomba hahazoany vokatra tsara rehefa mitory, na dia malemy aza.

Namaky gazety i Anton indray mandeha, ka nahita taratasy nosoratan’ny ramatoa iray narary sy nila fampiononana. Nanoratra ho azy i Anton, ary naseho tao amin’ilay gazety ny ampahany tamin’ny taratasiny. Hoy izy: “Nanampy ahy ho be fanantenana ny famakiana Baiboly, na dia tsy misy fanafany aza ny aretiko. Miandry taratasy foana aho satria tia mahazo taratasy.”

Tena nanohina ny fon’ilay ramatoa izany ka namaly izy, ary navoakan’ilay gazety izany, teo ambanin’ny lohateny hoe “Manorata ho An’i Anton!” Nankasitrahany ny hevitra avy ao amin’ny Baiboly nosoratan’i Anton ho azy, sady nanoratra izy hoe: “Andao hanampy an’i Anton! Valio izy ary manorata any aminy. Tena mila teny mamy io tovolahy io.” Nomena teo ny adiresin’i Anton.

Tonga tao amin’ilay paositra kely tao an-tanànany amin’izay ny taratasy ho an’i Anton. Nisy hatramin’ny 30 isan’andro izany, ary avy any amin’ny faritra maro eran’i Rosia, Estonia, Letonia, Litoania, Alemaina, ary nisy aza avy any Frantsa. An-jatony ny taratasy azony avy amin’ny mpamaky an’ilay gazety. Hoy i Diana: “Faly be i Anton! Afaka nanoratra ho an’olona an-jatony izy ary afaka niresaka ny zavatra ninoany avy ao amin’ny Baiboly.”

Herintaona mahery no nifanoratan’i Anton tamin’ny olona nanoratra ho azy, ary niresahany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy ireny. Nihanalemy ny tanany ka olon-kafa no nasainy nanoratra ny taratasiny. Nodimandry izy tamin’ny Septambra 2008, tamin’izy 20 taona. Tena nalemy izy nefa nisy vokany teo amin’ny olona an-jatony ny zavatra nataony, satria nanam-pinoana sy tia nitory izy.