Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tratran’ny Olana Ara-bola

Tratran’ny Olana Ara-bola

Tratran’ny Olana Ara-bola

MILAZA ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) ao amin’ny Internet fa ny olana ara-toe-karena eran-tany tato ho ato no krizy “mafy indrindra tato anatin’ny 50 taona teo ho eo.” Nanomboka tany Etazonia izany tamin’ny 2007, ary tena mafy sy namely firenena maro hafa.

Inona no nahatonga izany? Milaza ny Herinandrom-baovao (anglisy) fa “maimay hisambo-bola befahatany” ny olona. Nahoana ny olona no tia mitrosa sy mividy zavatra tsy takatry ny volany?

Nampirisihina izy ireo mba hividy zavatra ary natao izay hahatonga azy tsy ho afa-po mihitsy. Asaina mividy foana ny olona, na manam-bola izy na tsia. Hoy i Chris Farrell, manam-pahaizana momba ny toe-karena, tao amin’ilay bokiny hoe Fomba Vaovao Hitsitsiana (anglisy): “Efa voa izy ireo vao nahita hoe mampidi-doza ny misambo-bola be loatra.”

Maro ny firenena tratran’ilay krizy. Nilaza ny matoan-dahatsoratry ny gazety iray any Afrika Atsimo, tamin’ny herintaona, fa ‘mbola mitrongy vao homana ihany ny olona, na dia hita aza hoe efa mihatsara ny toe-karena.’ Milaza ilay gazety fa “olona efa ho 3 000 000 [any Afrika Atsimo] no tara telo volana mahery amin’ny fandoavana ny trosany, ary mpiasa antonontonony 250 000 eo ho eo no very asa tato anatin’ny roa taona.”

Am-polony tapitrisa ny olona very asa tato ho ato. Nisy tatitra nilaza fa efa nihatsara ny toe-karena tany Etazonia, nefa hoy ny Gazety Momba ny Toe-karena (anglisy): “Azo antsoina hoe ‘Fahadisoam-panantenana Lehibe’ ny fihatsarana nanomboka tamin’ny Jona 2009.” Hoy ihany ilay gazety: “Mihevitra ny manam-pahaizana maro momba ny toe-karena fa noho ny trosa mila aloa dia tsy hihabetsaka mihitsy ny mpividy, mandritra ny taona maro ho avy.”

Azo inoana fa hitovy hevitra amin’i David Beart mpanoratra ianao, raha tratran’ilay krizy koa. Hoy izy: “Toa be dia be ny adihevitra momba ny olana ara-bola eran-tany, nefa zara raha misy fanazavana momba ny vahaolana.”

Natao hanampiana an’ireo miezaka manefa trosa ireo lahatsoratra manaraka. Hovaliana ao ny hoe: Inona no mahatsara ny mitsitsy vola? Ahoana no hanefana trosa? Ahoana no hahaizana mitantam-bola kokoa?