Inona no Mitombina Kokoa?
Inona no Mitombina Kokoa?
TSY nisy nahita ny niandohan’ny fiainana teto an-tany. Mbola tsy nisy nahita zavamananaina nivoatra ho karazany hafa koa, ohatra hoe biby mandady lasa biby mampinono. * Tsy maintsy miantehitra amin’izay porofo misy àry isika mba hamantarana ny niandohan’ny fiainana. Izay voaporofon’ny zava-misy no tokony hekentsika fa tsy ny zava-misy no terentsika hifanaraka amin’izay tiantsika.
Izao anefa no hevitra ijoroan’ny olona maro tsy mino an’Andriamanitra rehefa mandinika ny siansa: Zavatra hita maso no niavian’ny zavamananaina. Manohana tanteraka an’izany i Richard Lewontin, mpino ny evolisiona. Hoy izy: “Izay hita maso ihany no inoanay, fa tsy hino an’Andriamanitra mihitsy izahay.” Ny evolisiona ihany àry no azon’izy ireo inoana.
Efa manana ny hevitra ijoroany koa ny mpivavaka ka mety handiso ny fiheverany ny siansa izany. Efa voalaza tany aloha, ohatra, fa misy mpino ny famoronana manizingizina an’ilay hevi-diso hoe noforonin’Andriamanitra tao anatin’ny enina andro ara-bakiteny izao tontolo izao, an’arivony taona lasa izay. Raisin’izy ireo ara-bakiteny be ny Baiboly ary tsy te hino zavatra hafa izy ireo ka tereny hifanaraka amin’izany ny zava-misy. (Jereo ilay efajoro hoe “Maharitra Hafiriana ny ‘Andro’ Iray?”, pejy 9.) Tsy hahita porofo mahafa-po hanohanana ny zavatra inoany mihitsy ny olona iray raha tery saina, rehefa mandinika ny Baiboly sy ny siansa.
Ny fihevitr’iza no mifanaraka amin’ny zava-misy rehetra?
Ireto no zavatra inoan’ny olona sasany mpino ny evolisiona, momba ny niandohan’ireo molekiola be pitsiny ao amin’ny zavamananaina:
1. Nitambatambatra ho azy teny ireo singa tena ilaina ka lasa molekiola fototra.
2. Mitambatra ho azy avy eo ireo molekiola ireo, ary mety tsara ny filaharany mba hahazoana ADN na ARN na proteinina afaka mitahiry ny fanazavana ilaina mba hahavelomana.
3. Milahatra ho azy ireo molekiola ary mety tsara ny filaharany mba hahafahany manao kopian’ny tenany. Tsy hisy ny fiovana miandalana ary tsy hisy zavamananaina, raha tsy teo io fanaovana kopia io.
Ahoana no niforonan’ireo molekiola sy nahaizany nitambatra tsara, raha tsy nisy mpamorona mahay? Tsy mahita valiny mahafa-po momba ny niandohan’ireo molekiola ny mpino ny evolisiona. Lazainy fotsiny hoe ireo molekiola tsy misaina sy ny herin’ny natiora no tena mahavita zavatra, fa tsy nisy Mpamorona nandray anjara tamin’izany.
Inona anefa no asehon’ny zava-misy? Voaporofo fa tsy lasa zavamananaina be kojakojany ny molekiola. Araka ny lalàna fizika kosa, dia ireo zavatra be pitsiny no simba rehefa mandeha ny fotoana, anisan’izy ireny ny milina, ny trano, ary na ny sela aza. Lazain’ny mpino ny evolisiona anefa fa mety hitranga koa ny mifanohitra amin’izany. Milaza, ohatra, ny boky iray fa “mahazo angovo be avy amin’ny masoandro [ny tany] ary io angovo io no mahatonga ny zavatra ho be pitsiny” ka mampisy ny fiovana miandalana.
Marina fa ilaina ny angovo. Ilaina, ohatra, izany rehefa hanambatra biriky sy hazo ary fantsika mba ho lasa trano. Tokony hety tsara anefa ny habetsahan’ilay angovo sy ny fomba ampiasana azy satria azo inoana hoe vao mainka hanimba zavatra haingana ny angovo raha tsy voafehy. Mety hanimba haingana ny trano iray, ohatra, ny herin’ny masoandro sy ny toetrandro. * Tsy hain’ireo mino ny evolisiona ny manazava hoe iza na inona no mifehy ny habetsahan’ny angovo sy ny fampiasana azy.
Isaia 40:26) Raha izany no izy, dia hazava hoe nahoana no be pitsiny ny zavamananaina ary milamina tsara ny hery mifehy ny singa, na any amin’ireo vahindanitra goavana na ao amin’ireo ataoma bitika.
Ahoana kosa raha asa tanan’ny Mpamorona iray mahay sady “manana tanjaka sy hery lehibe” ny zavamananaina sy izao rehetra izao? (Lasa eken’ny besinimaro ny hoe manam-piandohana izao rehetra izao. Mifanaraka tsara amin’izany koa ilay hevitra hoe misy ny Mpamorona. Hoy ny Genesisy 1:1: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.”
Mihasarotra ny manohana an’ilay hevitra hoe tsy maintsy ho avy amin’ny zavatra hita maso ny zavamananaina, isaky ny misy zava-baovao hita. Lasa nanitsy ny fomba fiheviny àry ny olona sasany tsy nino an’Andriamanitra. * Nisy tamin’izy ireny tokoa niaiky fa porofon’ny ‘toetra tsy hita maso sy ny hery mandrakizay’ ananan’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona, ny zava-mahagaga eo amin’izao rehetra izao. (Romanina 1:20) Nahoana raha mandinika an’izany bebe kokoa? Izany no zavatra lehibe indrindra tokony hodinihina sady hisy vokany lehibe eo amin’ny fiainanao. *
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Na dia tena mino ny evolisiona aza i Ernst Mayr, mpikaroka momba ny zavamananaina, dia niaiky fa “tsy nisy nifandraisany ireo sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny lasa vato.” Hita avy amin’izany fa nipoitra tampoka ireo karazana zavamananaina.
^ feh. 12 Mety hiova ny fototarazo rehefa tratran’ny taratra na zavatra simika sasany. Tsy mivadika ho karazany hafa mihitsy anefa ilay zavamananaina.—Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tena Marina ve ny Evolisiona?”, ao amin’ny Mifohaza! Septambra 2006.
^ feh. 15 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tsy Nino An’Andriamanitra Aho Noho ny Fitaizana Azoko”, ao amin’ny Mifohaza! Novambra 2010.
^ feh. 15 Miresaka bebe kokoa mahakasika ny adihevitra momba ny famoronana sy ny evolisiona ireo bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? sy Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Efajoro, pejy 8]
MIVOATRA SA MIHASIMBA NY VATAN’OLOMBELONA?
Matahotra mafy ny mpahay siansa sasany satria tena mihasimba ny ADN-n’ny olombelona, vokatry ny kilema mitambatambatra eo amin’ny fototarazo. Raha izany no izy, dia diso ilay hevitra hoe mivoatra na mihatsara ny vatantsika. Raha Andriamanitra anefa no namorona ny ADN-n’ny olombelona, nahoana izy io no misy tsininy? Tsy voazavan’ny siansa izany. Milaza kosa ny Baiboly fa vokatry ny ota na ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra izany. Hoy ny Romanina 5:12: ‘Niditra avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao ny ota, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana.’ Mifanipaka amin’ny fampianaran’ny evolisiona àry ilay hoe mihasimba ny ADN. Mifanaraka amin’ny Baiboly kosa izany. Midika ve izany fa hihasimba foana ny ADN? Tsia. Mampanantena Andriamanitra fa halaminy ny olana mahazo ny olombelona ary hofoanany ny voka-dratsin’izay rehetra nataon’i Adama sy Eva. Ilay Mpamorona antsika tokoa no hanala an’ilay tsininy ao anatin’ny ADN-n’ny olombelona, fa tsy ny evolisiona.—Apokalypsy 21:3, 4.
[Efajoro, pejy 9]
MAHARITRA HAFIRIANA NY “ANDRO” IRAY?
Mety hanondro fe-potoana samihafa ny hoe “andro”, ao amin’ny Baiboly. Antsoin’ny Genesisy 2:4 hoe ny “andro nanaovan’i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra”, ohatra, ilay fe-potoana famoronana. Voalaza fa naharitra enina “andro” izany, ary asehon’ny zava-misy fa fe-potoana lava be ny andro tsirairay. Mahaliana fa resahin’ny Baiboly mazava tsara ny fifaranan’ny “andro” enina voalohany, nefa tsy resahiny mihitsy ny fifaranan’ny andro fahafito. Nahoana? Mbola ao anatin’io andro io isika izao.—Genesisy 2:3; Hebreo 4:4-6, 11.
[Sary, pejy 8]
Mihasimba ny zavatra iray rehefa tsy kolokoloina
[Sary, pejy 8, 9]
Hita eo amin’izao rehetra izao ny herin’Andriamanitra sy ny toetrany hafa