Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Ahoana no Hitandroana Fihavanana?

Ahoana no Hitandroana Fihavanana?

HOY ny Baiboly momba ny olombelona: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23) Tsy lavorary ireo olona fito arivo tapitrisa mahery eto an-tany ary tsy mitovy toetra, ka tsy maintsy hisy ny olana. Ahoana àry no hihavanana rehefa mitranga izany?

Misy torohevitra mahasoa ao amin’ny Baiboly. Lazainy ao fa “Andriamanitry ny fiadanana”, na fihavanana, ilay Mpamorona ary Jehovah no anarany. (Hebreo 13:20; Salamo 83:18) Tiany hifandray tsara ny olombelona, ary nanome modely ny amin’izany izy. Nanapaka ny fihavanany taminy ny mpivady voalohany rehefa nanota, nefa nanao zavatra avy hatrany Andriamanitra mba hihavanana amin’ny olombelona. (2 Korintianina 5:19) Ireto misy fomba telo hanampy anao hihavana amin’ny hafa.

Mamelà heloka tanteraka

Inona no lazain’ny Baiboly? “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa.”—Kolosianina 3:13.

Inona no olana? Mety ‘hanana antony [marim-pototra] hitarainana’ ianao ary hihevitra fa rariny raha tsy hifandray intsony amin’ilay nanao diso taminao. Mety hieritreritra koa ianao fa izy no tokony hiala tsiny voalohany. Tsy hilamina anefa ilay olana raha tsy fantatr’ilay olona hoe tsy nety ny nataony, na raha mieritreritra izy fa ianao no diso.

Inona no azo atao? Araho ny torohevitry ny Baiboly ka mamelà heloka tanteraka, indrindra raha tsy dia lehibe ilay olana. Tsy hahajoro eo anatrehan’Andriamanitra isika raha tadidiny daholo ny fahadisoantsika. (Salamo 130:3) Milaza ny Baiboly fa “mamindra fo sy tsara fanahy i Jehovah, tsy mora tezitra sady be hatsaram-panahy feno fitiavana. Fa fantany tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.”—Salamo 103:8, 14.

Hoy koa ny Baiboly: “Mahatsindry fo ny olona raha lalin-tsaina, ary voninahitra ho azy ny mamela fahadisoana.” (Ohabolana 19:11) Ho azontsika ny antony mahatonga ny olona hiteny na hanao zavatra iray raha lalin-tsaina isika. Eritrereto àry hoe: ‘Sao dia reraka ilay olona nanao diso tamiko, na narary, na niady saina?’ Mety tsy dia ho tezitra ianao ary handefitra aminy raha mamantatra ny tena antony nanaovany zavatra sy ny fihetseham-pony ary ny toe-javatra misy azy.

Resaho ilay izy

Inona no lazain’ny Baiboly? “Raha manota ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo, dia ampahafantaro azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia hahatafaverina ny rahalahinao ianao.”—Matio 18:15.

Inona no olana? Mety hatahotra ianao, na ho tezitra, na ho menatra, ka tsy hahavita hiresaka amin’ilay olona. Mety ho tianao hiandany aminao ny hafa ka resahinao amin’izy ireo ilay olana. Vao mainka anefa izany hampitatra an’ilay olana.

Inona no azo atao? Miresaha amin’ilay olona raha hitanao hoe lehibe ilay olana ka tsy ho vitanao ny hamela azy amin’izao. Miezaha hanaraka an’ireto:

1) Manaova zavatra avy hatrany: Vao mainka hitatra ilay olana raha mangataka andro ianao. Araho izao torohevitr’i Jesosy izao: ‘Raha mitondra fanomezana ho eo amin’ny alitara ianao, ka eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo anoloan’ny alitara eo ny fanomezanao, ka mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao. Rehefa miverina ianao vao atolory ny fanomezanao.’—Matio 5:23, 24.

2) Aza resadresahina ilay izy: Aza resahina amin’ny hafa ilay olana. “Aoka ianao hifanazava aminy, nefa aza ambara ny tsiambaratelon’ny hafa.”—Ohabolana 25:9.

3) Mihavàna: Aza ilaozana mitady hoe iza no diso na iza no marina. Ny hihavana no tanjonao fa tsy ny handresy. Miezaha hilaza an’izay tsapanao, ohatra hoe “Malahelo aho satria...”, fa aza mamelively an’ilay olona ka hilaza zavatra toy ny hoe “Ianao no diso satria...” Handaitra kokoa izany. Hoy ny Baiboly: ‘Aoka isika hiezaka hampisy fihavanana sy hifampahery.’—Romanina 14:19.

Manàna fahari-po

Inona no lazain’ny Baiboly? ‘Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. Fa “raha noana ny fahavalonao dia omeo sakafo, ary raha mangetaheta izy, omeo zavatra hosotroiny.”’—Romanina 12:17, 20.

Inona no olana? Mety ho kivy ianao raha tsy mety mihavana aminao ilay olona.

Inona no azo atao? Manàna faharetana. Tsy mitovy ny maha izy ny olona sy ny fahamatorany. Ny sasany ela kokoa vao afaka ny hatezerany, ary ny hafa mbola miezaka manana toetra tsara. Miezaha ho tsara fanahy sy ho tia azy ireny foana. Hoy ny Baiboly: “Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.”—Romanina 12:21.

Tokony hiezaka hanetry tena, ho lalin-tsaina, hanam-paharetana, ary ho be fitiavana isika, mba hitandroana fihavanana. Tena ilaina tokoa izany!

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Inona no hanampy anao hamela heloka tanteraka?—Kolosianina 3:13.

● Inona no hanampy anao hifampiresaka amin’ilay olona?—Matio 5:23, 24.

● Inona no azonao atao raha tsy mety mihavana aminao ilay olona? —Romanina 12:17-21.

[Teny notsongaina, pejy 11]

“Mahatsindry fo ny olona raha lalin-tsaina, ary voninahitra ho azy ny mamela fahadisoana.” —OHABOLANA 19:11