Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tsy Maintsy Manaraka Fivavahana Iray ve Ianao?

Tsy Maintsy Manaraka Fivavahana Iray ve Ianao?

KIVY ve ianao noho ny ataon’ny fivavahana? Sa ianao mieritreritra fa tsy ilaina izy ireny? Mihamaro izao ny olona toy izany, ka lasa tsy te hifandray amin’ny fivavahana.

Maro no tsy mandeha miangona intsony, satria hitany hoe mahatonga ny olona hihatsaravelatsihy sy hanavakavaka ny fivavahana. Ny hafa indray mahita hoe sarotra arahina ny fivavahana satria be fombafomba. Misy aza mihevitra hoe afaka mifandray amin’Andriamanitra foana ny olona na tsy misy fivavahana aza. Ary ahoana hoy ny Baiboly?

Ireo naman’Andriamanitra fahiny

Resahin’ny Baiboly mazava tsara ny karazana fivavahana narahin’ireo loham-pianakaviana fahiny, toa an-dry Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Hoy Andriamanitra indray mandeha: “Efa fantatro tsara izy izao. Koa handidy ny ankohonany sy ny zanany handimby azy izy, mba hanarahan’ireny ny lalan’i Jehovah amin’ny fanaovana izay marina sy mahitsy.” (Genesisy 18:19) Naman’ny Mpamorona i Abrahama, ka nifandray tsara taminy. Nanompo an’Andriamanitra niaraka tamin’ny fianakaviany koa anefa izy. Nisy loham-pianakaviana hafa koa nanompo an’Andriamanitra niaraka tamin’ny olon-kafa, toy ny fianakaviany sy ny mpanompony.

Nasain’Andriamanitra niara-nanompo azy ny Israelita fahiny, ary toy izany koa ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (Levitikosy 23:2, 4; Hebreo 10:24, 25) Nihira izy ireo tamin’izany, namaky ny Soratra Masina, ary nivavaka. (Nehemia 8:1-8; Kolosianina 3:16) Resahin’ny Soratra Masina koa fa nisy lehilahy maromaro nahafeno fepetra nitarika an’ilay antokon’olona niara-nivory.—1 Timoty 3:1-10.

Mahasoa ny miara-manompo an’Andriamanitra

Asehon’ireo fanazavana ireo fa tian’Andriamanitra hanompo azy miaraka amin’ny hafa koa ny namany amin’izao andro izao. Tena mahasoa izany.

Milaza, ohatra, ny Soratra Masina fa toy ny olona mandeha amin’ny lalana tery ny mpanompon’Andriamanitra sady toy ny mpihazakazaka. (Matio 7:14; 1 Korintianina 9:24-27) Mety ho mora reraka sy hitsoaka an-daharana ny olona iray mihazakazaka amin’ny lalana lavitra be sy sarotra andehanana. Hahavita zavatra mihoatra noho ny noeritreretiny anefa izy matetika, raha misy mampahery. Hahavita hifandray tsara amin’Andriamanitra foana koa ireo tia azy na dia ao anatin’ny sarotra aza, raha ampaherezin’ny mpiara-mivavaka aminy.

Manamarina an’ity voalazan’ny Hebreo 10:24, 25 ity izany: “Aoka koa isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory.” Milaza ny Soratra Masina fa toy ny mpiray tam-po ny tena mpivavaka amin’Andriamanitra, ka lasa toy ny vatana iray.

Rehefa fivavahana ve dia ratsy daholo?

Resahin’ny Baiboly fa toy ny vatana iray ny fiangonana, ka mifankatia sy mihavana tsara. Mampirisika ny tena mpanompon’Andriamanitra, ohatra, ny Efesianina 4:2, 3 mba hanao zavatra “amim-panetren-tena sy amim-pahalemem-panahy tanteraka, ary amin’ny fahari-po, ka hifampizaka amim-pitiavana, sy hiezaka mafy hitana ny maha iray ny fanahy ao anatin’ny fihavanana, izay fatorana mampiray.” Ahoana moa no hanaovanao an’izany raha mitokantokana ianao fa tsy miaraka amin’ny hafa?

Tian’Andriamanitra hiara-manompo azy ny olona manam-pinoana fa tsy hitokantokana. Ampirisihin’ny Baiboly ireo mpivavaka amin’Andriamanitra mba hifanaraka tsara amin’izay lazainy, tsy hisaratsaraka, ary ‘ho tafaray tsara ka hiray saina sy hiray hevitra.’ (1 Korintianina 1:10) Tsy hisy dikany ireo teny ireo raha tian’Andriamanitra hanompo azy mitokantokana ny olona.

Hitantsika avy amin’izany àry fa tian’Andriamanitra raha manompo azy ao anatin’ny fivavahana iray voalamina tsara ny mpanompony. Afaka manampy anao hifandray tsara amin’Andriamanitra ilay fivavahana voaresaka ao amin’ny Soratra Masina. Tian’Andriamanitra hanaraka azy io ianao.—Matio 5:3.

Ekena aloha fa maro ny fivavahana mihatsaravelatsihy sy manao zavatra feno habibiana. Tsy midika anefa izany hoe rehefa fivavahana dia ratsy daholo. Tsy maintsy misy fivavahana iray ahitana olona tia ny mpiara-belona aminy rehetra, eto an-tany. Voalamina mba hampianatra ny hafa ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena izy io ary afaka manampy anao hanana ny tena finoana. Ny Baiboly no manampy anao hamantatra an’ilay fivavahana eken’Andriamanitra.