TANY SY MPONINA
Fitsidihana An’i Cameroun
TOA ny foko baka na Pygmée no nonina teto Cameroun voalohany. Tonga ny Portogey taorian’ny taona 1500. Lasan’ny Peul, izay foko silamo, ny tapany avaratr’i Cameroun, taonjato maro tatỳ aoriana. Ny 40 isan-jaton’ny mponina eto izao no milaza fa Kristianina, ny 20 isan-jatony Silamo, ary ny 40 isan-jato manaraka fivavahan-drazana.
Tena tia mandray vahiny ny mponina any ambanivohitra. Arahabainy ny vahiny, ampandrosoiny ao an-trano, ary rosoany rano sy sakafo. Heveriny ho maniratsira azy ianao raha tsy mihinana izay arosony, fa mankasitraka azy kosa raha mihinana.
Ahoana no hanombohana ny resaka? Miarahaba ny olona ao an-trano ianao, ary manontany fahasalamana. Fanao koa aza ny manontany ny fahasalaman’ny biby fiompy! Hoy i Joseph, avy any an-toerana: “Tsy ampy ny miteny hoe ‘veloma’ rehefa handeha ny vahiny. Matetika no manatitratitra azy ny tompon-trano sady miresadresaka. Manao veloma izy avy eo ary miverina. Mety hihevitra ilay vahiny hoe tsy faly tamin’ny nahatongavany ny tompon-trano raha tsy manao azy an’izany.”
Vilia iray ihany no iraisan’ny mpinamana indraindray rehefa miara-misakafo, ary raisina amin’ny tanana ny sakafo. Mariky ny firaisan-tsaina izany eto Cameroun. Atao koa io fomba io rehefa hamitram-pihavanana ny olona roa na maromaro. Rehefa miara-misakafo toy izany izy ireo dia toy ny milaza hoe: “Efa mihavana tsara indray isika izao.”