Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 NISY NAMORONA VE?

Ny ADN

Ny ADN

MILA mitahiry fanazavana elektronika be dia be ny mpampiasa ordinatera. Nitady hevitra tsara kokoa hitehirizana fanazavana àry ny mpikaroka, ka naka tahaka zavatra eo amin’ny natiora. Tsy inona izany fa ny ADN. Nahoana? Satria afaka mitahiry fanazavana tsy hita isa izy io.

Diniho izao: Mirakitra fanazavana an’arivony tapitrisa ny ADN, izay hita ao anaty sela. Hoy i Nick Goldman, mpanao fikarohana: ‘Na ny ADN ao amin’ny taolan’ny mamota (karazana elefanta nisy taloha ela be) aza, mbola azo alaina ka akana fanazavana be dia be. Mora tehirizina sy mora entina koa ny ADN, satria bitika kely sady tsy ilana herinaratra.’ Azo ampidirana fanazavana namboarin’olombelona ve anefa ny ADN? Eny, hoy ny mpikaroka.

Nanamboatra ADN àry ny mpahay siansa, ka nampidirany soratra sy sary ary raki-peo be dia be, natao endrika kaody. Navadika indray ireo kaody ireo tatỳ aoriana, ka azo novakina daholo izay nampidirina tao, sady tsy nisy diso mihitsy. Mino ny mpahay siansa fa any aoriana any dia ho azo atao ao anaty ADN iray grama ny fanazavana ao amin’ny CD 3 000 000 be izao, sady azo tehirizina an-jatony na an’arivony taona mihitsy! Azo tehirizina miaraka daholo ny fanazavana elektronika eran-tany, raha io fomba io no ampiasaina. Tsy mahagaga raha antsoina hoe “ny disque dur matanjaka indrindra” ny ADN.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny ADN, sa nisy namorona?