Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | IZA NO TENA TAFITA AMIN’NY FIAINANA?

Te ho Afa-po Amin’ny Fiainana ve Ianao?

Te ho Afa-po Amin’ny Fiainana ve Ianao?

Tsy mampianatra mihitsy ny Baiboly hoe olona vitsy ihany no afaka ny ho tafita amin’ny fiainana. Tsy milaza koa anefa izy io hoe izay rehetra nofinofisinao dia ho tanteraka daholo, hoatran’ireny tantara amin’ny boky ireny. Izany matetika no asaina inoan’ny ankizy, nefa ho diso fanantenana fotsiny izy ireo rehefa hitany ny tena fiainana.

Afaka ny hanana fiainana tsara daholo ny olona rehetra, saingy mila ezaka izany. Diniho ireto toro lalana ireto:

  • IZAO NO LAZAIN’NY BAIBOLY:

    “Izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin’izay volafotsy ananany. Ary izay tia harena koa tsy ho afa-po amin’izay harena azony.”—Mpitoriteny 5:10.

    INONA NO DIKAN’IZANY? Tsy voatery ho afa-po amin’ny fiainana ny olona, na dia manangona zavatra be dia be aza. Ny mifanohitra amin’izany aza matetika no tsapany. Hoy ny Pr. Jean Twenge, ao amin’ilay bokiny hoe Taranaka Tia Tena (anglisy): ‘Mora kivy sy miady saina kokoa ny olona, raha vola sy fananana foana no tadiaviny. Tsy hoatr’izany kosa izy, raha ny fianakaviany sy ny namany no zava-dehibe aminy. Tsy voavidim-bola mantsy ny tena fahasambarana. Tsy voatery ho afa-po amin’ny fiainana ianao, na dia mihoatra noho izay ilainao mba hivelomana aza ny karamanao.’

    INONA NO AZONAO ATAO? Tadidio fa mbola misy zava-dehibe kokoa noho ny vola sy ny fananana. Zavatra tena mahasoa sy mahafa-po àry no ataovy tanjona eo amin’ny fiainana. “Mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana”, hoy i Jesosy, “satria na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.”—Lioka 12:15.

  • IZAO NO LAZAIN’NY BAIBOLY:

    “Ny fireharehana mialoha ny fahalavoana, ary ny fieboeboana mialoha ny fianjerana.”—Ohabolana 16:18.

    INONA NO DIKAN’IZANY? Raha tia sehoseho sy mikendry zavatra ambony loatra ianao, dia tsy hanampy anao hanatratra tanjona tsara eo amin’ny fiainana izany. Hoy ilay boky hoe Tsara Noho ny Tsara (anglisy): ‘Ireo lehiben’orinasa nahavita zavatra tena niavaka, dia olona manetry tena sy mipetrapetraka ary tsy mitady ny hisongadina. Ny roa ampahatelon’ireo orinasa tsy dia nandroso kosa no vao mainka tsy nivoatra na nikatona mihitsy, satria nirehareha loatra ny lehibeny.’ Inona no azo ianarana avy amin’izany? Raha mihevi-tena ho zavatra loatra ianao, dia vao mainka hihemotra fa tsy ho tafita amin’izay ataonao.

    INONA NO AZONAO ATAO? Aza mitady ny hisongadina foana, fa mba mianara manetry tena. Hoy ny Galatianina 6:3: “Raha misy mihevi-tena ho zavatra nefa tsinontsinona, dia mamita-tena izy.” Sarotra ho an’ny olona hoatr’izany ny ho afa-po amin’ny fiainana!

  • IZAO NO LAZAIN’NY BAIBOLY:

    ‘Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mifaly noho ny asa mafy ataony.’—Mpitoriteny 2:24.

    INONA NO DIKAN’IZANY? Ho faly kokoa amin’ny asanao ianao, raha mazoto tsara sady tsy manao kitoatoa. Hoy ny Pr. Madeline Levine, ao amin’ilay boky hoe Ampianaro Tsara ny Zanakao (anglisy): “Ho afa-po amin’izay ataonao ianao, raha hainao tsara ilay izy. Mila miezaka sy manana fikirizana anefa ianao, mba hahay tsara.” Midika koa izany fa tokony hanohy foana ianao, na dia tsy mety aza ny atao indraindray.

    INONA NO AZONAO ATAO? Miezaha mafy mba hampitombo ny fahaizanao, ary aza kivy na misy aza ny olana. Raha manan-janaka ianao, dia avelao izy ireo hianatra hiatrika olana (arakaraka ny taonany sy ny fahaizany avy). Aza maika hanome vahaolana, fa aleo aloha izy hiezaka. Mahatsiaro ho afa-po kokoa ny tanora rehefa vitany ny zavatra nikirizany. Mampiofana azy ho amin’ny fiainan’ny olon-dehibe koa izany.

  • IZAO NO LAZAIN’NY BAIBOLY:

    “Aleo alika velona toy izay liona maty.”—Mpitoriteny 9:4.

    INONA NO DIKAN’IZANY? Ilaina ny mandanjalanja amin’ny asa. Tokony hanana ny fiainanao koa mantsy ianao, fa tsy hoe miasa foana. Ianao ve dia ho sambatra raha mahazo fisondrotana be, nefa lasa marary na tsy mba mifandray am-po amin’ny fianakavianao? Zava-dehibe ny manao tsara ny asanao, nefa tsy tokony ho lasa an-tsirambina ny fianakavianao sy ny fahasalamanao.

    INONA NO AZONAO ATAO? Karakarao ny tenanao, ary mba mialà sasatra. Maty antoka fotsiny ianao raha mamono tena miasa, ka afoinao daholo ny namanao sy ny fianakavianao ary ny fahasalamanao, nefa ianao avy eo tsy ho sambatra akory.

  • IZAO NO LAZAIN’NY BAIBOLY:

    “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.

    INONA NO DIKAN’IZANY? Tena ilaina ny mianatra Baiboly sy mampihatra ny torohevitra ao, raha te ho sambatra ianao. Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany no nahita fa tsy dia miady saina loatra amin’ny zavatra ilaina andavanandro izy ireo, rehefa ny fifandraisany amin’Andriamanitra no ataony zava-dehibe.—Matio 6:31-33.

    INONA NO AZONAO ATAO? Mianara Baiboly satria afaka manampy anao ho afa-po amin’ny fiainana izy io. Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah akaiky anareo, na jereo ny tranonkalanay www.mt1130.com, raha mila fanazavana fanampiny ianao.