TOPY MASO ERAN-TANY
Maresaka Momba ny Fivavahana
Tokony hampiray saina ny fivavahana, kanefa matetika no mampiady sy mahatonga ny olona tsy hifampatoky.
Zava-misy Eran-tany
Voafehifehy sady iharan’ny tsy rariny ny mpivavaka vitsy an’isa, any amin’ny firenena maro. Ny lalàna eo an-toerana no mety hoe mahatonga an’ilay izy, na koa ny fiaraha-monina no efa tsy tia azy ireo. Maherin’ny 75 isan-jaton’ny mponina eran-tany no mipetraka any amin’ny tany toy izany. Nitombo efa ho avo roa heny ny isan’ireny firenena ireny, tato anatin’ny dimy taona.
ERITRERETO IZAO: Inona avy no mahatonga ny olona tsy ho tia fivavahana?—Matio 23:27, 28; Jaona 15:19.
Angletera
Nanoratra tao amin’ny gazety Observer i Tony Blair, praiminisitra britanika taloha, hoe “lasa nampiasaina mba hanaovana zavatra ratsy ny fivavahana”, ka manaporofo an’izany ireo asa fampihorohoroana tato ho ato. Hoy koa izy: “Hevitra ara-politika tsy mitovy no nahatonga ny ady taloha, ohatra hoe ireo ady tamin’ny taonjato faha-20. Tsy mba toy izany kosa tamin’ity taonjato ity. Kolontsaina na fivavahana tsy mitovy fotsiny dia efa miteraka ady.”
ERITRERETO IZAO: Nahoana ny fivavahana no lasa mampiady ny olona?—Marka 7:6-8.
Aostralia
Nanao tatitra ny Birao Aostralianina Mpamoaka Antontan’isa fa Aostralianina 1 ao anatin’ny 5 no milaza hoe tsy mpivavaka. ‘Na ireo milaza fa mpivavaka aza anefa tsy voatery hoe mazoto miangona na mafana fo amin’ny fivavahany.’ Ny 15 isan-jaton’ny lehilahy sy ny 22 isan-jaton’ny vehivavy milaza fa mpivavaka ihany mantsy no mafana fo amin’ny fivavahany.
ERITRERETO IZAO: Inona no toetra ratsy asehon’ny olona maro, na dia milaza aza izy fa mpivavaka?—Matio 7:15-20.