Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miaro Anao ny Fahendrena

Miaro Anao ny Fahendrena

“Ny harenan’ny manankarena no mahavotra ny ainy, fa ny mahantra kosa [tsy misy mandrahona akory].” —OHABOLANA 13:8.

METY ho tsara kokoa ny fiainan’ny mpanankarena, kanefa mety hahita olana izy ireo indrindra amin’izao fiainana tsy milamina izao. (2 Timoty 3:1-5) Iharan’izany, ohatra, ny mpanankarena sy ny mpizaha tany any amin’ny tany sasany. Izy ireny mantsy no tena kendren’ny mpangalatra sy ny mpaka an-keriny, ka angatahiny vola ho takalon’aina.

“Inona no mampiavaka ny mpanankarena sy ny mahantra? Ny mpanankarena matetika no tafihin’ny mpangalatra mitam-piadiana, ary misy misoloky sy maka an-keriny. Noho izany dia asiana mpiambina mitam-basy any amin’ny hotely. Mifefy tamboho avo be misy tariby maranitra ny tranon’ny mpanana. Misy mpiambina sy jiro mazava be ary fitaovana fanaraha-maso koa izy ireny.” Izany no zava-misy any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana iray, araka ny fampahalalam-baovao. Hita any amin’ny tany maro koa izany.

“Ny mahantra” kosa hoy ny Baiboly “tsy mba mandre teny henjana”, izany hoe “tsy misy mandrahona akory.” Ahoana no azonao ampiharana an’izany teny feno fahendrena izany? Mitandrema raha mandalo na mipetraka any amin’ny faritra be mpangalatra sy mpanao heloka bevava ianao. Aza miseho ho manam-bola na manan-javatra sarobidy. Fidio tsara ny akanjo na firavaka hanaovanao sy ny zavatra hoentinao, ka aza atao misarika mason’olona. Hoy mantsy ny Ohabolana 22:3 hoe: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.”

Tena tia antsika ny Mpamorona matoa nanome an’ireny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly ireny. Tsy tiany hiharan-doza mantsy isika. Marina tokoa ny voalazan’ny Mpitoriteny 7:12 hoe: ‘Fiarovana ny fahendrena, ary miaro ny ain’izay manana azy.’