Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tambohon’i Itchan Kala, tanàna manan-tantara any Khiva

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Ouzbékistan

Fitsidihana An’i Ouzbékistan

MARO ny anarana efa niantsoana ny “Tanin’ny Ouzbek”, na ny faritra misy an’i Ouzbékistan ankehitriny. Anisan’izany ny hoe: Transoxania, Ilay Tany eo Anelanelan’ny Renirano, Tartarie, ary Turkistan. Efa hatramin’ny taonjato faha-15 i Ouzbékistan no fandalovan’ny mpivarotra, rehefa mandeha amin’ny Lalan’ny Lasoà izy ireo. Nampifandray an’i Chine tamin’ireo tanàna manamorona ny Ranomasina Mediterane io lalana io. Ny lamba landy na lasoà izao no tena amidy any amin’ny tsenan-damba any Ouzbékistan. Hita any koa ny karipetra tsara tarehy vita amin’ny landihazo sy volonondry ary lasoà.

Nisy vokany teo amin’ny kolontsain’ny Ouzbek ireo olona maro nandalo tany. Namakivaky an’ireo tendrombohitra sy tany efitr’i Ouzbékistan, ohatra, ireo mpitari-tafika nalaza sy ny miaramilany. Anisan’izany i Genghis Khan, avy any Mongolia, sy Aleksandra Lehibe ary Timour. Tany no nahitan’i Aleksandra Lehibe an’i Roxane vady malalany. Tany koa ny faritra niavian’i Timour, ilay nitondra ny fanjakana anisan’ny nidadasika indrindra teo amin’ny tantara.

Akanjo nentim-paharazana

Feno trano tsara tarehy sy marevaka ny tanàn-dehibe any Ouzbékistan. Boribory ny tafon’izy ireny, sady vita amin’ny kapila, ary manga ny lokony. Sekoly ny ankamaroan’ireny trano ireny.

Ny Lalan’ny Lasoà. Nampiroborobo ny varotra fahiny io lalana mandalo any Ouzbékistan io. Efa talohan’ny nahaterahan’i Jesosy izy io no natao lalam-barotra. Niova anefa izany tamin’ny faran’ny taonjato faha-15, rehefa nisokatra ny lalana an-dranomasina nankany Inde.

Manamboatra karipetra lasoà

Ny Ranomasin’i Aral. Io no farihy fahefatra lehibe indrindra eran-tany taloha. Miharitra anefa izy io satria avy ao ny olona no mitarika rano hanondrahana voly. Miara-miasa amin’ireo firenena any Azia Afovoany izao i Ouzbékistan mba hamahana an’io olana io.

Ny abidy ouzbek. Maro ny fiteny efa nampiasaina tany Ouzbékistan. Resin’ny Silamo io tany io, tamin’ny taonjato fahavalo, ka ny abidy arabo no nampiasaina. Rehefa lasa anisan’ny Firaisana Sovietika i Ouzbékistan, dia ny abidy latinina no nampiasaina ary nosoloana abidy sirilika tamin’ny 1939 tany ho any. Abidy nalaina avy amin’ny soratra latinina indray anefa no nampiasaina, rehefa nivoaka ny lalàna vaovao momba ny abidy ouzbek, tamin’ny 1993.

Voankazo nohamainina