Afaka Mankafy Fiainana na Jamba Aza
“Nahery loatra ilay fanafody natao tamin’ny masoko tamin’izaho vao teraka, ka lasa tsy nahita tsara intsony aho. Jamba tanteraka aho folo taona mahery tatỳ aoriana, ary lasa kivy be.”—Paqui, vehivavy efa zokinjokiny ary jamba koa ny vadiny.
BETSAKA ny antony mahatonga ny olona ho jamba, anisan’izany ny ratra na ny aretina. Mety hisy vokany amin’ny masony, na ny hoza-masony, na ny atidohany ireo. Malahelo sy matahotra ny olona rehefa lasa jamba na tsy mahita tsara intsony. Tsy eken’ny sainy koa ilay izy. Maro anefa no mahavita miatrika an’izany, ka lasa afaka mankafy fiainana.
Avy amin’ny maso no tena ahalalantsika ny zava-mitranga manodidina antsika. Raha lasa jamba àry ny olona iray, dia tsy maintsy miantehitra amin’ny vavahadin-tsaina hafa izy, ka manampy azy amin’izany ny sofina, orona, tanana, ary ny lela.
Nilaza ny gazety Amerikanina Siantifika fa “afaka manova ny fomba fiasany” ny atidoha “arakaraka ny zava-misy.” Hoy koa izy io: “Betsaka ny porofo manamarina fa afaka manao fanovana ny atidoha raha vao tsy maharay hafatra avy amin’ny vavahadin-tsaina iray. Ampiany ny vavahadin-tsaina hafa ary ataony mora mandre kokoa.” Diniho ireto fanazavana ireto:
Sofina: Manampy olona iray haka sary an-tsaina ny zava-mitranga ny feo reny. Mety ho feon’olona izany, na figadon’ny tongotra. Hoy i Fernando, lehilahy jamba: “Lasa haiko ny mamantatra sy mitadidy olona iray amin’ny feony na ny figadon’ny tongony.” Hoy koa i Juan: “Ny feon’ny olona no amantaran’ny jamba azy.” Tena mahamarika ny lantom-peo ny jamba, toa antsika rehetra ihany. Ahalalana ny fihetseham-pon’ilay olona miteny mantsy izany.
Rehefa tena zatra ny sofin’ny jamba, dia lasa fantany avy amin’ny feo reny ny manodidina azy, anisan’izany ny lalana izoran’ny fiara, ny halehiben’ny efitrano, ary ny toerana misy sakantsakana.
Orona: Ahalalana zavatra betsaka koa ny orona, fa tsy hoe andrenesana fofona fotsiny. Rehefa mandeha eny an-dalana,
ohatra, ny jamba iray, dia toy ny hoe misy sary ao an-tsainy. Mety ho fantany avy amin’ny fofona reny mantsy hoe mandalo fivarotana kafe izy, na hotely, na tsena. Manampy azy amin’izany koa ny feo reny sy ny zavatra kasihiny.Tanana: “Ny rantsantanako no solon’ny masoko”, hoy i Francisco. Afaka manampy ny tanana “hahita” zavatra betsaka kokoa ny tehina. Jamba hatrany an-kibon-dreniny i Manasés ary mbola kely izy dia efa nianatra nampiasa tehina. Hoy izy: “Haiko tsara hoe aiza aho, satria manampy ahy ny vavahadin-tsaiko sy ny fitadidiako. Eo koa ny paozipaozin’ny sisin’arabe, izay fantatro amin’ny alalan’ny tehina.”
Ny tanany koa no ahafahan’ny jamba mamaky boky. Maro izao ny fitaovana ahafahan’ny jamba mampitombo fahalalana sy mifandray amin’Andriamanitra. Anisan’izany ny boky amin’ny soratra Braille sy ny zavatra noraisim-peo ary ny ordinatera. Afaka mamaky Baiboly sy boky fianarana Baiboly ny jamba, vokatr’izany. *
Nahazo fampaherezana avy amin’ireny boky ireny i Paqui sy ny vadiny, ilay voaresaka terỳ aloha, sady lasa nanana fanantenana. Manohana azy ireo koa ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy azy, izay toy ny fianakaviambe ara-panahy. Hoy i Paqui: “Afaka miaina hoatran’ny olon-drehetra izao izahay, sady mba mahavita tena ihany.”
Marina aloha fa miatrika olana manokana ny jamba. Afaka mandresy an’izany sy mankafy fiainana anefa izy ireny. Hita tokoa hoe mahay miaina mifanaraka amin’ny zava-misy ny olombelona.
^ feh. 10 Mamoaka boky fianarana Baiboly amin’ny soratra Braille amin’ny fiteny 25 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah.