Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MBA ANDRAMO IZAO

Avereno Dinihina ny Hevi-dehibe

Avereno Dinihina ny Hevi-dehibe

Efa nisy fotoana ve sarotra taminao ny nitadidy izay zavatra vao avy nianaranao? Mitranga amintsika rehetra izany indraindray. Inona àry no hanampy antsika? Avereno dinihina ny hevi-dehibe.

Rehefa mianatra ianao, dia miatoa tsindraindray mba hisaintsainana an’ireo hevitra tena lehibe. Mariho hoe ahoana no nanampian’ny apostoly Paoly an’ireo namaky ny taratasiny mba hanao an’izany. Hoy izy: “Izao no hevi-dehibe.” (Heb. 8:1) Rehefa nilaza an’ireo teny ireo izy, dia nanampy an’ireo nihaino azy mba haharaka ny hevitra novelabelariny sy hahita ny ifandraisan’ny hevitra tsirairay amin’ny foto-kevitra noresahiny.

Mety hanokana fotoana ianao rehefa avy mianatra, angamba folo minitra, mba hisaintsainana an’izay hevi-dehibe avy nianaranao. Ahoana anefa raha tsy tadidinao izy ireny? Avereno jerena ny lohatenikely na ny fehezanteny voalohandohany isaky ny fehintsoratra mba hamerenana ny fitadidianao. Raha mianatra zavatra vaovao ianao, dia ezaho hazavaina amin’ny fomba fahazoanao azy ilay izy. Ho mora kokoa aminao ny hitadidy an’izay nianaranao, raha mamerina mandinika an’ireo hevi-dehibe ianao. Tsy izay ihany, fa ho azonao kokoa hoe ahoana no hampiharana azy ireny eo amin’ny fiainanao.