Fantatrao Ve?
Ahoana no ahitana hoe zava-dehibe ny mozika tamin’ny andron’ny Israely?
NANAN-DANJA teo amin’ny kolontsain’ny Israelita ny mozika. Imbetsaka ny Baiboly no miresaka momba ny zavamaneno sy olona mihira. Raha ny marina aza, dia tokotokony ho ny ampahafolon’ny Soratra Masina no hira, ka ny Salamo sy ny Tononkiran’i Solomona ary ny Fitomaniana no tena miavaka. Milaza ny boky iray momba ny mozika tamin’ny andro fahiny fa asehon’ny Baiboly hoe “betsaka tamin’ny zavatra fanaon’ny Israelita no nisy ifandraisany tamin’ny mozika.”
Mozika teo amin’ny fiainana andavanandro. Nihira sy nitendry zavamaneno ny Israelita mba hamoahana ny fihetseham-pony. (Isaia 30:29) Nively ampongatapaka ny vehivavy sady faly erỳ nihira sy nandihy rehefa nisy olona natao mpanjaka, na nandresy ny tafika, na tamin’ny fety. (Mpits. 11:34; 1 Sam. 18:6, 7; 1 Mpanj. 1:39, 40) Nanao hira fisaonana mampihetsi-po koa ny Israelita rehefa nisy maty. (2 Tan. 35:25) Hoy ny Rakipahalalana (anglisy) navoakan’i McClintock sy Strong: “Tsy isalasalana hoe tena tia mozika ny Hebreo.”
Mozika tao an-dapa. Nahafinaritra ny mpanjakan’ny Israely ny nihaino mozika. Niantso an’i Davida hankao ao an-dapa, ohatra, i Saoly Mpanjaka mba hitendry zavamaneno. (1 Sam. 16:18, 23) Rehefa lasa mpanjaka i Davida tatỳ aoriana, dia namorona zavamaneno, nanoratra hira mahafinaritra, ary nandamina antoko-mpihira mba hihira sy hitendry tao amin’ny tempolin’i Jehovah. (2 Tan. 7:6; Amosa 6:5) Nanana mpihira lahy sy vavy be dia be koa i Solomona Mpanjaka tao an-dapany.—Mpito. 2:8.
Mozika teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ny zava-dehibe indrindra dia hoe nampiasa mozika ny Israelita tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nisy lehilahy 4 000 nitendry zavamaneno tao amin’ny tempoly tany Jerosalema. (1 Tan. 23:5) Nampiasa kipantsona, zavamaneno fitendry, harpa, ary trompetra ry zareo. (2 Tan. 5:12) Tsy ireo lehilahy matihanina tamin’ny mozika ireo ihany anefa no nanao an’izany rehefa nanompo an’i Jehovah. Azo inoana hoe betsaka ny Israelita nanao ny Hira Fiakarana, tamin-dry zareo hamonjy ny fety isan-taona tany Jerosalema. (Sal. 120-134) Nihira ny Salamo Hallel a koa ny Israelita nandritra ny sakafon’ny Paska, araka ny asa soratra jiosy.
Mbola zava-dehibe amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny mozika amin’izao. (Jak. 5:13) Anisan’ny fanompoantsika an’i Jehovah ny hira. (Efes. 5:19) Mampiray saina antsika amin’ny Kristianina namantsika ny mozika. (Kol. 3:16) Mampahery antsika koa izy io rehefa miatrika ny mafy isika. (Asa. 16:25) Ny mozika no fomba tsara ampisehoantsika hoe mino an’i Jehovah isika sady tia azy.
a Ny Salamo 113 hatramin’ny 118 no nantsoin’ny Jiosy hoe Salamo Hallel. Nohiraina izy ireo mba hiderana an’i Jehovah.