MIFOHAZA! No. 3 2018 | Inona no Hanampy Anao Hizaka ny Fahorianao?
Inona no hanampy anao hizaka ny fahorianao?
Maty ve ny olona iray akaiky anao? Resahin’ity gazety ity hoe inona no mety ho vokatr’izany eo aminao. Hazavaina ato koa hoe inona no azonao atao mba tsy halahelo be intsony ianao.
Fahoriana Faran’izay Mafy
Tena mafy amin’ny olona ny hoe mamoy vady, na havana, na namana tena tiana. Ho hitanao ato izay nolazain’ny manam-pahaizana sy ireo olona efa niaina an’izany.
Fihetseham-po sy Olana Samihafa
Mety hanao ahoana ny fihetseham-ponao raha maty ny olona akaiky anao? Inona koa ny olana mety hatrehinao?
Ahoana no Hiatrehana Azy? Inona no Azonao Atao Dieny Izao?
Tsy nalahelo be intsony ny olona maro nidonam-pahoriana, rehefa nanao zavatra hiatrehana an’ilay izy.
Tena Manampy ny Baiboly
Tena afaka manampy an’ireo nidonam-pahoriana ny Baiboly.
Ato Amin’ity Gazety Ity: Inona no Hanampy Anao Hizaka ny Fahorianao?
Misy torohevitra hanampy anao tsy halahelo be intsony ato amin’ity Mifohaza! ity. Ho hitanao ato hoe inona no azonao atao raha nidonam-pahoriana ianao.