Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantaro ny Tena Zava-misy

Fantaro ny Tena Zava-misy

Olana

Manavakavaka ny olona matetika satria tsy fantany ny tena zava-misy. Ireto misy ohatra:

  • Mino ny mpampiasa sasany hoe tsy mety amin’ny vehivavy ny asa ilana fahaizana manokana.

  • Teo anelanelan’ny taona 500 sy 1500 tany ho any, dia nendrikendrehina ho nanapoizina lavadrano sy nanaparitaka aretina ny Jiosy. Nolazaina koa hoe nahatonga ny olana ara-toe-karena tany Alemaina izy ireo, nandritra ny fitondrana nazia. Tena nankahalain’ny olona ny Jiosy noho izany, ary mbola hita izany amin’izao.

  • Be dia be koa ny olona mieritreritra hoe malahelohelo lava na kivy amin’ny fiainana ny olona manana kilema.

Milaza ho mahita porofo manamarina an’izany ny olona mino an’ireo. Ary raha tsy mitovy hevitra aminy ianao, dia lazaina hoe vendrana.

Toro lalana

“Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny olona.”—OHABOLANA 19:2.

Ahoana izany? Tsy hety ny fanapahan-kevitra raisintsika raha tsy mahalala ny tena zava-misy isika. Hitsaratsara ny hafa isika raha mino zavatra tsy marina.

Nahoana izany no tena ilaina?

Raha mahalala ny tena marina momba ny olona sasany isika, dia tsy ho mora hino ny lainga aelin’ny hafa momba azy. Rehefa fantatsika hoe tsy marina ny zavatra lazain’ny olona momba ny sokajin’olona iray, dia tsy ho mora hino ny zavatra henontsika momba ny hafa isika.

Inona no azonao atao?

  • Tadidio fa matetika ny zavatra lazain’ny olona momba ny antokon’olona iray no tsy mihatra amin’ny olona tsirairay ao amin’izy io.

  • Ekeo hoe tsy voatery hahafaoka ny zava-misy rehetra ny fanazavana azonao momba ny hafa.

  • Miezaha hahafantatra ny tena zava-misy, ary loharanon-kevitra azo itokisana jerena.